Main Menu

Ny ekipa

Ny ekipan’ny LCN

Miara-miasa ho an’ny fanentanana ny olona maneran-tany ho fiarovana ny varika izahay. 

Lucía Rodríguez Valverde

Talen’ny Lemur Conservation Network

Amin’ny maha talen’ny Lemur Conservation Network, Lucia Rodriguez dia mampahafantatra hatrany ny LCN ary mampiroborobo ny asa fiarovana ny gidro eo amin’ny sehatra nasionaly sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ataony amin’ny alalàna ny famoronana, fanabeazana, fanofanana, fizarana ny zava-misy sy ireo tsara ho fantatra izany. Izy no miandraikitra ny fifaneraserana rehetra, indrindra fa eto amin’ny tranokala. Izy ihany koa no manoratra ireo hafatra any amin’ny tambazotra sosialy toy ny Facebok ary mamorona ireo fitaovana entina ampianarana sy ampahafantarana ny tranokalan’ny LCN izay ampiasaina any amin’ny sekoly, lakilasy, toerana fitehirizana sy fitsidihana biby ary ho an’ny sarambaben-bahoaka. Lucia dia mandray ireo zava-misy sy tsara ho fantatra rehetra eto amin’ny tranonkala ary mandrindra ny fifandraisana amin’ireo fikambanana sy ireo olona rehetra mety liana amin’ny fandaharan’asa eto amin’ny LCN. Manoratra ireo bilaogy sy momba ireo ezaka rehetra atao eo amin’ny sehatra nasionaly sy maneran-tany amin’ny fiarovana ny gidro ho an’ny tranokala sy ny tambazotra sosialy eto amin’ny LCN izy.

Lucia dia teratany costarikanina tia miaro ny zava-boahary ary manana trai-kefa manokana amin’ny psykolojia izy. Liana amin’ny fampivelarana sosialy sy ny maha-olona izy. Niasa niaraka tamin’ireo fikambanana sosialy sy ireo miasa ho an’ny fiarovana ny natiora ao Costa Rica i Lucia. Ary koa, niasa tao amin’ireo tetikasa maro momba ny fiarovana ny gidro eto Madagasikara izy. Tamin’ny herintaona dia niasa an-tsitrapo tamin’ireo fikambanana miasa ho an’ny fiarovana ny gidro izy. Olona tena mahafatra-po, mazoto ary vonona hampiasa ny fitiavany sy ny trai-kefa ananany ho an’ny fampianarana momba ny gidro mba hampiroborobo ny fanentanana sy ny asa atao amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny fiarovana ny natiora izy.

Seheno Corduant-Andriantsaralaza, Ph.D.

Mpandrindra ny tranokalan’i Lemur Conservation Network amin’ny teny Malagasy

Seheno no namolavola sy nanantontosa ireo lohahevitra sy resaka marosamihafa  eto anivon’ny tranonkala /vohikala momba ny Gidro/Varika ho antsika Malagasy.

Mpikaroka momba ny biolojia izay mampiasa ny trai-kefany amin’ny fitondrana ny anjara birikiny amin’ny fiarovana ny zava-boahary eto Madagasikara izy. Nahazo ny mari-pahaizana “PhD” tao amin’ny oniversiten’Antananarivo, fiaraha-miasa miaraka amin’ny ivo-pikarohana frantsay momba ny fampandrosoana sy ny fambolena. Niompana tamin’ny fianarana ny fomba fiparitahan’ny voan’ny baobab ny fikarohana nataony nandritra ny fianarana ahazohana ny diplaoma doctorat. Niasa tao amin’ny ONG Reniala-Lemur Rescue Center izy, izay ivo-toerana iray mikarakara ireo gidro izay nompian’ny olona taloha. Taorian’io asa io, nitsiry tao aminy ny fitiavana hiaro ireo gidro. Ankehitriny, miara-miasa amin’ny ONG Lemur Love izy momba ny fiarovana ireo gidro amin’ny famarotana tsy ara-dalàna azy ireo atao biby fiompy.

Vakio eto ny bilaogy amin’ny teny Malagasy. 

lynne-bioLynne Venart

Mpiara-namorina ny LCN sy Talen’ny fanajariana ny tranonkala

Lynne no namorina sy namolavola marika manokana ahafantarana ny LCN. Izy ihany koa no mitantana sy mandrindra ireo foto-drafitr’asa maro samihafa eto amin’ny  Lemur Conservation Network, ary manara-maso ny fanatanterahana ny fiheverena sy ny tanjona izay iombonantsika  mpanohana sy mpiara-miasa amin’ ity tambazotra ity izay mifantoka manokana amin’ny fiarovana ireo  gidro/varika. Miasa hatrany ho an’ny LCN izy amin’ny alalàn’ny fanoratana bilaogy sy fanampiana ny lafin’ny tranonkala rehetra.

Lynne dia namokatra ny fomba fitsidihana ny U.S. Holocaust Memorial Museum amin’ny interneto. Manampy sy manome toro-hevitra amin’ny lafin’ny sary sy ny serasera ho an’ny ireo fikambanana tsy miankina maro ary ireo orinasa madinika ao Washington DC izy efa ho dimy ambin’ny folo taona izao.

