Ny varika dia anisan’ny biby miteram-batana ahiana ho lany tamingana indrindra eto an-tany
Mila ahy, mila anao ary mila antsika ny fiarovana ny varika!
Eto amin’ny tranonkalan’ny Lemur Conservation Network (LCN) no ahafahanao mahafantatra ireo foto-drafitr’asa misy any Madagasikara mba hiarovana ny Gidro/varika tsy ho lany tamingana.
Natomboka ity tambazotra ity mba hanampy amin’ny fametrahana an-toerana ny maha-zava-dehibe ny foto-drafitr’asa amin’ny fiarovana ny gidro na ihany koa ny hoe « Lemur Survival Plan » sy mba hifanampiantsika izay tia gidro sy ireo tia sy naman’ny biby sy ny planeta. Ity foto-drafitr’asa ity dia navoakan’ny « IUCN Species Survival Commission Primate Specialist Group »
>> Raha te hahafantatra misimisy kokoa ny momba anay ianao dia tsindriho ity rohy ity
Ahaona no ahafahanao manampy?
- Manomeza ho an’ireo fikambanana na ireo vondron’ny mpikaroka miasa eto Madagasikara.
- Milatsaha an-tsitrapo aty Madagasikara na avy any amin’ny toerana misy anao.
- Tsidiho ary tohano ireo fahi-bibidia izay miasa manokana momban’ny varika
- Fantaro ny momban’ny varika amin’ny alalàn’ireo bilaogy na ireo loharano omena eto amin’ny tranonkala.
- Araho ny pejy Facebook ahafantaranao bebe kokoa ny asa ataonay
Bilaogy
Ny fankalazana ny andron’ny varika maneran-tany 2020- World Lemur Day
Covid-19 sy ny fankalazana ny andron’ny varika Tamin’ity taona ity dia nanasarotra ny fankalazana mivantana ny fisian’ny Covid-19. Nanova ny fomba fankalazana ny hetsika ho an’ny mpikambana sasany izany. Raha nisy ireo nisafidy ny hetsika virtoaly, dia nisy ireo nanao hetsika mivantana mba hahafahan’izy ireo manatona olona akaiky kokoa ho fanentanana momba ny fiarovana ny […]Read More »Zavatra 10 tokony ho fantatra sy mahavariana momba ny varika
1. Maherin’ny 100 ny karazana varika fantatra ankehitriny, ary amin’ny endriny sy habe maro samihafa! Misy karazany 111 ny varika, izay hita amin’ny endrika sy habe rehetra. Ny kely indrindra, ilay antsoina hoe Tsidin’i Madama Berthe, dia milanja manodidina ny 30g eo ho eo, ary ny lehibe indrindra, izay ny Babakoto, dia milanja 6 hatramin’ny […]Read More »Ny vintsy : tetikasan’ny fikambanana WWF Madagasikara mampifandray ny tanora sy ny tontolo iainana
Inona izany Club Vintsy izany ? Ny Club Vintsy dia fikambanana mpiaro ny tontolo iainana mitsangana eny anivon’ny sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, ary amin’ny ambaratonga rehetra amin’ny fianarana. Ny taona 1992 no niorina ny Club Vintsy voalohany. Miisa 750 izy ireo manerana an’i Madagasikara. Anisan’ny vokatry ny tetikasa “Ny Voaary” izay nokarakarain’ny WWF […]Read More »Fikambanana GFSA: Tanora mandray ny andraikiny amin’ny fiarovana ny tontolo iainana
Mahafaly anay eto amin’ny Lemur Conservation Network no mampahafantatra ny Ny Gasy Forestry Students’ Association – Madagascar (GFSA – Madagascar) , izay fikambanana voalohany indrindra mampivondrona ireo mpianatra eo anivon’ny Departemantan’ny Ala sy ny Tontolo Iainana ao amin’ny Ecole Supérieure des Sciences Agronomiques (ESSA-Forêts), Oniversiten’Antananarivo. Isaorana betsaka ny ekipa izay tarihin’i R. Ntsiva N. Andriatsitohaina […]Read More »Ry Malagasy, harenantsika anie ny varika eh: fantaro, tiavo ary arovy ny harenantsika
