Torolalana ho an’ny fankalazana virtoaly na tsy mivantana

Noho ny fisian’ny valan’aretina Covid-19, dia iaraha-mahalala fa sarotra ny mikarakara hetsika mivantana! Ireto ary misy soso-kevitra hetsika tsy mivantana na virtoaly maromaro sy fomba tsotra hafa ahafahana mankalaza ny Dihin’ny Varika Maneran-tany na amin’izao fotoan-tsarotra izao aza. 

Jereo eto ny daty sy ny toerana misy ny fankalazana maneran-tany

Soso-kevitra amin’ireo hetsika tsy mivantana na virtoaly

  • Andianà horonan-tsary Facebook Live. Manaova horonan-tsary Facebook Live mitohy maromaro mikasika ny asa tanterahinareo, na mikasika ny varika sy i Madagasikara amin’ny ankapobeny. 
  • Fanasongadinana karazana varika iray isan’andro ao anaty tambazotra sosialy. Omeo sehatra manokana ireo karazanà varika voakasiky ny asan’ny fikambanana na ireo hita any amin’ny faritra misy ny fikambanana.
  • Fikarakarana seminera an-tserasera ao amin’ny alalan’ny Zoom. Azo atao ny miara-miasa amin’ireo fikambanana hafa mba ahafahana mikarakara seminera an-tserasera ho an’ny Mpikaroka Malagasy.
  • Fanontaniana sy Valiny (Q&A) ao amin’ny Facebook, Twitter na Instagram.  Anontanio mialoha ny mpanaraka anareo ireo fanontaniana manitikitika azy, ary valio tsikelikely mandritra ny herinandro izany. 

Raha maniry hanatanteraka “Live na hetsika tsy mivantana ianareo”, mandefasa mailaka aty aminay (nradavidrason@gmail.com na sehenocorduant.lemurnetwork@gmail.com)  fa ho ampidirinay ao amin’ny lisitr’ireo daty sy toerana misy ny fankalazana izany.

Fitaovana ho fanabeazana

Boky firaketana hitsidihana an’i Madagasikara

Asaina mitsidika faritra telo izay ahitana ireo karazanà varika manamarika ny Fankalazana ny Dihin’ny Varika Maneran-tany 2020 ny mpianatra na ireo ankizy mandray anjara amin’ny fankalazana. Ireo karazana varika moa dia ny Varikay (Eulemur collaris), ny Simpona (Propithecus diadema) ary ny Sifaka na Tsibahaka (Propithecus coronatus).

Ny faritra tsirairay amin’izany dia manana pejy iray izay takelaka fampahalalana mba hianarana mikasika ireo karazanà varika ireo, ary manana asa na hetsika iray azo tanterahina ihany koa. Samy asaina manoratra mikasika izay nianarany ao amin’ny boky firaketana ny ankizy tsirairay. 

» Alaivo eto ny boky firaketana hilalaovana 
» Alaivo eto ny torolalana amin’ny teny fampiasana io boky firaketana io

Lemur Ethogram

Ity fitaovana iray ity dia manampy ny mpianatra sy ny ankizy hijery ireo varika any amin’ny fahi-bibidia (zoos) na any anaty ala. Raiso an-tsoratra ao anatin’ny fisy atao hoe “ethogram” ny fomba fiainan’ireo varika, ny fihetsiny ary ny fombafombany. Io no entin’ireo mpikaroka hijerena sy handinihina ny fomba fiainan’ireo karazana biby.

» Alaivo eto ny fitaovana entina manao ny ethogram 

Boky fandokoana sy fianarana amin’ny teny Malagasy sy Anglisy avy amin’ny PICC Madagascar

Ity boky ahitana pejy miisa 40 ity dia misy sary natao holokoina sy lalao fianarana amin’ny teny Malagasy sy Anglisy, ao anatin’izany ny fikarohana teny, ny lalao fampifandraisana teny, ny fampianarana ny voambolana, ary ny tantaran’i Madagasikara sy ny Malagasy ary ny varika.

» Alaivo eto ny sarisary novokarin’ny PICC

Bokin’ny tetikasa AKO sy loharano hafa avy amin’ny Lemur Conservation Foundation (LCF)

Ny bokin’ny tetikasa AKO  dia hita amin’ny teny Anglisy sy Malagasy. Ny mpampianatra dia afaka maka ny boky sy ny afisy ao amin’ny tranonkalan’ny Lemur Conservation Foundation. Ankoatr’izay, ny LCF dia manana andianà afisy azo alaina miisa enina mikasika ny fonenan’ny varika, sy drafitra lesona maimaimpoana ho an’ireo tanora izay antsoina hoe : « Animal Fact or Fiction ». 

» Raha te-hahalala bebe kokoa momba ny tetikasa AKO
» Ireo fitaovana fanabeazana vokarin’ny LCF

Ndeha hiara-hientana ho an’ny varika: hianatra, hizara ary handray andraikitra miaraka!