Mikajy Natiora: Mankalaza ny fahafolo taona, miasa manampy ary mankasitraka
1- Inona avy ireo zava-bita manamarika ny fahafolotaonan’i Mikajy Natiora? Maro ireo zava-bita azo resahina: Fanaovana fanentanana momban’ny tontolo iaianana tamin’ny toerana maro, andrenivohitra sy ambanivohitra tsy misy angovo. Fahitana ny microcebus sambiranensis tao Anabohazo Parc Nationa Sahamalaza. Fananana ekipa manana traikefa miasa amin’ny ala tsy mbola voaaro na ivelan’ny faritra arovana. Fahitana ny toerana […]Read More »ONG DIARI: fikambanana miasa ho an’ny fanampiana ny mponina sy ny fiarovana ny varika any Manjakandriana
Teny fampidirana Betsaka tokoa ny valinteny azo omena rehefa hanontaniana isika hoe iza no tokony handray andraikitra hiaro ny varika! fa saingy mahavelom-bolo sy mampisy fanantenana ny fahafantarana fa misy ireo olon-tsotra maniry sy mikendry hitondra ny anjaram-birikiny amin’ny fiarovana ny harena voajanahary. Izany indrindra no anisan’ny antom-pisian’ny ONG DIARI. Ary satria ny fanafoanana ny […]Read More »Whitley Award ho an’i Mamy Razafintsalama sy Planet Madagascar
Nahazo vahana manokana ny lafin’ny fiarovana ny harena voajanahary eto Madagasikara tamin’ity herinandro ity, satria nahazo ny famatsiam-bola avy amin’ny Whitley Fund for Nature i Mamy Razafitsalama avy amin’ny Planet Madagascar! Ny Lemur Conservation Network dia miarahaba manokana an’i Mamy noho izany voninahitra lehibe izany. Ity mari-pankasitrahana ity dia porofon’ny asa mafy nataony sy ny […]Read More »LCN manohana ny fanabeazana sy fanentanana momban’ny varika
Manabe sy manentana amin’ny alalan’ny lalao Rehefa nitsidika ireo toerana maro samihafa manerana an’i Madagasikara izahay dia anisan’ny zavatra tsikaritra voalohany ny fitiavan’ny ankizy sy tanora mianatra ireo varika amin’ny alalan’ny sary. Liana dia liana tokoa ireo ankizy amin’ny fianarana ny lalao sady mahazo fahalalana mahakasika ny varika. Lalao karatra Varika Namboarina manokana ny karatra […]Read More »Ireo fandaharanasan’ny Lemur Conservation Foundation: miaro ny ala sy ny varika miaraka amin’ireo mponina ifotony
Ny mombamomban’ny Lemur Conservation Foundation Natsangana tamin’ny 1996 ny Lemur Conservation Foundation ary i Penelope Bodry-Sanders, izay niara-niasa tamin’i Profesora Ian Tattersall tao amin’ny “American Museum of Natural History” no namorona azy. Amin’izao fotoana izao dia mitantana faritra arovana mirefy 50 hektara any Myakka City, Florida (Etazonia) ny LCF, izay itoeran’ny varika karazany 5 miisa […]Read More »Fitsidihana ny alan’Anjozorobe : ahitana Varika tsy lavitra an’Antananarivo
Raha toa ka manana fotoana ianao ka manodidina an’ Antananarivo, dia tongava mitsidika ny Faritra arovana ao Anjozorobe, izay adiny roa sy sasany monja miala ny renivohitra raha mandeha fiara. Ny ala-javaboahary arovana na alan’Anjozorobe dia fonenan’ny karazam-borona 82 sy karazana varika 11. Mitovitovy amin’ny hita any Andasibe-Mantadia ny karazana varika hita ao, fa ny […]Read More »Alan’i Makira: tontolo maitso mavana, voahary mirakitra harena
Fitsidihan-toerana, fitiavana nitsiry hatramin’ny fahazaza Nandranto fianarana momban’ny “primatologie” izay ianarana manokana momban’ireo primaty toy ny varika i Naina teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, Fakiolten’ny siansa. “Efa fony kely aho no tia zava-boahary ary tao Tsimbazaza no nahitako varika voalohany tamin’izaho 9 taona” hoy i Naina. Nanomboka liana tamin’ireo varika ireo izy nanomboka teo ary te hahafantara […]Read More »Ny faritra arovana ao Loky-Manambato, Daraina sy ireo harena ao aminy
