Main Menu

ONG DIARI: fikambanana miasa ho an’ny fanampiana ny mponina sy ny fiarovana ny varika any Manjakandriana

“Raharaha ny Malagasy rehetra, ny olona rehetra ny asa fiarovana ny harena voajanahary”. Raha lazaina saika isan’andro hoe 98 % an’ireo varika no ahiana ho lany tamingana dia mipetraka ny fanontaniana hoe raharaha an’iza tokoa moa no hiantoka ny fiarovana azy ireo. Iza no tompon’andraikitra amin’izany asa izany? Betsaka ny valinteny azo omena fa saingy mahavelom-bolo sy mampisy fanantenana ny fahafantarana fa misy ireo olon-tsotra maniry sy mikendry hitondra ny anjaram-birikiny amin’ny fiarovana ny harena voajanahary. Tafaresaka tamin’i Mme Hasina Ranoelison izahay, izy dia filoha mpanorina ny ONG DIARI. Araho eto ireo tanjona sy asan’ny ONG DIARI ho an’ny fiarovana ny varika sy fanohanana ny mponina.

Alan’ny Manjankandriana. Sary: ONG DIARI

Teny fampidirana

Betsaka tokoa ny valinteny azo omena rehefa hanontaniana isika hoe iza no tokony handray andraikitra hiaro ny varika! fa saingy mahavelom-bolo sy mampisy fanantenana ny fahafantarana fa misy ireo olon-tsotra maniry sy mikendry hitondra ny anjaram-birikiny amin’ny fiarovana ny harena voajanahary.

Izany indrindra no anisan’ny antom-pisian’ny ONG DIARI. Ary satria ny fanafoanana ny fahantrana eto Madagasikara no anisan’ny tena paik’ady lehibe ahafahana miaro ny harena ara-boajanahary, ny ONG DIARI dia mametraka ny fampihenana sy fanafoanana ny fahantrana eny amin’ny faritra iadidiana ho fanamby lehibe.

 

Tamin’ny taona 2016 no nitsangana ny ONG DIARI ary i Hasina Ranoelison no filoha mpanorina ny fikambanana.

Tanjona sy asan’ny fikambanana

Ireto avy ny tanjon’ny fikambanana ONG DIARI:

  • Miasa ho an’ ny tetik’asa fampandrosoana ara-tsosialy, toekarena ary kolontsaina manerana an’i Madagasikara.
  •  Mandray anjara amin’ny fanatsarana sy fiarovana ny zavamananaina sy/na ny tontolo iainana ary koa ny tontolo iainan’ny mponina monina ao amin’ny faritra midadasika sy ny manodidina.
  •   Manentana ho an’ny fanabeazana ankapobeny sy ara-tontolo iainana ho an’ny olona marefo rehetra mba hampihenana ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra an’ireo olona eny amin’ny toerana hiadidiana
  • Mampiroborobo ny fanatsarana ny fahasalamana (tazomoka, aretim-pivalanana, SIDA, tsy fanjarian-tsakafo sns) ny mponina marefo manerana an’i Madagasikara.

Tanin-janakazo. Sary: ONG DIARI

Ireo asa ireo no ahafahan’ny ONG DIARI hanampy ny mponina hiala amin’ny fahantrana sy hiaro ny varika sy ny ala fonenany. Mba hanatrarana ny tanjony, ny ONG dia maniry amin’ny fandraisan’anjaran’ny mpandray anjara mavitrika rehetra toy ny kaominina ambanivohitra sy an-tanàn-dehibe, ny sehatra tsy miankina, ny sampan-draharaham-panjakana voakasika, ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka.

Toerana hiasan’ny fikambanana

Any amin’ny distrikan’ny Manjakandriana, Kaominina Merikanjaka no toerana tena hiasan’ny ONG DIARI. Hatreto dia fokontany efatra no nisian’ireo asa fanentanana ny fanohanana ny mponina: Miarinarivo, Bemasoandro, Fahalefika, Ambodrasolo, Analamanga, Tsarahonenana. Sekoly ambaratonga voalohany efatra kosa no hanaovan’izy ireo ny fanentanana ny fanabeazana ankapobeny sy ara-tontolo iainana.

Asa fambolen-kazo any amin’ny tanan-janakazo miaraka amin’ireo mponina eny ifotony. Sary: ONG DIARI

Asa sy hetsika

Hatramin’ny niforanan’ny fikambanana dia maro ny hetsika natao:

Fanentanana sy fambolen-kazo

Tamin’ny 2017, nisy ny hetsika fanentanana ny tontolo iainana tao amin’ny fokontany Fahalefika, Manjakandriana sy ny fambolen-kazo iray metatra vitsivitsy ao Ravintsara taorian’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny ala voajanahary.

