Main Menu

Torolalana ho an’ny fankalazana

Marobe ireo hetsika azo atao hankalazana ny andron’ny varika na ny dihin’ny varika maneran-tany. Misy ny hetsika lehibe izay iarahana amin’ireo fikambanana sy ny Ministeran’ny tontolo iainana sy fampandrosoana Lovainjafy any Maromizaha, fa ny tsirairay dia afaka manantanteraka hetsika sy fankalazana ihany koa.

Ireto misy hevitra vitsy zaraina ho an’ireo fikambanana na olon-tsotra maniry hanantanteraka izany.

Tsidio ihany koa ny pejin’ny LCN amin’ny teny Anglisy fa maro ny torolalana zaraina ao.

Sary nataon’i Jessie Kwok


Ho an’ireo fikambanana na ONG

  • Manaova hetsika iray lehibe miaraka amin’ireo mpiara-miasa, mpiara-miombon’antoka any amin’ireo toerana eny ifotony izay hiasan’ny fikambanana. Misy fitaovana maro azo ampiasaina entina manantanteraka ny fanantenana, tsidio ny pejin’ny LCN momba izany eto.
  • Zarao amin’ny tambazotra sosialy, mailaka na fomba hafa ny momban’ny fanakalazana ny dihin’ny varika na ny andron’ny varika eto Madagasikara sy maneran-tany. Tsara kokoa raha alefa farahafantarany 3 herinandro mialohan’ny fotoana izany.
  • Raha maniry hanao fanentanana amin’ny tambazotra sosialy.
    • Manaova horonan-tsary Facebook Live mitohy maromaro mikasika ny asa tanterahinareo, na mikasika ny varika sy i Madagasikara amin’ny ankapobeny. 
    • Zarao ho fantatrin’ny mpanaraka ireo karazana varika hisan’ny fikambanana. Omeo sehatra manokana ireo karazanà varika voakasiky ny asan’ny fikambanana na ireo hita any amin’ny faritra misy ny fikambanana.
    • Fanontaniana sy Valiny (Q&A) ao amin’ny Facebook, Twitter na Instagram.  Anontanio mialoha ny mpanaraka anareo ireo fanontaniana manitikitika azy, ary valio tsikelikely mandritra ny herinandro izany. 
  • Raha maniry hanao seminera na resa-dresaka. Azo atao ny miara-miasa amin’ireo fikambanana hafa mba ahafahana mikarakara seminera an-tserasera ho an’ny Mpikaroka Malagasy.

Ho an’ny Olon-tsotra

Anisan’ny fanentanana ataonay matetika eto amin’ny LCN fa tena ilaina ny fiaraha-mientan’ny olona rehetra satria raharaha hikambanana ny fiarovan’ny varika. Ho an’ireo olona maniry hanantanteraka hetsika mivantana na virtoaly, ireto no torolalana vitsy omena mahakasika ny fankalazana:

  • Fizarana eny amin’ny tambazotra sosialy. Zarao ny sarina varika anananao ka tantarao ny zavatra nanamarika anao tamin’ny fotoana nangalana ny sary. Misy ny toro-lalana manokana momban’ny fiazarana ny sary, azo jerena eto. Ny tena zava-dehibe dia manaraka ireto toro-marika ireto  rehefa mizara sarina varika:
    • Varika tsy eny an-tsandrin’ny olona na eny an-tsandrinao izay maka sary (selfie) fa tokony varika lavitra eo amin’ny 5 metatra eo ho eo
    • Varika tsy misy olona mitazona na tazomin’ilay naka sary ny tanany.
    • Varika tsy mifatotra na sendra hita tany anaty hotely na toerana fonenan’ny olona (voararà ny lalàna Malagasy ny fitazomana ireny varika ireny ho biby fiompy toy izany)
    • Arahina fanazavana fohy ny sary avaoka toy ny toerana nangalana ny sary (ala na fahim-bibidia antsoina hoe “zoos”), ny tompon’ny sary, sy ny zavatra hafa manazava ilay sary.
  • Manaova fanentanana fohy ho an’ireo namana na ireo mpiara-miasa na mpiara-monina mandritran’ny andro fankalazana ny dihin’ny varika, ny zoma faha 27 Oktobra 2023.

Ho an’ny Mpanabe na Mpampianatra

Marobe ny hetsika afaka karakarain’ny mpanabe na ny mpampianatra an-dakilasy.

  • Mampiseho horonan-tsary momban’ny varika na momban’ny fanaovana kisary varika
  • Manao kisary sy loko momban’ny varika sy Madagasikara
  • Miaraka manao fanentanana an-dakilasy ka mangataka fotoana manokana hanaovana fanentanana ireo ankizy mpianatra eny an-dakilasy.

Ho avy tsy ho ela ny toro-lalana hafa