Main Menu

Fitaovana fanabeazana mikasika ireo varika

Ireto varijatsy dia fantatra ho mpanaparitaka vihy sy vovombony Sary: Mathias Appel

Ireo fitaovana fanabeazana zaraina eto dia natao indrindra ho an’ireo mpanabe any an-tsekoly na ireo mpanabe amin’ny seharty ny fiarovana entina hisarihana ny sain’ireo ankizy, mpianatra amin’ireo karazana harena ara-voajanahary, ireo karazana varika indrindra fa ireo ahiana ho lany tamingana ary ireo asa fiarovana hampihenana ny tsindry mahazo azy ireo. 

Fa amin’ny farany, dia ny zavatra tiana ihany no arovana; ary ny zavatra azo satria nianarana ihany no tiavina.

           Baba Dioum

FITAOVANA NOVOKARIN’NY LEMUR CONSERVATION NETWORK

Ireto fitaovana manaraka ireto dia novokarin’ny ekipa avy ato amin’ny Lemur Conservation Network izay fiaraha-miasa miaraka amin’ny Louisiana Lemur Foundation.

Screen-Shot-2020-08-29-at-4.04.15-PM-307x400

Boky firaketana hitsidihana an’i Madagasikara

Asaina mitsidika faritra telo izay ahitana ireo karazanà varika ny mpianatra na ireo ankizy mandray anjara amin’ny fankalazana. Ireo karazana varika moa dia ny Varikay (Eulemur collaris), ny Simpona (Propithecus diadema) ary ny Sifaka na Tsibahaka (Propithecus coronatus).

Ny faritra tsirairay amin’izany dia manana pejy iray izay takelaka fampahalalana mba hianarana mikasika ireo karazanà varika ireo. Samy asaina

Sary 1

Lemur Ethogram

Ity fitaovana iray ity dia manampy ny mpianatra sy ny ankizy hijery ireo varika any amin’ny fahi-bibidia (zoos) na any anaty ala. Raiso an-tsoratra ao anatin’ny fisy atao hoe “ethogram” ny fomba fiainan’ireo varika, ny fihetsiny ary ny fombafombany. Io no entin’ireo mpikaroka hijerena sy handinihina ny fomba fiainan’ireo karazana biby.

Illustration-Crowned-Sifaka

Fisy fampahafantarana ny varika

Ho an’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny varika ity dia namokatra fisy ho fampahafantarana ny karazana varika telo.

  • Varika na Eulemur collaris: PDF
  • Tsibahaka na Propithecus coronatus: PDF
  • Sadabe na Simpona na Propithecus diadema: PDF

FITAOVANA FANABEAZANA HAFA AZO AMPIASAINA

Maro ireo fitaovana fanabeazana hafa vokarin’ireo fikambanana miasa sy miaro momban’ny varika sy ireo primata hafa. Manana tranon-kala azo tsidihana izy ireo. Indro zaraina eto ny sombiny amin’izany fitaovana izany. 

PICC_LemurConservColoring-400x400

Boky fandokoana sy fianarana amin’ny teny Malagasy sy Anglisy

Ity boky ahitana pejy miisa 40 ity dia misy sary natao holokoina sy lalao fianarana amin’ny teny Malagasy sy Anglisy, ao anatin’izany ny fikarohana teny, ny lalao fampifandraisana teny, ny fampianarana ny voambolana, ary ny tantaran’i Madagasikara sy ny Malagasy ary ny varika.

IMG_7299-400x400

Lalao momban’ny varika

Namokatra lalao afaka andraisan’ny olona rehetra anjara ny Chances for Nature. Jereo eto izany sy ao amin’ny rohy Learning apps.

gI_60614_Ako-collage-w-lemurs-150x150

Bokin’ny tetikasa AKO, Afisy, Lesona momban’ny varika

Ny bokin’ny tetikasa AKO  dia hita amin’ny teny Anglisy sy Malagasy. Ny mpampianatra sy mpanabe dia afaka maka ny boky sy ny afisy ao amin’ny tranonkalan’ny Lemur Conservation Foundation. Misy amin’ny dikan-teny Malagasy, Anglisy ary Frantsay avokoa ireo boky.

Kidz4Lemurs-Coloring-Sheet-4-e1608415496942

Lalao momban’ny varika, kisary loko ho an’ny ankizy

Ny fikambanana Lemur Conservation Foundation (LCF) dia namokatra karazana lalao natokana ho an’ireo ankizy hianarany momban’ny varika ao anatin’ny tetikasa “Kidz4lemurs”. Maro ireo karazana lalao azo ampiasaina alaina ao anatin’ny tranonkalan’ny LCF ao anatin’izany ny kisary hanaovana loko na karazana sary tanana azo ataon’ny ankizy.

Screen-Shot-2021-11-21-at-3.40.23-PM

Boky tantara ho fampianarana momban’ny varika

Ny fikambanana ASLM na Association pour la Sauvegarde des Lémuriens de Madagascar mamokatra karazana boky tantara, sary momban’ny varika. Izany dia tarihin’i Catherine Rhiat ary fiaraha-miasa miaraka amin’ny fikambanana GERP.

10514506_254685588054325_7509188947647337250_n-191x300

Boky fanabeazana novokarin’ny GERP

Ny GERP dia anisan’ny fikambanan’ny mpikaroka Malagasy momba ny varika manao ezaka manokana momba ny fanentanana sy fanabeazana manokana ny ankizy sy tanora ho tia sy hiaro ny varika ary ny tontolo iainany.

Indro boky iray natokana ho tari-dalàna ho an’ireo mpampianatra maniry hampianatra bebe kokoa mikasika ny tontolo iainana.

Horonan-tsary ho fanabeazana

Ireo karazana horonan-tsary vokarina mitantara ireo harena voajanahary sy vakoka eto Madagasikara dia azo ampiasaina tsara ho fitaovana entina manabe sy manentana ny ankizy ary ny olon-dehibe.

Horonan-tsary novokarin’ny GERP

Indro horonan-tsary mihetsika novokarin’ny GERP mitondra ny lohateny hoe « Alan’i Manombo: Reharehan’ny Agnambahy

IREO KARAZANA HORONAN-TSARY

Horonan-tsary novokarin’ny Eyes of the World Films

Indro horonan-tsary fohy momba ireo varika novokarin’ny « Eyes of The World Films » afaka ampiasaina tsara ho fanabeazana sy fanentanana ireo olona sy ankizy eny ifotony izy ireto.

Horonan-tsary novokarin’ny Eyes of the World Films

Indro ihany koa horonan-tsary fohy hafa momba ireo varika novokarin’ny « Eyes of The World Films » afaka ampiasaina tsara ho fanabeazana sy fanentanana ireo olona sy ankizy eny ifotony izy ireto.