Ny tanjona dia ny hampihenana ny fanapahana tsy voafehy ny harena voajanahary sy hanatsarana ny fahalalan’ny mponina amin’ny tontolo iainana. Ankehitriny ny taham-pahombiazan’ny fambolena dia 97%.

Manoloana izany dia nisy ny fanadihadiana kely natao tamin’ireo mponina manodidina ary vonona ny hanolo-tena amin’ny tetikasa mitovy amin’izany ny mponina. Torak’izany ihany koa ny fankatoavan’ny tompon’andraikitra mahefa (ben’ny tanàna, lehiben’ny fokontany) momba ity tetikasa ity.

Fanabeazana ara-pananahana

Nandritra ny taona 2019 sy 2020, nanoriana tetikasa ara-pahasalamana miompana amin’ny fanabeazana ara-pananahana no natao tany amin’ny faritra Moramanga ny fikambanana. Ny tanjona ny hanatsarana ny fahalalan’ny tanora sy ny vehivavy momba ny fananahana ary ny fanaovana “échographie” ho an’ny vehivavy bevohoka mba hahafahan’izy ireo manomana ara-nofo sy ara-moraly amin’ny fiterahana.

Fanabeazana ankapobeny : fampianarana mamaky teny sy manoratra

Tamin’ny taona 2021,  nampiroborobo ny tetikasam-panabeazana any Miarinarivo ny ONG DIARI, ka ny fampiakarana ny tahan’ny fahaizana mamaky teny sy manoratra any an-toerana no tena tanjona. Nosinganina manokana ireo tsy manana fahafahana ara-bola mianatra hahay mamaky teny sy manoratra.

Tsindry mahazo ny varika

Hoy I Mme Hasina “Miasa manodidina ny faritra arovana izahay. Misy toerana anefa mbola tsy voaharo izay efa tena potika hatraminy 90% ny ala sy ny zavamanan’aina ao anatiny. Izany indrindra no maha zava-dehibe ny fanentanana ataonay” . Raha ny fahalalako azy dia mbola vitsy dia vitsy ny fikarohana natao any amin’io faritra io.

Anisan’ny tsindry lehibe ny fihazana varika, satria misy ireo olona mitondra varika mody an-tanàna ka entiny ataony sakafo izany.

Fanentanana eny an-tsekoly amin’ny fiarovana ny ala sy ny varika. Sary: ONG DIARI

Asa ho avy: Fanentanana ho an’ny fiarovana ny varika

Anisan’ny asa iray tena zava-dehibe ataon’ny fikambanana ny fanentanana ho an’ny fiarovana ny varika. Amin’ireo fonkontany enina ireo ary hanomboka tsy ho ela ny any aminy sekoly.

Tanjona

Hampahafantatra ny mponina manodidina ny ala, ny zavaboary sy ny tontolony, ny tombotsoa azo avy aminy, ny vokadratsy ny fahasimbany, ary ny hampihena ny fanimbana tsy ara-drariny ny ala sy ny doro-tanety.

Fahazarana tiana hiova

 Fandripahana ala tsy ara-drariny, Fanajana ny tontolo iainana, tsy mandoro tanety, tsy fanarina fako plastika eny rehetra eny ary mampianatra ny olona hifanentana aminy fiarovana ny tontolo iainana, ireo no fahazarana tiana hiova. Olon-dehibe sy ny ankizy eny an-tsekoly no ho voakasika ny fanentanana. Maherin’ny 500 ny olona sy ankizy tokony hahazo ny fanentanana.

Teny Famaranana

Raharahan’ny Malagasy rehetra tokoa ny asa fiarovana ny varika. Miandry ny fandraisana andraikitra avy amin’ireo sokajina fikambanana maro samihafa toy ny ONG DIARI.

Maniry indrindra fiaraha-miasa, fanohanana avy amin’ireo fikambanana sy mpiara-miombon’antoka izy ireo mba ahatratrana ny tanjona sy paik’ady hiadiana amin’ny fahantrana sy hiarovana ny harena ara-boajanahary toy ny varika.

Raha maniry hahalala bebe kokoa momban’ny fikambanana, tsidiho ny tranon-kala :  https://ongdiari.wordpress.com/