Main Menu

Ny faritra arovana ao Loky-Manambato, Daraina sy ireo harena ao aminy

 Amin’ity volana ity, dia ndeha isika hiaraka hitsidika ny faritra arovana Loky-Manambato miaraka amin’i Vololonirina Faramalala Francette, miasa an-tsitrapo ato amin’ny LCN. Mitantara ny zavatra hitany sy niainany nandritra ny fitsidihana nataony izy. Miresaka mivantana amintsika izy ka mamakia finaritra ary

Sifaka hita ao amin’ny alan’i Daraina, NAP Loky-Manambato © Vololonirina Faramalala

Ny momba ahy ve?

Vololonirina Faramalala no anarako ary i Rina no ahalalana ahy. Mpianatra mpikaroka avy ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ao amin’ny Fakiolten’ny Siansa ; sampam-pampianarana ADD na “Anthropobiologie et Développement Durable” ny tenako. Sampana iray ianarana momba ny olombelona sy ny varika ny ADD, ka tao no nandalinako ny mombamomba ireo karazam-barika misy eto Madagasikara.

Fikarohana momba ny vokatry ny herin’ny masoandro sy ny fahazavan’ny volana eo amin’ny fiainan’ireo akomba mainty na “Eulemur fulvus” ao amin’ny “Parc National Ankarafantsika” moa no nataoko nahazoako ny diplaoma DEA. Ary ankehitriny kosa aho dia mbola mikasa ny hanoy ny fikarohana mikasika ireo varika eto Madagasikara.

Rina tao anatin’ny alan’i Daraina © Brandon Semel

Ny fitsidihana toerana: Nankafiziko hatramin’izay!

Tamin’ny mbola kely aho dia efa nahafinaritra ahy foana ny taranja Siansa. Rehefa nanomboka nianatra teny amin’ny Oniversite indray, dia ny fahitako ireo karazam-biby sy ireny vato ireny no tena naniriako ny hamantatra bebe kokoa momban’i Madagasikara. Nony nanomboka nanao fikarohana amin’izay kosa aho, dia tsapako fa maro be ireo kolo-tsaina misy eto amin’ity Nosy ity no tsy fantatro, ka nahaliana ahy ny mianatra ireo fomba maro samy hafa amin’ireo toerana nalehako. 

Tiako dia tiako ihany koa ny nahita ireo biby isan-karazany isaky ny mitsidika toerana iray aho ; raha tsy hilaza afa tsy ny varika fotsiny ohatra, izay efa niriko raha teo ny ahita azy ireo any amin’ny ala fonenany. Misy zava-baovao mahaliana foana koa haiko rehefa mandeha amina toerana iray. Ka izany rehetra izany no isan’ny mandrisika ahy hitsidika toerana eto Madagasikara.

Loky Manambato: Ilay toerana tsy manam-paharoa

Toerana iray tantanan’ny ONG Fanamby, any avaratra-atsinanan’i Madagasikara, ao amin’ny faritra SAVA, distrikan’ny Vohemar, NAP Loky-Manambato no nahitako ny alan’i Daraina ny taona 2016.

Alan’i Daraina, faritra arovana ao Loky Manambato © Vololonirina Faramalala

Ireto avy no karazana biby tena nahavariana sy nahafinaritra ahy:

1. Bibilava misy orona toy ny ravina

Isan’ny tena nahafinaritra ahy voalohany ny nahitako ilay bibilava manana orona toy ny ravina, antsoina hoe Langaha, Horakoraka sy hafaliana moa ny ahy nampiseho izany ilay namako, izay mbola tsy nahita ity biby ity koa !

Langaha hita tao anatin’ny alan’i Daraina © Vololonirina Faramalala

2. Tandraikitra, tanafisaka

Isan’ny biby sarotra hita hono izany Uroplatus izany satria izy io dia tena maka tanteraka ny lokon’ny zavatra hipetrahany mba tsy ho hitan’ny biby hafa mety hamono azy.

