Main Menu

Fikarohana sy fianarana momban’ny varika : anisan’ny fitaovana entina hiaro azy ireo

Lazaina matetika hoe efa ahiana no lany tamingana anie ny varika e! ka inona ny hevitra? tapitra ve ny ady? Avelantsika ho lany tamingana ve ny varika? Tsia hoy Koloina Rakotoarivelo, ny fikarohana sy ny fianarana momban’ny varika dia anisan’ny fitaovana iray entina manana paik’ady amin’ny fiarovana azy ireny! Tafaresaka taminay i Koloina, mpikambana LCN ka vakio ny bilaogy hahalalanao bebe kokoa momba azy.

Lazalazao aminay hoe inona no fianarana ataonao?

Koloina Rakotoarivelo no anarako, izaho dia mpianatra mpikaroka nahavita ny famaranana ny taona fahadimy ao amin’ny “Faculté des Sciences” , “Mention Anthropobiologie et Développement Durable” ,”laboratoire: Primatologie”
Ny fianarana sy fikarohana nataoko dia momban’ny fomba fiainan’ny Varika na ny gidro izay tsy hita raha tsy eto Madagasikara.
Tamin’ny namaranako ny taona fahadimy dia mahakasina ny fomba fiainan’ny Sifaka”Propithecus diadema“no fikarohana nataoko.
Inona no antony nahaliana anao hanao io fianarana na fikarohana io?
Ny Varika dia anisan’ny biby tsy hita raha tsy eto Madagasikara ary ahiana mafy ny hahalany tamingana azy ireo. Manoloana izany ny Varika dia anisan’ny mahasarika mpizaha-tany maro ho tongo hitsidika an’i Madagasikara.
Anisan’ny zavatra nanaitra ahy indrindra tany ampiandohana dia ny maha zava-dehibe sy manandanja ny fiarovana azy ireo tsy ho lany tamingana, Ary izany indrindra no nahasarika ahy mianatra sy mikaroka momban’ny Varika sy ny toeram-ponenany, izay tena ilaina fantatra amin’ny fiarovana azy ireo.

Inona no nofinao na tanjona anananao aorian’ny fianarana ataonao?

Raha ny tanjoko dia ny handray anjara amin’ny asa fiarovana ireo Varika ireo izay tena ahiana ho lany tamingana eto Madagasikara anefa dia harena Sarobidy tsy hita raha tsy eto amintsika. Anisan’izany ny fanohizana ny asa fikarohana momba azy ireo izay tena manampy sy ilaina amin’ny fomba atao amin’ny fiarovana azy izay tena zava-dehibe.

 Raha misy toa anao, te hianatra momban’ny varika, inona no hafatra tianao ampitaina?

Ho anao izay te hianatra momban’ny Varika dia tena mampirisika anao Aho satria mbola betsaka ny fianarana sy fikarohana Mila atao momba ireo Varika ireo. Biby izay anisan’ny tena miavaka izy ireo Ary tsy hita raha tsy eto Madagasikara anefa dia mampalaelo fa miha lany Tamingana.
Tena ilaina ny fikarohana sy fianarana momba azy ireo, Ary anisan’ny fiataovana ho fiarovana azy tsy ho lany tamingana izany.