Main Menu

Ndeha hifanampy ho fiatrehana ny vokatry ny valan’aretina Covid-19

Ahitana fiantraikany amin’ny ekonomia sy ny fomba fiaina maneran-tany ny valan’aretina COVID-19, ary voakasik’izany manokana i Madagasikara.  Anisan’ireo firenena mahantra mantsy i Madagasikara, ary manodidina ny 75%-n’ny mponina ao aminy dia miaina amin’ny vola latsaky ny dimy arivo isan’andro. Izany dia mitarika amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ary manasarotra ny fiatrehana ny krizy ara-toekarena toy izao.  Koa satria ny fizahan-tany dia iray amin’ireo indostria lehibe iankinan’ny toe-karenan’ i Madagasikara, ny tsy fisian’ny mpizahan-tany sy ny mpikaroka dia mitarika fahasahiranana lehibe ary manimba ny toe-karen’ny firenena.

Hoy i Dr. Seheno Corduant-Andriantsaralaza, mpandrindra ny Lemur Conservation Network eto Madagasikara : « Ny valan’aretina COVID-19 dia miteraka fahasahirana amin’ny vahoaka Malagasy amin’ny lafiny roa.  Ny tsy fisian’ny mpizahan-tany dia misy fiantraikany mivantana amin’ny asa sy ny toe-karena, izay miteraka fahaverezan’asa ho an’ny Malagasy mihoatry ny 44 000.  Ary koa, noho ny fihibohana dia maro ireo olona tsy afaka mivoaka mitady sakafo ho an’ny ankohonany.  Ho an’ny ankamaroan’ny Malagasy ankehitriny dia ny hohanina androany no tadiavina androany. »

Fomba ahafahanao manampy ny Malagasy namana sy ireo harena ara-voajanahary amin’izao krizin’ny COVID-19 izao

Noho izany fahasahiranana lehibe manjady amin’ i Madagasikara izany dia maro ny olona maneran-tany no mikarakara fomba hanohanana ny Malagasy manerana an’i Madagasikara.

Ireto misy fomba vitsivitsy azonao anampiana mivantana, manomboka amin’ny fanampiana nasionaly ary avy eo mizara amin’ny fanampiana ny faritra samihafa manerana ny nosy.

 NASIONALY

Fanampiana ny « tour guide »

Brett Massoud avy ao amin’ny Sainte Luce Reserve sy Dadamanga Travel  dia mandrindra ny fanohanana ireo mpitari-dalana manerana an’i Madagasikara. 

Fianarana fizahan-tany

Madagascar Specialist Daniel Austin dia miara-miasa amin’ireo « tour operators » any UK sy ireo vondrom-pikambanana manantanteraka ny  » tour guide » eto Madagasikara. Ireo mpiara-miasa dia misy ny ZaTours Madagascar, Rainbow Tours, Asisten Travel, Eyos Expeditions, Bradt Guides, ary ny Anglo-Malagasy Society. Local operator Za Tours  dia hizara famatsiana mitentina 400,000 Ariary grants ho an’ireo fianakaviana tena sahirana. Ireo guides sy ireo miasa ho an’ny fizahan-tany ihany koa dia afaka mahazo izany.

Fanampiana ireo mpianatra momba ny fizahan-tany

Halt Poverty dia manome fanohanana ara-bola ho an’ny mpianatra momba ny fizahan-tany manerana an’i Madagasikara izay misedra fahasahiranana noho ny COVID-19.

NOSY KELY

Nosy Komba

Ny Project Komba dia mikarakara fanohanana amin’ny alàlan’ny Madagascar Research and Conservation Institute. Ny famatsiana azo amin’izany dia entina anampiana ireo fianakaviana ao Nosy Komba ahafahan’ireto farany mividy sakafo sy zavatra tena ilaina amin’ny andavan’andro hafa, amin’ny alalan’ny fanomezana fanampiana ara-bola ireo tokantrano 65 mandritra ny efa-bolana, ary ahafahan’izy ireo mividy vary ihany koa amin’ny ho avy.

AVARATRA ATSINANANA

Valan-javaboahary Masoala

Masoala Forest Lodge dia mizara fonosana vary sy tsaram-bary hafa ho an’ny vondrom-piaraha-monina ao amin’ny faritry ny valan-javaboary Masoala.  Ankoatr’izay dia atao hamoronana asa ho an’ireo vondrom-piaraha-monina ireo ihany koa ny famatsiana, amin’ny famitana ireo tetikasa ao amin’ny faritry ny valan-javaboary, toy ny fanadiovana ny tahirin-dranomasina sy ny lalana anaty ala ary ny fanomezana asa ny fikambanan’ny vehivavy ao amin’ny tanàna manodidina.

 ATSINANANA

Andasibe

Lemur Love dia nanantanteraka hetsika fanangom-bola maromaro ho an’ny vondron’olona ao Andasibe, toy ny fanaovana lavanty asa an-tanana vao tsy ela akory, izay nanangonana $1,400 ary nahafahana nanome sakafo fianakaviana 70 ao Andasibe mandritra ny iray volana.  Fantaro bebe kokoa ny momba izany programa fanohanana mandritra ny COVID izany.

Money for Madagascar dia fikambanana miorina any UK miara-miasa ao amin’ny Association Mitsinjo mba hanohanana ny vondrom-piaraha-monina ao Andasibe.  Rehefa manome fanohanana na mividy entana ao aminy ianao dia afaka misafidy ny handefa izany ho ny fanampiana manokana mandritra ny COVID-19.

