Main Menu

Ny tantara niandohanay

Ny tantaran’ny Lemur Conservation Network

Ny niantombohanay

Tamin’ny 21 Febroary 2014 dia nanonta ny Lemurs of Madagascar: A Strategy for their Conservation 2013-2016 (Drafitr’asa hiarovana ny varika 2013-2016) tao amin’ny Journal Science ny vondrona Malagasy ao amin’ny IUCN SSC Primate Specialist Group. 

Tamin’ny 2015 dia natsangan’i Lynne Venart sy Kim Reuter ny Lemur Conservation Network (LCN) mba hampiroboroboana ny filàna famatsiam-bola hanohanana io drafitr’asa ho an’ny varika io.

Ny fanombohana ny tambajotra LCN dia noheverina ho toy ny torolàlana an-tserasera ho an’ireo olona rehetra mankafy sy tia ireo varika. Fa eo ihany koa ny fahafahana mahalala ho an’ireo olon-tsotra izay te-hamatsy ara-bola na hanampy ireo fikambanana mba hisian’ny fampiroboroboana ny asa sy ny fiaraha-miasa. Tamin’ny volana Febroary 2015 no nitsangana ny LCN sy ny tranon-kala, izay herintaona taorian’ny namoahana ny drafitr’asa.

Niainga tamin’ny tetik’asa ka lasa fikambanana tsy miankina any Etazonia

Nanomboka ny taona 2015 ka hatramin’ny 2020, ny LCN dia tetikasan’ny vondrona Malagasy ao amin’ny IUCN SSC Primate Specialist Group izay notarihin’i Dr. Christoph Schwitzer, Prof. Jonah Ratsimbazafy, ary Dr. Steig Johnson. Tamin’ny volana Janoary 2021 dia lasa fikambanana tsy miankina sy tsy mitady tombon-tsoa manokana, voasoratra ara-dalàna any Etazonia ny Lemur Conservation Network, Inc. .

 

Ny LCN anhehitriny

Ankehitriny ny LCN dia atao ho tambajotra mampivondrona  ireo fikambanana maherin’ny 60 amin’ny fampahafantarana ny asa fiarovana ataon’izy ireo amin’ny alàlan’ny tranonkala, bilaogy ary tambajotra sosialy. Manampy amin’ny fandrindrana sy fampiroboroboana ny andro manerantany ho an’ny varika sy ny dihin’ny varika maneran-tany ihany koa izahay ho antsika malagasy sy ny olona manerantany. Miara-miasa amin’ireo mpikambana ato amin’ny LCN izahay mba hamenoana ny banga amin’ny famatsiam-bola, fampahafantarana azy ireo ary ny fanabeazana.