Main Menu

Andro natokana ho an’ny varika sy Dihin’ny varika maneran-tany

Andro natokana ho fankalazana ny Varika: Zoma 27 Oktobra 2023

Hankalazaina isan-taona isakin’ny zoma faran’ny volan Oktobra ny andro natokana ho an’ny varika na ny dihin’ny varika maneran-tany. Maro ny hetsika sy fanentanana atao maneran-tany mandritran’ny herinandro mialoha na aorian’io andro fankalazana io.

Hankalaza ny andro nasionaly natokana ho an’ny varika ihany koa isika eto Madagasikara ny Zoma faha 27 Oktobra 2023.

Lohahevitra eto Madagasikara

Indro ny lohahevitra entina mankalaza ny andron’ny varika amin’ity taona 2023 ity:

Ny Varika: Lova sarobidy tsy manam-paharoa, Ndao hiara-hientana isika hiaro azy ireo.

Miara-miasa amin’ireo mpiara-mombon’antoka maro izahay amin’ny fanentanana  amin’ny fampahafantarana ny varika eo amin’ny tambazotra sosialy.

Zavatra tsara ho fantatra sy fitaovana entina mankalaza

Ireto avy ny zavatra tsara ho fantatra sy ny fitaovana atolotray LCN ho fanampiana anao amin’ny fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany:

Andefaso mailaka izahay raha toa manana fandaharam-potoana amin’ny fankalazana ianao sy ny fikambanana misy anao ary alefaso aminay izay rohy sy fitaovana na sary rehetra tokony asehoanay hampielezana ny hetsika kasaina atao.

Ny tantara niandohan’ny Fankalazana ny Dihin’ny Varika Maneran-tany

Mpanakanto nasaina manokana mandritra ny fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany taona 2015. sary : © Mikajy natiora

Ny fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany voalohany dia notanterahina tamin’ny taona 2014, ary i Pr Jonah Ratsimbazafy avy amin’ny GERP Madagascar, anisan’ny mpitarika fantan-daza momba ny fiarovana sy ny fikarohana momba ny varika no niandohan’izany hevitra fankalazana izany.  Taorian’izay dia tapaka fa ho tanterahina isan-taona ny fankalazana.

Ny fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany dia fotoana iray miavaka hanaovana fanentanana momba ny maha zava-dehibe ny varika ho an’i Madagasikara amin’ny maha harena sy lova azy, ary ny mpikaroka sy ny olona rehetra no tiana entanina mandritra izany fotoana izany.  Io fotoana io ihany koa no hampatsiahivana ny Malagasy fa harenany ny varika, mampiroborobo ny toekarena amin’ny alalan’ny fizahan-tany ka tokony arovana fatratra.

FITAOVANA AZO AMPIASAINA AMIN’NY ANDRO FANKALAZANA NY VARIKA

unnamed (22)
unnamed (23)
unnamed (24)