ATSINANANA

Ranomafana

Centre ValBio dia miara-miasa amin’ny Fikambanan’ny mpitari-dalana ao Ranofamana amin’ny fizarana sakafo sy kojakoja isam-bolana ho an’ny mpitari-dalana sy ny fianakaviany ao amin’ireo tanàna manodidina ny tobim-pikarohana sy ny valan-javaboaharin’i Ranomafana.  Ankoatr’izay, mikarakara virtual wildlife tours miaraka amin’ireo mpitari-dalana any an-toerana ireo ihany koa izy ireo mba hampitomboana ny fanohanana mandritra izao krizin’ny COVID-19 izao.

ATSINANANA

Kianjavato

Ny fanomezana ho an’ny  Conservation Fusion dia entina manohana ny asan’ireo vehivavy mpanamboatra aron-tava ho an’ny vondrom-piaraha-monina ao Kianjavato.  Conservation Fusion sy Madagascar Biodiversity Partnership dia efa niara-niasa tamin’ny vondrom-piaraha-monina tao Kianjavato nandritra ny taona maro, ary mbola manohy ny fanohanana azy ireo mandritra ny krizin’ny COVID.

ATSIMO ATSINANANA

Fort Dauphin

dia manohana ny vondrom-piaraha-monina akaikin’ny Fort Dauphin sy manerana an’i Madagasikara.  Izy ireo dia mamorona fitaovana enti-mampianatra momba ny fisorohana ny COVID amin’ny fiteny malagasy ho an’ny tambanjotra sosialy, ny radio, ny peta-drindrina sy ny maro hafa.  Ankoatr’izay dia mizara aron-tava amin’ireo dokotera eo an-toerana, ny mpitsabo mpanampy, ny mpiasa ho an’ny vondron’olona, ny manam-pahefana , ary ny marary ao amin’ireo ny toeram-pitsaboana eo an-toerana izy ireo. Nanangana tobim-panasana tanana ho an’ny daholobe ihany koa izy ireo. Tsidiho eto raha te hahalala bebe kokoa momba ny ezaka fanampiana ataony mandritra ny krizin’ny COVID.

ATSIMO ANDREFANA

Tanàna akaikin’ny Valan-javaboaharin’i Tsimanampesotse, ary Mangily (akaikin’ny Lemur Rescue Center)

Lemur Love dia nanome fanampiana ara-bola an’ireo vohitra tena lavitra manodidina  ny valan-javaboarin’i Tsimanampesotse.  Efoetse no tena lavitra indrindra amin’izany, ary sarotra ho an’ny mponina any ny misitraka fanampiana amin’izao fihibohana izao.  Ankoatr’izay, manome saram-pianarana sy fanampiana hafa ho an’ny mpianatra ao amin’ny sekoly La Marmaille any Mangily ihany koa izy ireo, izay ahafahan’ny mpampianatra mitazona ny asany sy ny mpianatra mijanona an-tsekoly. Tsidiho eto hahalalana bebe kokoa ny momba izany tetikasa fanohanana mandritra ny COVID ataon’ny Lemur Love izany.

Hoy i Dr Marni LaFleur ao amin’ny Lemur Love : « Noho ny tsy fisian’ny mpizahan-tany dia maro amin’ny toe-karena eto an-toerana no nirodana tanteraka.  Aty atsimo koa dia misy haintany mahery;  tamin’ity taona ity no nahatsapana tahan’ orana ambany indrindra hatramin’ny taona 2008 raha ny voaraiko. Ankoatra izany, noho ny fihibohana dia tsy voatatitra ny entana.  Tsy afaka mahazo sakafo sy entana fototra hafa toy ny savony ny  mponina. »

ANDREFANA

Makay

dia ONG frantsay mitantana ny Faritra Arovan’ i Makay.  Manangona vola hanohanana ny vondron’olona ao amin’ny faritr’i Makay izy ireo mba hanonerana ny fahaverezan’asa aterky ny fanajanonana ny fizahan-tany noho ny COVID-19.  Nanantitrantitra izy ireo fa ny tsy fahampian-tsakafo dia mampitombo ny doro tanety sy ny fihazana.  Mety hanimba ny alan’i Makay izany ary hahafaty ireo varika ao aminy raha tsy mirotsaka manampy isika.

ANDREFANA

Betampona sy Malaky

Money for Madagascardia fikambanana miorina any UK miara-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka any amin’ny faritra andrefan’i Madagasikara. Rehefa manome fanohanana na mividy entana ao aminy ianao dia afaka misafidy ny handefa izany ho ny fanampiana manokana mandritra ny COVID-19. Fantaro bebe kokoa ny momba ny fanampiana ataon’izy ireo anatin’ny krizin’ny COVID-19.

AVARATRA ANDREFANA

Valan-javaboahary Ankarafantsika

Planet Madagascar dia manao hetsika fanangonam-bola entina mamatsy ny mpiasan’ny tetikasan’izy ireo amin’ny fitaovana toy ny savony sy ny fiarovana manokana (oh : aro-vava) mba hahafahan’izy ireo manohy ny tetikasa ao any amin’ny Valan-javaboary Ankarafantsika, izay hiarahan’izy ireo miasa amin’ny mponina eo an-toerana mba hanorenana ala maharitra ho an’ny vondrom-piarahamonina.  Ny fitazonana ny fitohizan’ny asa ao amin’ny faritra dia zava-dehibe tokoa amin’ny fiainan-tsoan’ ny valan-javaboary sy ireo vondron’olona tohanana.