Main Menu

Mikajy Natiora: Mankalaza ny fahafolo taona, miasa manampy ary mankasitraka

Mankalaza ny fahafolo taona ny fikambanana Mikajy Natiora, izay mpikambana LCN (Jereo eto ny momban’ny Mikajy Natiora. Tafaresaka tamin’ny filoha mpanorina ny fikambanana, Dr Sylviane Volampeno, izahay. Nizara ireo asa vita sy fahombiazana nandritra izay folo taona izay izy ary manana hafatra manokana ho an’ireo izay mikasa hanorina fikambanana ka manana vina hirotsaka ao anatin’ny sehatry ny asa fiarovana ny varika.

Nahafinaritra ihany ny fihaonana taminy nandritran’ny fihaonam-be iraisam-pirenenana momban’ny fikarohana sy fiarovana ireo biby ao anatin’ny Primata na International Primatological Society Conference tany Malaysia ny 19 ka hatramin’ny 25 Aogositra 2023.

 1- Inona avy ireo zava-bita manamarika ny fahafolotaonan’i Mikajy Natiora?

Maro ireo zava-bita azo resahina:

  • Fanaovana fanentanana momban’ny tontolo iaianana tamin’ny toerana maro, andrenivohitra sy ambanivohitra tsy misy angovo.
  • Fahitana ny microcebus sambiranensis tao Anabohazo Parc Nationa Sahamalaza.
  • Fananana ekipa manana traikefa miasa amin’ny ala tsy mbola voaaro na ivelan’ny faritra arovana.
  • Fahitana ny toerana iasahana mahaleontena  (site d’intervention) dia ny ala ny Andilambologno ao amin’ny commune ny Maromandia. Nanomboka ny taonan 2015 no nahitany anio toerana io ary ny  2017 vao nanomboka niasa tao amin’ny alan’ny Andilambologno ny fikambanana.
  • Fananganana centre de recherche et d’éducation ao Mahitsihazo nanomboka ny taona 2022.  Mbola andalam-panamboarana ny centre ary afaka ampiasan’ny mpikaroka, ny mpianatra ary ny mpitsidika rehefa vita izany.

sary: Mikajy Natiora

2- Tao anatin’ny 10 taona, inona no tena anisan’ny sedra nodioavina kanefa nahitana fahombiazana?

Fakana ny fon’ny olona tamin’ny voalohany no tena anisan’ny sedra satria tsy mbola nifampatoky. Niravona izany rehefa niasa tany matetika ny ekipa ary nisy fokonolona niasa tao amin’ny fikambanana.

Ny fitadiavana famantsiam-bola hampandehana ireo tanjon’ny fikambanana ihany koa dia tena sedra lehibe. Fikambanana gasy sy kely ny Mikajy Natiora ka tsy fantatry ny mpamatsy vola raha mihoatra amin’ny fikambanana izay efa manana ny lazany. Na aza dia tsy kivy fa miroso hatrany ary mibanjina ireo tanjona sy vina.

Dr Sylviane Volampeno nizara ny asan’ny Mikajy Natiora nandritra ny IPS 2023 tany Malaisie, Kuching

3- Inona avy ireo hetsika natao nanamarika ny fankalazana?

  • Nisy fandaharana tamin’ny onja-peo tao Antsohihy.
  • Tamin’ny fanokafana ny fankalazana dia maharitra 2 andro ny fankalazana izay natao tao amin’ny fokontany Mahitsihazo. Ny andro voalaohany dia fandraisana ireo olona avy lavitra sy fanentanana momban’ny tontolo iainana (radio crochet). Tamin’ny andro faharoa dia nisy carnaval (be dia be ny mpandray anjara), fanehoana rindra-kira sy dihy nataon’ny fokonolona sy fikambanana misy tao an-tanana. Niisa 20 ny mpandray anjara.  Nisy kilalao mahaliana nifaninan’ireo 5 fokontany manodidina ary nisy fiaraha-misakafo.
  • Nisy lalao baolina kitra lahy sy vavy
  • nisy T-Shirt faha 10 taona miisa 300 natonta izay nozaraina tamin’ny mpiara- miasa akaiky. Anisany mahazo tamin’izany ny Ministran’ny tontolo iaianana sy ny fampandrosoana lovain-jafy, Gouverneur faritra Sofia, ny DREDD Sofia.
  • Nandeha tamin’ny vaovaon’ny TVM ny fankalazana ny faha 10 taona. Teo ambany fahefan’ny DREDD Sofia, Chef Cantonnement Antsohihy sy Analalava, ny Ben’ny tanana Maromandia, Solontenan’ny DREN Sofia sy CISCO Analalava, Chef Zap, ny filohan’ny fokontany Mahitsihazo, izay notronon’ny mpampianatra maro sy fokonolona an-jatony mahery.

Marihina fa mbola hitohy hatramin’ny faran’ny taona 2023 ny hetsika fankalazana.

10 taona ny Mikajy Natiora, inona no hafatra ho an ireo mikasa hanorina ny fikambanana ka hiady ho an’izany asa fiarovana izany?

Tsara ny manana eritreritra hanangana fikambanana  momban’ny tontolo iaianana satria mbola betsaka ny tokony hatao.

Izao ny lesona:

Tsara fantarina sy tokony mazava aty ampiandohana ny tanjona sy ny vinan’ny fikambanana, iza avy ny ekipa ary inona ny andraikiny tsara mazava ireo. Tsara raha misy olona manana trakefa amin’ny tanjona tian’ny fikambanana ahatongavana ny mpikambana. ary farany ahoana sy aiza ny ahitana vola hamatsiana ny tetik’asan’ny fikambanana.

Tadidio fa : mila fikirizana sy fahafoizan-tena. Mila manana ekipa azo atokisana sy mahatoky. Mila mahay mifandray amin’ny olona (amin’ny olona ifotony na ny mpahazo tombotsoa, amin’ny samy mpiara-miasa ao ananatin’ny fikambanana, amin’ny samy fikambanana, amin’ny mpiara omban’antoka, amin’ny mpitondra) ary mila mahay mizara sy  mampahafantatra ny zava-bita. Mila mahafehy teny vahiny.

Nahafinaritra ny fihaonana tany Kuching, Malaisie. Eo amin’ny sary Dr Sylviane Volampeno sy Dr Seheno Andriantsaralaza-Corduant, avy ao amin’ny LCN

5- Hafatra hafa?

Ny fiarovana ny tontolo iainana dia toy ny fisotroana rano amin’ny tanana ka tsy vitan’ny tanana iray. Izany hoe ilaina ny fiaraha-miasa. Matoa tonga amin’izao toerana izao dia nisy ny mpanohana sy ny mpiara-miasa. Fisaorana lehibe no atolotra azy ireo arakan’ny ambaratonga misy azy. Isaorana ihany koa ny fokonolona ifotony izay nahatoky.

Mitaky faharetana ny asa fiarovana koa dia mamporisika sy mankahery hatrany ny mpikambanana rehetra ato amin’ny Mikajy Natiora