Main Menu

Mpiantsehatra

Fitaovana entina manentana ho an’ireo mpiantsehara matihanina

unnamed (8)

Mila miara-miasa isika ho fiarovana ny varika: ireo mpikaroka, ireo mpiantsehatra amin’ny fiarovana, ireo matihanina miasa eny ifotony. 

Miankina amin’ny fiaraha-miasa sy ny fizarana ireo fahalalana sy trai-kefa ny fahombiazana amin’ny fiarovana ny varika. Misy fitaovana ireto zaraina ho an’ireo mpiantsehatra sy matihanina, fitaovana entina hanampy amin’ny fikarohana sy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiantsehatra maro.

IREO FIKAMBANANA AO AMIN’NY IUCN

16b29f_b16cf927b0d64942951ec99b1d6033c5_mv2

IUCN Species Survival Commission Primate Specialist Group

Io fikambanana io dia tambazotra hivondronan’ireo mpikaroka sy mpiantsehatra amin’ny lafin’ny tontolo iainana sy ny fiarovana ireo karazana primata. Misy rantsana Madagasikara izay mifantoka amin’ny resaka varika. 

Tsidio ny tranokala

unnamed (9)

IUCN Save Our Species (SOS)

SOS lemurs dia fandaharan’asa iray mandritra ny 5 taona izay mifantoka amin’ny fametrahana lamin’asa amin’ny tetikasa nosoratana tamin’ny paik’ady ho an’ny fiarovana ny varika. Misy ny SOS Newsletter izay mizara vaovao momba izany. 

Tsidio ny tranokala

téléchargement

IUCN Red List of Threatened Species

Misy ny atao hoe “Lisitra mena” izay novokoran’ny IUCN ho an’ireo karazana zava-manan’aina ahiana ho lany tamingana. Io lisitra io no ahafahana mamantatra ireo karazana zava manan’aina tokony ho laharampamehana ny fiarovana azy. 

Tsidio ny tranokala

unnamed (10)

Primate Watching and Life Listing

Ity “Primate watching” ity dia nalaina avy amin’ilay fomba fizahan-tany iray mijery manokana ireo vorona atao ahoe “Bird watching” izay nahazoana vola dolara antapitrisany maro. Novolavolain’ireo mpikambana IUCN/SSC Specialist Group ny “Primate watching” mba toy izany ihany koa ny fizahan-tany hijerena manokana ireo Primata.

60487954_854485841588713_6093307348791590912_n

Madagascar Lemurs Atlas

Ity boky ity indray kosa dia angon- tserasera anisan’ny lehibe indrindra izay hita mivantana eto amin’ny aterineto izay ahitana ny mikasika ny gidro/varika rehetra izay hita eto Madagasikara.

GAZETY SY BOKY TATITRA

lemuractionplan

Varika eto Madagasikara: Drafitr’asa sy paik’ady entina hiarovona ny varika 2013–2016 (boky amin’ny teny Angilisy)

Nisy ny drafitr’asa iray entina iarovana ny varika atao hoe «  Lemur Action Plan » izay nivoaka ny  21 Febroary 2014 lasa teo tao amin’ny gazety « Journal science ».  Ity  drafitr’asa ity dia vokatra iray azo avy amin’ny atrik’asa « Lemur Red-Listing and Conservation Planning workshop » izay nokarakarain’ny IUCN-SSC Primate specialist Group ny faha  9-14 volana Jolay 2012. Natao tao Antananarivo io atrik’asa io ary natrehan’ireo manam-pahaizana manokana momba ny varika efa mihoatra ny 60 isa , ary ny 40 amin’izy ireo dia avy eto Madagasikara avokoa.

unnamed (11)

Toro-lalana ho an’ny fangalana sary ireo biby Primata 

Ilaina ny fangalana sary na horonan-tsary an’ireo biby Primata satria fitaovana iray ireny entina hanentanana ny olona ho an’ny fiarovana azy ireo. Saingy raha tsy fantatra mazava ny toerana sy ny antony nangalana ny sary dia matetika hafa ny fandraisan’ireo mpijery ny sary. Noho izany, dia misy toro-lalana manokana ho an’ny fangalana ireo sary mba hampazava ny anton’izy ireny. 

Jereo eto ny toro-lalana amin’ny teny Malagasy (https://human-primate-interactions.org/wp-content/uploads/2021/03/HPI-Imagery-Guidelines-Malagasy.pdf)

unnamed (12)

Lemur News

Lemur News dia gazety mivoaka isan-taona izay antontan’ny ampahany mpikaroka Malagasy amin’ilay IUCN SSC Primate Specialists Group. Mamoaka voka-pikarohana momba ny varika, ny fomba fiainany, ny tsindry mahazo azy sy ireo fikarohana mifandraika amin’ny fiarovana ny varika sy ny ala fonenany. 

unnamed (13)

Madagascar Conservation & Development

Ny Madagascar Conservation & Development dia gazety iray mamoaka ireo voka-pikarohana mikasika an’i Madagasikara sy ranomasim-be Indianina mifantaoka amin’ny resaka fiarovana ireo harena voajanahary. 

IREO TRANOKALA

unnamed (14)

Madagascar Lemurs Portal 

Ny Madagascar Lemurs Portal dia tranonkala iray ahafahana mamantatra ireo karazana varika, ny toerana misy azy, ny tsindry mahazo azy sy maro hafa momba azy ireo.

unnamed (15)

Global Forest Watch 

Ny Global Forest Watch dia tranonkala iray ahafahana manaraha-maso ny fitomboan’ny ala, na ny fihenany na ihany koa ireo tsindry toy ny fandalovan’ny afo. Azo jerena ao anatin’io tranonkala io ny fitomboan’ny ala eto Madagasikara. 

IREO FIKAMBANANA MIZARA TRAI-KEFA

unnamed

IKALA STEM

 Ikala STEM dia fikambanana mampivondrona ireo vehivavy siantifika Malagasy mianatra na miasa momba ny taranja STEM (Science, Technology, Engineering, Mathematics). Ikala STEM dia manome sehatra betsaka ho an’ny fanofanana sy fizarana trai-kefa ho an’ireo mpianatra, mpikaroka sy mpiasa amin’ny lafiny fiarovana ny harena voajanahary. Maro ireo mpikambana Ikala STEM no mianatra sy mikaroka momban’ny varika. 

unnamed (16)

GEOLOGICAL SOCIETY OF MADAGASCAR

Ny Geological Society of Madagascar dia fikambanana iray mampivondrona ireo mpianatra sy mpikaroka momba ny tany. Mizara trai-kefa marobe sy manantanteraka fanofanana izy ireo. 

IREO BILAOGY