Main Menu

Lemur Conservation Network-Asa filatsahana an-tsitrapo

Mitady olona hirotsaka amin’ny asa filatsahana an-tsitrapo (Volunteer) izahay ato amin’ny Lemur Conservation Network ho amin’ireto asa ireto.

  • Asa filatsahana an-tsitrapo mandrindra  ireo hetsika ho an’ny andron’ny varika maneran-tany isam-paritra (Regional World Lemur Day event Coordinator)
  • Asa filatsahana an-tsitrapo amin’ny serasera ho an’ny siansa (Science communication volunteer)
  • Asa filatsahana an-tsitrapo manao sary ho an’ny andron’ny varika maneran-tany (World Lemur Design Day Volunteer)

Miara-miasa aminay hiarovantsika ireo varika!

Ireo olona mirotsaka amin’ny asa filatsahana an-tsitrapo miaraka amin’ny LCN dia miara-miasa akaiky ao amin’ireo ekipa miasa feno ho an’ny LCN. Noho izany, mandray anjara feno amin’ireo fivoriana ara-potoana tanterahina eo anivon’ny ekipa izy ireo. Manana ireo andraikitra hafa sahaniny toy ny asa aman-draharaha, na fianarana, na asa hafa, na andraikitra eo anivon’ny fianakaviana tahaka ny rehetra ny mpiasa an-tsitrapo ary hajainay eo anivon’ny LCN izany. Vonona hiara-hiasa sy handrindra ny asa araka izay mahamety ny fandaharam-potoana an’ireo izay olona miara-miasa aminay izahay eto amin’ny LCN.

Asa filatsahana an-tsitrapo mandrindra ireo hetsika ho an’ny andron’ny varika maneran-tany isam-paritra (Regional World Lemur Day event Coordinators)

Mitady olona hiasa an-tsitrapo ho mpandrindra ny hetsika atao isan-taona ho an’ny andron’ny varika maneran-tany izay hankalazaina amin’ny firenena sy toerana maro eran-tany izahay.

Ny hetsika “andron’ny varika maneran-tany” dia natao indrindra hanentanana ny olona maro manerana izao tontolo izao amin’ny fitiavana ny varika sy ny fanentanana amin’ny fiarovana azy sy ny ala fonenany.

Mpandrindra ny hetsika ivelan’i Madagasikara

Ny mpandrindra ivelan’i Madagasikara dia mandrindra ny hetsika rehetra tanterahina any ivelan’i Madagasikara mandritra ny andron’ny varika maneran-tany ny volana Oktobra sy Novambra 2020 ho avy izao.

Miara-miasa akaiky amin’ny tompon’andraikitra serasera sy tranon-kalan’ny LCN izay monina any Etazonia, ny olona miasa an-tsitrapo amin’ny fandrindrana ireo hetsika ivelan’i Madagasikara. Noho izany, fepetra takiana voalohany amin’io asa filatsahana an-tsitrapo io ny fahaizana miteny sy manoratra ny teny Anglisy.

Raha te-hahalala bebe kokoa momba io asa io dia vakio eto.

Mpandrindra ny hetsika eto Madagasikara

Tsy mandray fangatahana filatsahana an-tsitrapo intsony izahay! Mankasitraka anareo rehetra! 

Ireo mpandrindra ny hetsika “andron’ny varika maneran-tany” tanterahina eto Madagasikara dia miara-miasa amin’ny mpandrindran’ny LCN eto Madagasikara, Dr Seheno Corduant, ka manoratra bilaogy, mampahafantatra ny hetsika rehetra tanterahina mandritra io vanim-potoana io amin’ny alalàn’ny fizaràna sy fanaovana dokam-barotra ireo hetsika rehetra amin’ny tambazotra sosialy.

Mifandray amin’ireo Oniversite, zoos, valajava-boahary arovana ary ireo fikambanana mpikambana ato amin’ny LCN izay miasa eto Madagasikara, ny mpandrindra ka mamporisika azy ireo hanomana izany hetsika izany amin’ireo toerana izay iasan’izy ireo.

Sary fanehoana ny fankalazana ny andron’ny varika maneran-tany tany Ranomafana-taona 2019

Mandray an-tsoratra sy mampahafantatra ny datin’ireo hetsika rehetra hisy eny amin’ny faritra rehetra eto Madagasikara ny mpandrindra ka manoratra izany ao anatin’ny fandaharam-potoana efa voatokana hanoratana izany.

