Main Menu

Inona no mampiavaka ny Varika sy Madagasikara?

Miavaka tokoa ny Varika sy i Madagasikara. Manolotra zavatra telo lehibe mampiavaka izahay eto: 

  • Eto Madagasikara irery ihany no misy varika anaty ala.
  • Mpamorona sy mampitombo ny ala ihany koa ny varika
  • Harena miteraka harena ny varika

1- Karazanà varika maherin’ny 100 no monina eto Madagasikara – ary eto Madagasikara irery ihany.

Ny varika dia nivoatra niavaka tamin’ny primata hafa taty amin’ny Nosy iray an’ny Ranomasimbe Indiana dia i Madagasikara izany, izay hita aty atsinanan’i Afrika. 

Madagasikara dia mirakitra toerana miavaka maro, manomboka amin’ny tsingy ka hatrany amin’ny ala mando maitso sy ny ala maina mahavariana.  Tsy ny varika ihany no zavaboary eto Madagasikara izay miavaka.  Raha ny marina dia manodidina ny 75% ny biby sy ny zavamaniry eto dia tsy hita na aiza na aiza hafa!

 Fa nahoana ary no maro tahaka izany ireo karazana varika eto Madagasikara?

Vokatry ny fisian’ireo karazan-toerana samihafa sy ny karazan-tsakafo maro hita ao aminy ireo dia nivoatra ho karazany mihoatra ny 100 ny varika, izay samy miavaka tokoa. Ohatra amin’izany ny maky izay manana rambo voloina sy mitsipitsipika, ny sifaka mpandihy izay tia mitsambikina mamakivaky ny ala, ary ny hay-hay kely mpiaina amin’ny alina izay mampiasa ny rantsan-tànany afovoany lava handavahana rehefa mitady sakafo.

2- Mpamorona ny ala ihany koa ny varika

Tsy tambo isaina ireo zavamaniry sy biby hafa izay miankina amin’ny varika ny fahavelomany.  Ny varika mantsy no mpamorona sy mpikojakoja ny ala eto Madagasikara.  Maro ireo varika no tia mihinana voankazo.  Rehefa mihinana voankazo izy ireo, toy ny ankamaroan’ny biby, dia tsy mahalevona ny voa. 

Ny voa dia mivoaka ny vatan’ny varika amin’ny alalan’ny tainy.  Rehefa mamakivaky ny ala ny varika, dia miparitaka arak’izay ihany koa ny tainy, izay misy ireo voa efa miaro ny zezika voajanaharin’izy ireo manokana.  Ireny voa ireny dia maniry ho hazo vaovao, ary miantoka ny fialofana sy ny sakafo tsy ho an’ny varika ihany, fa ho an’ny bibilava, ny tanalahy, ny androngo ihany koa, eny fa ho an’ny biby mpiremby voajanahary toy ny fosa koa aza.

 

3- Harena miteraka harena ny varika

Tsy vitan’ny biby mitondra ny lazan’i Madagasikara maneran-tany ny varika fa sady miteraka harena ho an’ny Malagasy eto an-toerana ihany koa. Antony iray tena mahasarika ny mpizahan-tany eto Madagasikara mantsy ny hijery ireo karazanà varika maro samihafa sy handinika ny fomba fiainan’izy ireo izay tena mahavariana tokoa. Izany fahatongavan’ny mpizahan-tany eto izany anefa dia miteraka asa ho an’ny olona maro : tsy ho an’ny mpikarakara sy ny mpandray ny mpizahan-tany ihany, fa ho an’ireo mponina eny ifotony ihany koa.

Isika Malagasy ihany koa ndeha hitsidika ny toerana fantan-daza mampiavaka ny firenentsika!