Main Menu

Tag Archives | fitsidihana toerana

Tetezana miditra ao amin’ny Saha Forest Camp, credit Lynne Venart

Fitsidihana ny alan’Anjozorobe : ahitana Varika tsy lavitra an’Antananarivo

Raha toa ka manana fotoana ianao ka manodidina an’ Antananarivo, dia tongava mitsidika ny Faritra arovana ao Anjozorobe, izay adiny roa sy sasany monja miala ny renivohitra raha mandeha fiara. Ny ala-javaboahary arovana na alan’Anjozorobe dia fonenan’ny karazam-borona 82 sy karazana varika 11. Mitovitovy amin’ny hita any Andasibe-Mantadia ny karazana varika hita ao, fa ny […]

Continue Reading
IMG_20211106_170655

Alan’i Makira: tontolo maitso mavana, voahary mirakitra harena

Fitsidihan-toerana, fitiavana nitsiry hatramin’ny fahazaza Nandranto fianarana momban’ny “primatologie” izay ianarana manokana momban’ireo primaty toy ny varika i Naina teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, Fakiolten’ny siansa.  “Efa fony kely aho no tia zava-boahary ary tao Tsimbazaza no nahitako varika voalohany tamin’izaho 9 taona” hoy i Naina. Nanomboka liana tamin’ireo varika ireo izy nanomboka teo ary te hahafantara […]

Continue Reading
IMG_1119-1

Ny faritra arovana ao Loky-Manambato, Daraina sy ireo harena ao aminy

Ny momba ahy ve? Vololonirina Faramalala no anarako ary i Rina no ahalalana ahy. Mpianatra mpikaroka avy ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ao amin’ny Fakiolten’ny Siansa ; sampam-pampianarana ADD na “Anthropobiologie et Développement Durable” ny tenako. Sampana iray ianarana momba ny olombelona sy ny varika ny ADD, ka tao no nandalinako ny mombamomba ireo karazam-barika misy eto […]

Continue Reading
Fandrariana iarahana amin'ireo vehivavy , photo credit: GERP-Manombo

Fiarovana ny varika sy fitantanana ny ala ao Manombo- tetikasa ataon’i GERP

Lazalazao aminay fohifohy ny mombamomban’ny tetikasa GERP Manombo? Ny tetikasa GERP Manombo dia nitsangana ny taona 2017. Ao Manombo, Farafangana any amin’ny faritra atsimo atsinanan’ny nosy no ivon-toeran’ny tetikasa. Natsangana izy io ho fanohizana ny fiarovana ireo zavaboahary, indrindra ny Varika manodidina sy ao anatin’ny ny “Réserve Spéciale” Manombo. Tsy mitsaha-mitombo mantsy ireo tsindry mianjady […]

Continue Reading
Misa Rasolozaka any Mantadia
© Naina Rabemananjara

Vala-javaboahary any Mantadia: Tsidiho, Tiavo, Arovy fa Harena Sarobidy

Mba zarao aminay ny momba anao?  Misa no anarako, “SIG et Télédétection” no sampam-pianarana nofidiko tao amin’ny IOGA na Institut et Observatoire de Géophysique d’Antananarivo, sampana iray ianarana manokana momban’ny “Géosciences” ao amin’ny Oniversite an’Antananarivo. Momban’ny fivoaran’ny fahapotehan’ny ala tao anatin’ny 10 taona tamina faritra arovana iray ny “sujet de memoire” -ko tamin’izany. Tia biby […]

Continue Reading
Ireo zana-kazo ambolena ho famerenana ny ala. Sary : Lynne Venart

Valan-javaboahary arovana ao SAVA: Fitsidihana ny ala tàntanin’i Desiré Rabary ao Antanetiambo

Rehefa avy namakivaky sy nitsidika ny ala java-boahary arovana nasionaly ao Marojejy hijery ireo Simpona fotsy izahay dia niala sasatra andro vitsy teny amoron-dranomasina tao Sambava. Ary rehefa vita izany, niala ny tanàn-dehibe izahay ka nandeha nanantanteraka ny dia tongotra andro maro hitsidika ny ala java-boahary arovana ao Anjanaharibe niaraka tamin’ny mpisera-dia nitondra anay dia […]

Continue Reading
hoby_5

Fitsidihana ny Park ao Tsimanampetsotsa

Ny mombamomba anao i Hoby Ambinintsoa? Hoby Ambinintsoa no anarako, mpitsabo biby aho. Tena liana tokoa ny amin’ny tontolo iainana indrindra moa ny fahasamihafan’ny zava manan’aina eto Madagasikara raha tsy hilaza fotsiny ny varika. Te hitondra ny anjarabirikiko amin’ny fampahafantarana, fizarana sy fiarovana azy ireo aho. Tia mizaha tany ary mitsidika toerana vaovao foana aho. […]

Continue Reading