Ho an’ireo mpanabe na mpanentana

Fitaovana Fanabeazana

Ny fitaovana fanabeazana dia natokana ho an’ireo mpampianatra sy mpanentana eny anivon’ny sekoly ho fanabeazana ny ankizy ny lafin’ny tontolo iainana sy ny fiarovana ny varika sy ireo zava-boahary. Ny fitaovana samihafa dia azo ampiasaina ihany koa ho fanentanana ny mpiara-monina. Zaraina ireto fitaovana ireto mba ahafahan’ny rehetra mampiasa maimaim-poana mikasika ny fanabeazana ireo ankizy sy tanora eny an-tsekoly ny fiarovana ny varika.

Fitaovana Fanabeazana novokarin’ny LCN

Boky firaketana hitsidihana an’i Madagasikara

Asaina mitsidika faritra telo izay ahitana ireo karazanà varika manamarika ny Fankalazana ny Dihin’ny Varika Maneran-tany 2020 ny mpianatra na ireo ankizy mandray anjara amin’ny fankalazana. Ireo karazana varika moa dia ny Varikay (Eulemur collaris), ny Simpona (Propithecus diadema) ary ny Sifaka na Tsibahaka (Propithecus coronatus).

Ny faritra tsirairay amin’izany dia manana pejy iray izay takelaka fampahalalana mba hianarana mikasika ireo karazanà varika ireo, ary manana asa na hetsika iray azo tanterahina ihany koa. Samy asaina manoratra mikasika izay nianarany ao amin’ny boky firaketana ny ankizy tsirairay. 

» Alaivo eto ny boky firaketana hilalaovana 
» Alaivo eto ny torolalana amin’ny teny fampiasana io boky firaketana io

Lemur Ethogram

Ity fitaovana iray ity dia manampy ny mpianatra sy ny ankizy hijery ireo varika any amin’ny fahi-bibidia (zoos) na any anaty ala. Raiso an-tsoratra ao anatin’ny fisy atao hoe “ethogram” ny fomba fiainan’ireo varika, ny fihetsiny ary ny fombafombany. Io no entin’ireo mpikaroka hijerena sy handinihina ny fomba fiainan’ireo karazana biby.

» Alaivo eto ny fitaovana entina manao ny ethogram 

Boky fandokoana sy fianarana amin’ny teny Malagasy sy Anglisy

Ity boky ahitana pejy miisa 40 ity dia misy sary natao holokoina sy lalao fianarana amin’ny teny Malagasy sy Anglisy, ao anatin’izany ny fikarohana teny, ny lalao fampifandraisana teny, ny fampianarana ny voambolana, ary ny tantaran’i Madagasikara sy ny Malagasy ary ny varika.

» Alaivo eto ny sarisary novokarin’ny PICC

Fisy fampahafantarana ny varika

Ho an’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny varika ity dia namokatra fisy ho fampahafantarana ny karazana varika telo, ny sarin’izy ireo izay nanaovana ny logo izahay. Ireo varika atao hoe :

  • Varika na Eulemur collaris: PDF
  • Tsibahaka na Propithecus coronatus: PDF
  • Sadabe na Simpona na Propithecus diadema: PDF
Alaivo eto ny PDF iray ho an’izany fisy izany

Fitaovana Fanabeazana novokarin’ireo mpikambana

Lalao momban’ny varika

Namokatra lalao afaka andraisan’ny olona rehetra anjara ny Chances for Nature. Jereo eto izany sy ao amin’ny rohy Learning apps.

Bokin’ny tetikasa AKO sy loharano hafa avy amin’ny Lemur Conservation Foundation (LCF)

Ny bokin’ny tetikasa AKO  dia hita amin’ny teny Anglisy sy Malagasy. Ny mpampianatra dia afaka maka ny boky sy ny afisy ao amin’ny tranonkalan’ny Lemur Conservation Foundation. Ankoatr’izay, ny LCF dia manana andianà afisy azo alaina miisa enina mikasika ny fonenan’ny varika, sy drafitra lesona maimaimpoana ho an’ireo tanora izay antsoina hoe : « Animal Fact or Fiction ». 

» Raha te-hahalala bebe kokoa momba ny tetikasa AKO
» Ireo fitaovana fanabeazana vokarin’ny LCF

Boky fanabeazana novokarin’ny GERP

Ny GERP dia anisan’ny fikambanan’ny mpikaroka Malagasy momba ny varika manao ezaka manokana momba ny fanentanana sy fanabeazana manokana ny ankizy sy tanora ho tia sy hiaro ny varika ary ny tontolo iainany.

Indro boky iray natokana ho tari-dalàna ho an’ireo mpampianatra maniry hampianatra bebe kokoa mikasika ny tontolo iainana. Vakio eto.

Horonan-tsary ho fanabeazana

Ireo karazana horonan-tsary vokarina mitantara ireo harena voajanahary sy vakoka eto Madagasikara dia azo ampiasaina tsara ho fitaovana entina manabe sy manentana ny ankizy ary ny olon-dehibe.

Horonan-tsary novokarin’ny GERP

Indro horonan-tsary mihetsika novokarin’ny GERP mitondra ny lohateny hoe “Alan’i Manombo: Reharehan’ny Agnambahy

Horonan-tsary novokarin’ny Eyes of the World Films

LCN dia miara-miasa ihany koa amin’ireo olona maro miasa an-tsitrapo amin’ny famokarana horonan-tsary mihetsika ho fanentanana sy fanabeazana ny ankizy ho tia ka hiaro ny varika sy ny ala fonenany.

Indro horonan-tsary fohy momba ireo varika novokarin’ny “Eyes of The World Films” afaka ampiasaina tsara ho fanabeazana sy fanentanana ireo olona sy ankizy eny ifotony izy ireto.

 

Indro horonan-tsary fohy momba ireo babakoto novokarin’ny “Eyes of The World Films” afaka ampiasaina tsara ho fanabeazana sy fanentanana ireo olona sy ankizy eny ifotony izy ireto.