Manasa anao hiditra ao anatin’ny tambazotra LCN!
Anisan’ny tetikasan’ny IUCN Primate Specialist Group izay miompana amin’ny fanentanana ho an’ny fiarovana ny varika sy ny toeram-ponenany ary manampy sy manohana ireo vondrona sy fikambanana miasa eny ifotony ho fiarovana ny varika ny harena ara-boajanahary eto Madagasikara.
Ny tanjon’ny Lemur Conservation Network dia ny haneho sy hampiely ireo asa tsara rehetra vita eto Madagasikara ho an’ny fiarovana ny varika. Manana tetikasa tsara ary mahomby avokoa ireo mpikambana ato amin’ny LCN ary mampiseho izany amin’ny fomba mitovy tsy misy fiangarana izahay.
Tsy misy sarany na fandoavana latsak’emboka ny fidirana mpikambana
Tsy misy sarany na fangalana amin’ny ampahany ny vola fanomezana voaray ho an’ny mpikambana. Ary tsy misy sarany ihany koa ny asa rehetra ho fanohanana atao ho an’ny mpikambana.
Alefaso ny fangatahana hiditra ho mpikambana
Raha toa vondrom-pikambanana (association na ONG), vondron’ireo mpikaroka, na fahi-bibidia na zoo no toerana hiasanao ka maniry hiditra ho mpikambana ato amin’ny Lemur Conservation Network, dia alaivo ary fenoy ity taratasy alefa teo ambany iny ary mandefasa mailaka amin’i Lucía Rodríguez. Indro ny mailaka: lrodriguez.v6@gmail.com
Ndeha hiara-hiasa ao anatin’ny fanoratana bilaogy!
Ny Lemur Conservation Network bilaogy dia toerana iray ahafahan’ireo mpanaraka sy ireo mety ho mpamatsy vola ireo vaovao sy zava-misy manodidina ny fiarovana ny varika. Koa manasa indrindra ireo mpikaroka, mpitarika, mpanabe, mpaka sary matihanina, mpitari-dia sy sns izahay hanoratra bilaogy miaraka aminay. Raha misy zavatra tianao ho zaraina na tantaraina dia aza misalasala mifandray aminay.