Manampy sy manentana ireo olona rehetra liana hankalazana io hetsika io ny mpandrindra ka manome toro-hevitra azy ireo amin’ny fanomanana hetsika na dia kely aza ka azo tanterahina amin’ireo toerana misy azy.

Manomboka ny volana May ka hatramin’ny volana Novambra 2020 io asa filatsahana an-tsitrapo io.  Mila fahafahana eo amin’ny 20 ora isam-bolana eo io asa filatsahana an-tsitrapo io. Ary hisy volana izay hiasana bebe kokoa noho ireo volana hafa. Ny fandaharam-potoana dia azo hifampiresahana tsara. Entanina hanatrika sy haka sary ireo hetsika rehetra misy amin’ireo toerana misy azy ny mpandrindra. Marihina fa misy ny famatsiana kely hanampiana ireo mpandrindra amin’izany.

Fepetra takiana ny fahaizana miteny sy manoratra tsara ny teny Malagasy. Tsy fepetra takiana ny fahaizana ny teny Anglisy fa kosa tena hanampy amin’io asa io.

Manasa ireo rehetra liana hiara-hiasa aminay na avy eto Antananarivo fa indrindra ihany koa ireo avy any amin’ny faritra hirotsaka amin’io asa filatsahana an-tsitrapo ( Regional World Lemur Day event Coordinator-Madagascar) io. 

Raha liana amin’io asa filatsahana an-tsitrapo io ianao ka maniry hametraka ny fangatahanao dia mandefasa mailaka amin’i Dr Seheno Corduant, sehenocorduant.lemurnetwork@gmail.com. Manorata amin’ny teny Malagasy ary mariho tsara ao amin’ny fangatahana ataonao ny toerana fonenanao eto Madagasikara, ny mombamomba anao (azo alefa ny Curriculum vitae) sy ny antony mahaliana anao hirotsaka amin’io asa filatsahana an-tsitrapo io (afaka mandefa taratasy fanehoam-pahavononana na lettre de motivation).

Ho an’ireto asa filatsahana an-tsitrapo manaraka ireto dia hiara-hiasa amin’ny mpiasan’ny LCN izay monina any Etazonia ireo mpiasa an-tsitrapo. Noho izany, anisan’ny fepetra takiana ny fahaizana manoratra sy miteny ny teny Anglisy.

Raha liana amin’ireo asa filatsahana an-tsitrapo ireo ianao, dia alefaso ny fangatahanao amin’ny teny Anglisy amin’ity adiresy mailaka ity lynnevenart.lemurnetwork@gmail.com, ka alefaso ny mombamomba anao (Curriculum Vitae) ary hazavao ny antony mahaliana anao hirotsaka an-tsitrapo amin’ireo asa ireo.

Asa filatsahana an-tsitrapo amin’ny serasera ho an’ny siansa (Science communication volunteer)

Ny asa serasera ho an’ny siansa dia miompana indrindra amin’ny serasera atao eo amin’ny tambazotra sosialy momba ny varika sy ny fanentanana ireo vahaoka mpanaraka ny LCN amin’ny fitiavana sy fiarovana ny varika.

Koa raha te-hahalala bebe kokoa momba io asa filatsahana an-tsitrapo io dia vakio eto.

Asa filatsahana an-tsitrapo manao sary ho an’ny andron’ny varika maneran-tany (World Lemur Design Day Volunteer)

Logo 2019- Andron’ny varika maneran-tany namboarin’i Kenna Cupp

Ny asa fanaovana sary na kisary na logo dia anisan’ny asa mibahana ihany koa eto amin’ny LCN. Ho fanehoana ny fiarahana mankalaza ny andron’ny varika maneran-tany dia manamboatra logo iray isan-taona izahay ato amin’ny LCN.

Miantso ireo olona manan-talenta afaka hiasa an-tsitrapo amin’ny fanamboarana izany logo izany izahay.

Koa raha te-hahalala bebe kokoa momba io asa filatsahana an-tsitrapo io dia vakio eto.

 

 

 

 

 

 

 

Comments are closed.