Eto Madagasikara, ny fizahan-tany maitso na Ecotourisme dia ahazoan’ireto zavatra manaraka ireto tombony : na ny mpizahan-tany izany, na ny mponina eny ifotony, na ny varika sy ireo bibidia hafa. Ny fizahan-tany maitso mantsy dia manampy ny fiarovana ny natiora amin’ny alàlan’ny fanohanana ny asa fiarovana sy ny fanomezana fidiram-bola maharitra ho an’ny mponina eny […]
