Main Menu

Fiarovana ny varika sy fitantanana ny ala ao Manombo- tetikasa ataon’i GERP

Fifaliana ho an’ny Lemur Conservation Network indray no mampahafantatra ny tetikasan’ny GERP any Manombo ao anatin’ity bilaogy ity. Ny tetikasa GERP Manombo moa dia isan’ireo tetikasa sahanin’ny GERP na Groupe d’Etudes et de Recherches sur les Primates de Madagascar, Mpikambana ato amin’ny LCN.

Lazalazao aminay fohifohy ny mombamomban’ny tetikasa GERP Manombo?

Ny tetikasa GERP Manombo dia nitsangana ny taona 2017. Ao Manombo, Farafangana any amin’ny faritra atsimo atsinanan’ny nosy no ivon-toeran’ny tetikasa. Natsangana izy io ho fanohizana ny fiarovana ireo zavaboahary, indrindra ny Varika manodidina sy ao anatin’ny ny “Réserve Spéciale” Manombo. Tsy mitsaha-mitombo mantsy ireo tsindry mianjady amin’izy ireo toy ny afo, ny fitrandrahana hazo, ny fihazàna sns… 

Fiaraha-miaro miaraka amin’ireo olona ifotony no fototra iorenan’ny tetikasa, mba hananana harena ara-boajanahary maharitra, indrindra ho reharehan’ny taranaka ho avy.

 

Inona avy ireo karazana varika iasanareo?

Iasànay daholo ny karazana Varika ao amin’ny alan’i Manombo satria mifandray amin’ny fiarovana azy ireo daholo ny tanjon’ny tetikasa tsirairay. Ireto avy izy ireo: Varikamena (Eulemur cinereiceps), Varijatsy (Varecia variegata editorum), Halo (Hapalemur meridionalis), Boniky (Avahi ramanantsoavanai), Tangalavaka (Lepilemur jamesorum), Tsitsidy (Microcebus jollyae), Tsitsihy (Cheirogaleus major) ary ny Haihay (Daubentonia madagascariensis) izay eo andalam-pikarohana izahay hamantarana ny mbola fisian’io varika io ao anatin’ny alan’i Manombo na tsia.

Inona no nahatonga ny GERP handray anjara amin’ny asa fiarovana ny varika ao Manombo? 

Efa tamin’ny fiandohan’ny taona 1990 i Pr. Jonah Ratsimbazafy, filohan’ny GERP, no efa nanomboka niasa tany amin’ny faritr’i Manombo. Toerana nanatanterahany ny Thèse de Doctorat-ny ny alan’ i Manombo tamin’ny fiafaran’ny taona 1990 sy ny fiandohan’ny taona 2000. Nandritra izany fotoana izany dia efa nijery izay mahasoa ny faritra izy ka isan’izany ny fananganana fotodrafitrasa mafy orina dia sekoly iray ho an’ny taranaky ny faritra izay mbola hita any mandrak’ankehitriny. 

Rehefa niasa tao amin’ny Durell Madagascar izy dia isan’ireo toerana nametrahan’ny Durell Madagascar tetikasa fiarovana ny alan’i Manombo hatramin’ny fiandohan’ny taona 2015. Taorian’ny fialan’ny Durell tany antoerana dia nanapa-kevitra izy fa tsy maintsy tohizana ny asa atao any Manombo ka ny GERP no nanohy izany nanomboka tamin’ny fiafaran’ny taona 2015 ka hatramin’izao.

Inona avy ireo asa sahanin’ny tetikasa GERP Manombo ary inona ireo zava-bita amin’izany? 

 Ireto avy ireo asa izay sahanin’ny tetikasa GERP Manombo: 

  • fisafoana ala miaraka amin’ireo polisin’ala,
  • fanaraha-maso sy fanisàna ireo Varika,
  • fanarenana sy fanatevenana ny ala arovana, 
  • fitsaboana faobe,
  • fanatsaràna ny velotenan’ny mponina toy ny fambolena, fiompiana tantely ary fampivoarana ny sehatrasa ho an’ny vehivavy,

Fanamboarana ny tranon-tantely iarahana amin’ireo mponina ifotony, photo credit: GERP Manombo

  • tsy hadino ary tena zava-dehibe tsy maintsy atao ny fanabeazana sy fampianarana ara-tontolo iainana ny ankizy.