Vakio eto ireo bilaogy soratan’i Lynne. 

Tsidiho eto ny tranonkalan’i Lynne, ahafantaranao bebe kokoa azy. 

Ekipan’ireo serasera ara-tsiansa

Raha te-hahalala bebe kokoa momba ireo ekipa sy mpiasa an-tsitrapo amin’ny resaka serasera sy fanabeazana.

Tambazotra sosialy sy tranonkala amin’ny teny Anglisy

  • Jessica Deville (Tranonkala)
  • Kristina Graves (Tambazotra sosialy)
  • Laura Howard (Tambazotra sosialy)

Tambazotra sosialy sy tranonkala amin’ny teny Malagasy

  • Diamondra Ranaivoson
  • Misa Rasolozaka
  • Vololonirina Cynthia

Tambazotra sosialy sy tranonkala amin’ny teny Frantsay

  • Sonia Antoine

Tambazotra sosialy, tranonkala sy fanamboarana ireo fitaovam-panabeazana

  • Coral Chell
  • Katie Hallsten
  • Maddie Henning
  • Brittany Novick
  • Natalie Park
  • Amber Wyard

Ekipan’ny Andro maneran-tany ho an’ny varika 2020

Raha te-hahalala bebe kokoa ny ekipa sy mpiasa an-tsitrapo momba ny fandrindrana ny andron’ny varika maneran-tany

  • Bryan Vasquez, Mpitarika ny ekipa sy mpandrindra ny any Northwest US
  • Narovana Erika Radavidrason, mpandrindra ny eto Madagasikara
  • Helen Morris, Mpandrindra ny any UK
  • Christina Burt, Mpandrindra ny any Midwest US
  • Allie Dudash, Mpandrindra ny any Southwest US
  • Nicole Troy,  Mpandrindra ny any Northeast US
  • Catherine Wysoczanski,  Mpandrindra ny any Southeast US
  • Elise Zienkowski, Mpandrindra ny any Northeast US

Ireo mpanolo-tsaina amin’ny tetikasa

kim-bioKim Reuter, Ph.D.

Kim dia anisan’ny namorona ihany koa ny LCN ary ankehitriny dia mpanolo-tsaina amin’ireo tetikasa rehetra sahanina izy. Mba ahatontosana sy hamolavolana izao tambazotra izao dia niresaka sy nitady fiaraha-miasa tamina mpikaroka sy fikambanana aman-jatony izy ka izay voalazan’izy ireo no natambany ary noraiketiny ho ato amin’ity tranonkala ity sy ireo haino aman-jery sosialy maro samihafa.

Kim ihany koa dia sady matihanina biolojika no sady  liana momba ny  fampandrosoana iraisam-pirenena. Noho izany dia tsy nisalasala izy nampiasa ny fahaiza-manaony  mba hampisy fiantraikany tsara teo amin’ny fiaraha-monina : tamin’ny alalan’ny fitsaboana, fanabeazana, ary ny hetsika fiarovana maro samihafa.

Amin’izao fotoana izao  dia Talen’ny orinasa sosialy atao hoe Franklin Scholars izy.

Vakio eto ireo bilaogy soratan’i Kim. 

christoph-bioChristoph Schwitzer, Ph.D.

Dr Christoph Schwitzer dia Talen’ny Fiarovana ao amin’ny « Bristol  Zoological Society » nanomboka ny Volana May 2014 . Talohan’izany anefa dia Lohan’ny Sehatra fikarohana nandritra ny 7 taona  tao amin’ny « Cologne zoo » ao Alemana ny tenany. Niasa sy nipetraka teto Madagasikara nandritra ny  2 taona ihany koa izy ary niara -niasa  akaiky tamina fikambanana frantsay tsy miankina amin’ny  fanjakana iray izay nifototra tamin’ny  fikarohana momba ny Gidro/ varika sy ny mety ho fiarovana azy ireny.

Christoph dia manana ny mari-pahaizana « PhD » momba ny  Hay biby (Zoologie) tamin’ny  « University of cologne » ary mpampianatra mpitsidika eny amin’ny « University of the West of England » nanomboka ny taona 2013.

Izy ihany koa no Tale  Lefitra eto Madagasikara, ary  Mpandrindra  ny«  Red List Authority ». Ho fanampin’izany dia Filoha Lefitry ny sampana fikarakarana sy ny  fitsaboana ary fiompiana ireo biby voasambotra eo anivon’ny « International Primatological Society » iihany koa izy ary mpitan-tsoratra mpanatanteraka ao amin’ny « Association pour l’Etude Européenne et Conservation de Lémuriens » izay fikambanana  tandrefana (eropeanina) ary natokana hiaro sy hianatra ny gidro/varika. Nanao  fikarohana ihany koa i Christoph vao haingana izay mifantoka  tanteraka amin’ny  ezaka sy fomba hataon’ireo gidro/varika maro izay voasokajy ho tandindomin-doza izay miady mafy ny ho velona manoloana ny fahasimban’ny toeramponenan’izy ireo,  ny fisamatsamahana sy fisarahana eny anivon’izy ireo noho ny fitondrantenan’izy ireo tsirairay avy , ny fahazoana sakafo sy ny habetsahan’ny mponina (gidro/varika ny resaka eto) ary ny habetsahan’ny katsentsitra ao anatin’izy ireny.

steig-bio2Steig Johnson, Ph.D.