3. Varika tsara tarehy

Ny nahitana ireo karazam-barika isan’ny tena lehibe ihany koa dia tena nahafaly ahy. Ny sifaka moa izany. Tsara tarehy toa ireny “nounours” ireny izy rehefa tazana miaraka amin’ilay lokony fotsy tsara be ! Isan’ny tena tiako raha teo koa ity karazany iray ity raha amin’ny samy varika. 

Ny fotoana toy izao moa no anararaotana ny fijerena ireny biby anaty ala ireny, satria tsy misy ala ho tsidihana foana ny faritra rehetra.

Sifaka mitanin’andro vao maraina © Vololonirina Faramalala

4. Tanalahy kely dia kely sy vaventy be

Tamin’ny mbola kely aho dia ny tarondro ihany no karazana tanalahy fantatro. Fa tany Daraina no nahitako karazana tanalahy kely mandeha amin’ny ravina sy ireo lehibe maro loko mipetraka eny ambony hazo.

5. Scorpion be efa hitovy amin’ny tanana!

Tamin’izany fotoana izany no nahitako hala na “scorpion” ngeza be efa hitovy amin’ny tanana.

Tsy nampoiziko mihintsy hoe kay ve misy biby vaventy be toy izao eto Madagasikara.

Hala na “scorpion” © Vololonirina Faramalala

Ny lalana mandeha any no somary sarotra, satria misy ireo aty ala ilana tanjaka ara-tsaina sy ara-batana vao tonga any. Izahay ohatra izao dia nisy toerana tsy tongan’ny fiara nalehanay, ka dia tongotra efa ho iray andro vao tonga tany ! Reraka tokoa nefa noho ny fitiavana izany natiora izany dia toa tsy ren’ny vatana ilay harerahana rehefa avy nahita ireo zavatra maro be ireo.

 Ireo tsindry hitako sedrain’ io toerana io

Anisan’ny tsindry tena sedrain’ny ala arovana any dia ny fitrandrahana volamena sy fihazàna. Sarotra ihany anefa no tonga dia manome tsiny ireo mponina satria tsy dia misy fidiram-bola hafa izy ireo ary ny tany rahateo tsy dia mamokatra tsara. Noho izany, azo lazaina fa sahirana ara-pivelomana ny olona. Etsy an-daniny, noho izay fahasahiranana ara-pivelomana izay dia mihaza varika ny olona sasany manodidina ilay faritra arovana mba ho sakafo na hamidy.

Tanàna ao Daraina ao anatin’ny faritra arovana
© Vololonirina Faramalala

Ny Vahaolana

Manoloana ireo tsindry mahazo ilay toerana sy ireo olana sedrain’ireo mponina monina manodidina ny toerana anefa dia misy ny ezaka nataon’ny ONG Fanamby mba hanampiana ireo olona ireo tahaka ny fanamboarana paompy ho fakan’ireo olona rano, ny fampiofanana azy ireo hamboly legioma sy ny fampiasana azy hitondra mpizaha tany na mpikaroka (Malagasy na vahiny) mba ho fidiram-bola ho azy ireo.

Inona no hafatra ho an’ny mpamaky?

Maro tokoa ry zareo ny zava-boahary misy eto amin’ity Nosintsika ity no sady kanto dia kanto a ! ‘Ndao àry isika rehetra noho izany hiaraka iaro azy mba ho dimbiasan’ireo fara mandimby ! 

Ahafahana mahatsapa ny hasarobidin’ireo harenantsika ireo anefa dia manentana antsika mba hitsidika ifotony, raha misy fahafahana, fa afa mihintsy izany mahita mivantana izany noho ny maheno fotsiny. 

Rehefa any anaty natiora any kosa isika, dia aza atao ny mikasika azy mivantana fa tsy mety izany. Aleo izy hijanona eo amin’ny toerana misy azy ihany.

Manaraka izany, Aza atao ny miompy ireny biby dia ireny ry zareo fa aleo izy ireo mba hijanona any amin’ny natiora, izay tranony natoraly, misy azy any a!