Ireo asa rehetra ireo dia manampy amin’ny fiarovana ny varika avokoa na mivantana na an-kolaka. 

Raha tsy voky ny olona tsy ho voaaro ny varika, raha tsy voaaro ny ala tsy voaaro ny varika, raha tsy manana asa fivelomana ny olona tsy ho voaaro ny ala, raha tsy voaaro ny ala tsy ho voaaro ny varika.

Ny fambolena hazo no anisan’ny zava-dehibe notontosaina tamin’ity taona ity. Izany dia niarahana niasa tamin’ireo mponina eny ifotony sy ny Madagascar National Parks (MNP).

Zanakazo karazany roa (2) miisa 5720 no voavoly tanatin’ny velaran-tany 4.5 Ha.

Inona ny zava-tsarotra na “challenge” tamin’io asa fiarovana varika ataonareo io sy ny nataonareo niatrehina izany?

Fanentanana sy fandresen-dahatra

Rehefa hita fa nihapotika ny ala dia nandresy lahatra ny mponina hiala tsikelikely amin’ny fahazarany taloha no anisan’ny fanamby voalohany natrehan’ny tetikasa. Fitaomana tsy atao an-tery, arahina vokatra sy tombotsoa, azo tsapain-tanana, azo avy amin’ny ezaka atao no itarihana azy ireo.

Fanentanana amin’ny fanatsaràna ny velontena

Manarak’izany ny fanentanana ny olona handray anjara amin’ireo asa ho fanatsaràna ny velon-tenan’ny mponina. Tany tena mahavokatra tokoa mantsy iny faritra iny kanefa miankina amin’ny fahazotoan’ny mponina no ahitam-bokatra.  Mitombo isan-taona araka izany ny olona sy tanàna liana hanaraka ireo fiofanana rehefa mahita ny fitombon’ny vokatra azon’ny namany.

Hatreto dia miisa 541 ny tokantrano misitraka sy mahazo tombotsoa mivantana avy amin’ireo tetikasa fampandrosoana. 

Inona no asa miandry ka ilànareo famatsiana sy fanampiana?

Ny fanatràrana ireo tanjona efa napetraka hatrizay foana no anisan’ny mbola miandry ny tetikasa amin’ny ho avy dia ny fampitomboana ireo mpisitraka amin’ny asa fanatsaràna ny velon-tenan’ny mponina. Ny fanatsaràna ireo foto-drafitr’asa ilaina amin’ny fanabeazana, fitsaboana, famatsiana rano fisotro madio ary famokarana izao no isan’ny tena ilain’iny faritra iasan’ny tetikasa iny. 

Inona no hafatra tianareo hampitaina ho an’ny mpamaky?

Anisan’ny mampahomby ny fiaraha-miasa amin’ny mponina eny ifotony ny fanehoana aminy fa noho ny fitiavana azy sy ho fitsinjovana ny tarànany no antony voalohany isian’ny tetikasa iray.

Isaorana betsaka ny ekipan’ny tetikasa GERP Manombo rehetra nanampy tamin’ny fanoratana sy nanome ny sary fandravahana ity bilaogy ity. 

Momba ny mpanoratra

Misa Rasolozaka dia manana Master 2 amin’ny “SIG et Teledetection” avy ao amin’ny I.O.G.A (Institut et Observatoire de Géophysique d’Antananarivo), Oniversiten’Antananarivo. 

Mpankafy natiora indrindra ny zavaboahary eto Madagasikara izy ary te hisehatra amin’ny tontolon’ny fiarovana azy ireo sy ny fampandrosoana ny mponina eny ifotony. Nohon’ny fitiavany manokana ny varika sy ho fandraisany anjara amin’ny fiarovana azy ireo no nahatonga azy nirotsaka an-tsitrapo ato amin’ny LCN.

 

 

 

 

, ,