Dr. Steig Johnson dia “anthropologue biologiste” liana momba ny mponina ara- biolojika, ny fiiaraha-monina sy ny tontolo iainanan’izy ireo  ary ny fiarovana ny PRIMATES ankoatry ny olombelona. Nandritra ny  20 taona lasa teo dia nandany ny fotoanany tamin’ny fianarana ny gidro/varika tany  amin’ny faritra atsimo atsinanan’i Madagasikara. Nanomboka tamin’ny fianarana tontolo iainana ny taranaky ny gidro /varika sy ireo hafa karazany tany amin’ny tendrombohitra Andringitra  izany ka hatramin’ny fijerena sy fianarana ny habetsahan’ ireo Gidro /varika sy ny firafitry ny fototarazo (génétique) –n’izy ireo lemaka sy ala  voazaraza taty amin’io faritra io.

jonah-bio2Jonah Ratsimbazafy, Ph.D.

Dr. Jonah Ratsimbazafy dia manolo-tsaina amin’ireo tetikasa rehetra sahanin’ny LCN. Teratany Malagasy  izy ary manana ny  mari-pahaizana  PhD  momba antropolojia momba ny toe-batana avy amin’ny State University ao New York ao amin’ny Stony Brook, ETAZONIA . Izy no Filohan’ny fikambanana GERP sy Profesora (mpampianatra) Mpanampy ao amin’ny Sampam-pianarana momba ny Siansa sy ny Sampan-draharahan’ny Fitsaboana fitsaboina momba ny biby ao amin’ny Oniversiten’i Antananarivo, ary mpitarika mahafatra-pon’ny CITES izay  miara-miasa akaiky amin’ny Fitantanana Jeneraly ny ala eto Madagasikara.

Efa nianatra manokana momba ny gidro/Varika izy ary nitarika tetikasa fiarovana azy ireny sy niara-niasa tamin’ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana nandritra ny 20 taona. Ny fikarohana nahaliana azy sy nataony dia mifantoka  tanteraka momba ny tontolo iainana sy ny fitondran-tenan’ireo” primates2.

Niara -nanoratra sy nanantontosa ny andihany faha 2 sy faha-3  ny boky fampiasa an-kianja  sy ny boky tahirin-kevitra mitondra ny lohateny hoe « Lemurs of madagascar » ary nandika izany tamin’ny teny frantsay koa ny tenany.

Ny taona 2006 ka hatramin’ny 2008, dia Filoha Lefitry ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an’ny fiarovana ny “primates” ary nanomboka ny taona  2002 ka hatramin’ny 2013 dia izy no mpandrindra ny fanofanana sy ny Fiarovana teo anivon’ny  « Durrell Wildlife Conservation Trust, Madagascar Programm ».

Ary amin’izao fotoana izao dia filoha lefitra miara-mitantana ny vondrom-pikambanana   IUCN/SSC Specialist Group-Madagascar  ny tenany.

  Fabiola Holiniaina  Kjeldgaard      fabiola

Fabiola no nandrindra ny lafin’ny serasera sy ny fampahafantarana ny LCN. Nanampy betsaka tamin’ny fananganana ny tranonkala amin’ny teny Malagasy niaraka tamin’i Pr Jonah Rastimbazafy izy. Teratany Malagasy ny tenany ary miasa sy monina any New York City.  Niasa ary lehibe teo anivon’ny sehatry ny fizahan-tany izy. Niatomboka tamin’ny fitondrana ireo mpizaha tany tamina sambo mandritra ny 3 andro izany teny amin’ny Lakandranon’ny Pangalana iny. Tao aorian’izay dia lasa mpitondra mpizaha tany matihanina  izy  ary nitondra ireo mpizaha tany nitety an’i Madagasikara.

Tao aorian’izany dia nanokatra orinasa mpitondra momba ny fizahan- tany izy.

Fabiola ihany koa dia manana trai-kefa sy  fahalalana ny antony mahatonga ny fizahan-tany ho  tsy afa-misaraka amin’ny resaka fiarovana  ny tontolo iainana aty Madagasikara. Ankoatr’izany dia liana ary marisika tokoa izy tamin’ny resaka   fampandrosoana ary niara-niasa tamina fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana izay niasa teny anivon’ny fahasalamana tany ambanivohitra ary ihany koa nanampy ireo ankizy kamboty sy sahirana mba hahita olona malala -tànana  hanampy azy ireo teo amin’ny lafiny fianarana.

Mazoto ary tia mizara ny momba an’i Madagasikara izy fa indrindra ny maha -tokana ny  tontolo iananana eto Madagasikara. Nianatra lalàna ny tenany ary manana mari-pahaizana « master 2 en droit  privé » sy “master en santé publique” avy ao amin’ny Georges Washington University tany Etazonia.