Main Menu

Ny momban’ny Lemur Conservation Network

Ny momban'ny Lemur Conservation Network

Resy lahatra izahay fa ho avotra amin’ny faharinganana ny varika rafa miara-miasa isika rehetra

Ny Lemur Conservation Network dia manome sehatra ho an’ny fitiavana sy ny aingam-panahy, ny fanabeazana, ny fifanohanana ary ny fiaraha-miasa ho an’ny fiarovana ny varika, ho antsika Malagasy ary ho an’ireo mpankafy varika mba hiaina tsara sy ho voaaro tsara ireo karazana harena voajanahary eto hihatsaran’ny voahary eto Madagasikara.

Mametraka tambajotra iraisan’ny fikambanana misehatra amin’ny fiarovana, izay miisa 60 mahery izahay. Manentana ho an’ny fiarovana ny varika  ary mampiely ny asa ataon’ireo mpikambana hanavotana ireo varika izahay. Manohana sy mampiely ny dihin’ny varika maneran-tany, mamorona fitaovana entina hanabeazana ary misarika ny olon-drehetra manerana izao tontolo izao hitia ny varika ihany koa izahay. Manentana ireo mpankafy varika izahay mba hanampy ireo biby ireo amin’ny alalan’ny fianarana ny mombamomba azy, ny fitsidihana an’i Madagasikara ary ny fanohanana ny asa fiarovana amin’ny fizarana sy fifampizarana, fanohanana ara-bola ary ny filatsahana an-tsitrapo.   

IREO MPIKAMBANA

Fantaro ny mombamomba ireo fikambanana miaro ny tontolo iainana, ireo vondrona mpikaroka ary ireo fahim-bibidia izay miasa hiarovana ny varika tsy ho lany tamingana. Jereo eto ny lisitra feno misy ireo mpikambana amin’ny tambajotra na jereo eo ambany ny pejin’izy ireo.

IMG_8008
unnamed (3)
unnamed (4)

Midira ho mpikambana

Ireo fikambanana mpiaro ny tontolo iainana rehetra miasa eto Madagasikara na any ivelany dia afaka miditra ho mpikambana ato amin’ny  Lemur Conservation Network avokoa. Izahay dia tsy maka lela vola avy  amin’ny fanampiana ara-bola izay azo ary maimaimpoana ny fidirana ho mpikambana. 

Raha te-hiditra mpikambana