Ny momba momba an’i Princiah Rabary Andriamihaja Princiah no anarako. 24 taona aho izao ary mpianatra taona faha 5 eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, fakiolten’ny siansa ary mianatra manokana momban’ny varika sy ny fiarovana azy ireo. Eo andalam-pamaranana ny fianarako aho ankehitriny, ary vao avy nahavita ny fidinana roa volana tany amin’ny valanjavaboary tsy miankina ao Berenty, […]Read More »Fitsidihana ny Andohahela National Park sy ny toerana ao Tsimelahy
Ny momba momba anao i Franklin? Franklin no anarako, 32 taona ny tenako ary guide Naturaliste ny asa hataoko. Fito taona izay no nisehatra tao anatin’ny mpiseradia aho ary dia nifantoka bebe kokoa tany amin’ireo toerana ahitana vala-javaboary tsy dia be mpitsidika ary tsy dia be mpahalala loatra. Maro tokoa ny fahaizana sy fahalalana notovoiziko […]Read More »Fikambanana Ary Saina : Fikambanana mpikaroka Malagasy mivondrona hampiroborobo ny fikarohana siantifika ho fitaovana entina miaro sy mitantana ny harena voajanahary
Mba zarao aminay ny tantara sy ny mombamomban’ny fikambanana Ary Saina Ary Saina dia fikambanana mpikaroka Malagasy, mivondrona mba hampiroborobo ny fikarohana siantifika sy mampiely/mizara fahalalana mba hahafahana miaro ireo harena voajanahary mampiavaka an’i Madagasikara. Malagasy dimy mitovy foto-kevitra sy vina no nanapa-kevitra ny hanorina ity fikambanana ity, izay nitsangana ara-dalana tamin’ny 27 […]Read More »Geological Society of Madagascar (GSM) : fikambanana mampiray ny olona liana sy mandalina ny Haibolantany eto Madagasikara
Mba zarao aminay ny tantara sy ny mombamomban’ny fikambanana GSM Ny Geological Society of Madagascar (na GSM) dia fikambanana izay mampiray ireo olona eto Madagasikara (mpianatra, mpampianatra, eo anivon’ny sehatra akademika sy sehatry ny asa, ary ireo olon-tsotra) izay liana amin’ny « Géosciences » na Haibolantany. Ny fikambanana dia voafehin’ny hitsivolana n° 60–133 tamin’ny […]Read More »Toro-marika ho an’ny fizahan-tany sy ireo toeram-pikarohana ho fampihenana ny loza mety hateraky ny fifindran’ny COVID-19 amin’ny varika
Ny fikambanana maneran-tany momba ny fahasalamana na ny OMS (Organisation Mondiale de la Santé) dia nampahafantatra ny fisian’ny hamehana ara-pahasalamam-bahoaka maneran-tany manoloana ny fisian’ny valanaretina manerana coronavirus na COVID-19 ary fantatra ankehitriny fa misy porofo ny fisian’io tsimokaretina io COVID-19 io eto Madagasikara1. Eto am-pikarakarana ny hamehana ho an’ny fahasalamam-bahoaka isika ankehitriny, anefa tokony hahalala […]Read More »Valan-javaboahary arovana ao SAVA: Fitsidihana ny ala tàntanin’i Desiré Rabary ao Antanetiambo
Rehefa avy namakivaky sy nitsidika ny ala java-boahary arovana nasionaly ao Marojejy hijery ireo Simpona fotsy izahay dia niala sasatra andro vitsy teny amoron-dranomasina tao Sambava. Ary rehefa vita izany, niala ny tanàn-dehibe izahay ka nandeha nanantanteraka ny dia tongotra andro maro hitsidika ny ala java-boahary arovana ao Anjanaharibe niaraka tamin’ny mpisera-dia nitondra anay dia […]Read More »