Ny momba ahy ve? Vololonirina Faramalala no anarako ary i Rina no ahalalana ahy. Mpianatra mpikaroka avy ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ao amin’ny Fakiolten’ny Siansa ; sampam-pampianarana ADD na “Anthropobiologie et Développement Durable” ny tenako. Sampana iray ianarana momba ny olombelona sy ny varika ny ADD, ka tao no nandalinako ny mombamomba ireo karazam-barika misy eto […]Read More »Fizahan-tany maitso na Ecotourisme: Ny maha zava-dehibe azy eto Madagasikara
Eto Madagasikara, ny fizahan-tany maitso na Ecotourisme dia ahazoan’ireto zavatra manaraka ireto tombony : na ny mpizahan-tany izany, na ny mponina eny ifotony, na ny varika sy ireo bibidia hafa. Ny fizahan-tany maitso mantsy dia manampy ny fiarovana ny natiora amin’ny alàlan’ny fanohanana ny asa fiarovana sy ny fanomezana fidiram-bola maharitra ho an’ny mponina eny […]Read More »Fiarovana ny varika sy fitantanana ny ala ao Manombo- tetikasa ataon’i GERP
Lazalazao aminay fohifohy ny mombamomban’ny tetikasa GERP Manombo? Ny tetikasa GERP Manombo dia nitsangana ny taona 2017. Ao Manombo, Farafangana any amin’ny faritra atsimo atsinanan’ny nosy no ivon-toeran’ny tetikasa. Natsangana izy io ho fanohizana ny fiarovana ireo zavaboahary, indrindra ny Varika manodidina sy ao anatin’ny ny “Réserve Spéciale” Manombo. Tsy mitsaha-mitombo mantsy ireo tsindry mianjady […]Read More »Ny tontolon’ny fampianarana sy fikarohana mikasika ny varika: Resaka niarahana tamin’i Dr Brigitte Raharivololona
Mba lazalazao ny mombamomban’ireo fikarohana ataonao ? Ny fikarohana nataoko nahazoana ny mari-pahaizana “doctorat” tany Hamburg, Allemagne dia mahakasika ireo katsetsitra (parasites intestinaux) izay hita any amin’ny karazana varika anisan’ny kely indrindra, mandeha amin’ny alina, antsoina amin’ny teny siantifika hoe “Microcebus murinus” na “Tsitsidy” amin’ny teny Malagasy. Anisan’ny hita tao anatin’izany fikarohana izany fa arakarakin’ny […]Read More »Fiarovana ny varika ve? manampy amin’ny asa fivelomana maro eny ifotony
Rehefa tsy misy vina amintsika intsony ny maha harena ny varika dia indro entina amintsika indray ny resaka momban’ireo asa fivelomana ateraky ny fiarovana ny varika sy ny ala fonenany. Izany no atao hoe “ conservation business” na “business de conservation”! Teny Fampidirana Vao tamin’ny volana jolay 2020 no nanambara ny Vondrona Iraisam-pirenena Miaro ny […]Read More »Ahaona no ilazàna fa manohana ny fiarovana ny bibidia ny fisian’ny fahi-bibidia na Zoos?
Rariny ny filazana fa ny fahi-bibidia dia tsy vitan’ny toerana fialam-boly fotsiny. Na dia antom-pisian’ny fahi-bibidia voalohany aza ny fialana voly, dia tsapa fa manan-danja betsaka amin’ny izy ireny ihany koa ankehitriny ny fanabeazana, ny fikarohana ary ny fiarovana ny bibidia. Raha resaka fiarovana ny bibidia no asian-teny, ny fahi-bibidia dia afaka mitarika asa fiarovana […]Read More »Vala-javaboahary any Mantadia: Tsidiho, Tiavo, Arovy fa Harena Sarobidy
Mba zarao aminay ny momba anao? Misa no anarako, “SIG et Télédétection” no sampam-pianarana nofidiko tao amin’ny IOGA na Institut et Observatoire de Géophysique d’Antananarivo, sampana iray ianarana manokana momban’ny “Géosciences” ao amin’ny Oniversite an’Antananarivo. Momban’ny fivoaran’ny fahapotehan’ny ala tao anatin’ny 10 taona tamina faritra arovana iray ny “sujet de memoire” -ko tamin’izany. Tia biby […]Read More »Ny fankalazana ny andron’ny varika maneran-tany 2020- World Lemur Day
Covid-19 sy ny fankalazana ny andron’ny varika Tamin’ity taona ity dia nanasarotra ny fankalazana mivantana ny fisian’ny Covid-19. Nanova ny fomba fankalazana ny hetsika ho an’ny mpikambana sasany izany. Raha nisy ireo nisafidy ny hetsika virtoaly, dia nisy ireo nanao hetsika mivantana mba hahafahan’izy ireo manatona olona akaiky kokoa ho fanentanana momba ny fiarovana ny […]Read More »