Fitsidihana toerana tany Berenty: Mahavariana ny hatsaran’ny harenantsika Malagasy

Entin’i  Rakotoarisoa Rojotiana Naval, mpikambana LCN, any Berenty isika. Tantarainy ato anatin’ity bilaogy ity ny hatsaran’ny harena voajanahary ananantsika Malagasy any Berenty, rehefa sendra niasa tany izy.

Toerana fanta-daza ho an’ny mpizahan-tany Berenty

Berenty dia any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara no misy azy, 95km miala an’i Fort Dauphin any amin’ny faritra Anosy. Io toerana io moa dia tantanin’i fianakaviana De Heaulme. Ny tena mampalazan’io toerana io moa ilay sifaka na Propithecus verreauxi mitsambikina mamindra amin’iny tany fantatra amin’ny hoe « Danse des sifaka » na « dancing sifaka» izay tena mahaliana ireo mpizahan-tany.

Toerana ahitana karazana varika enina be izao!

Nanao assistant de recherche sy terrain master no tena nataoko tany. Misy karazana gidro miisa enina any amin’io toerana io : telo amin’ireo dia mandeha amin’ny atoandro dia ny sifaka na Propithecus verreauxi, ny maki na Lemur catta, ny varika na Eulemur  rufrifrons. Ny telo ambiny mandeha amin’ny alina dia ny Microcebus griseorufus, Microcebus murinus ary Lepilemur leucopus. Nanisa sy nanaraka Maki sy varika moa no tena nataoko tany.

 

Mahavariana ny habetsahan’ny karazam-biby ao

Mahagaga hoy i Rojo fa Berenty noho izy ahitana karazam-biby sy ny varika maro na dia somary kely aza ny habehany hoharina amin’ny faritra arovana hafa.

Marihina fa efa somary zatra olona ny varika any ka tsy tahaky ny faritra arovana hafa hoe mandeha dian-tongotra alavitra vao mahita karazana biby, fa dia manakaiky ny trano hipetrahana dia efa misy varika sy maki sy sifaka misakafo sy mivezivezy izay akaiky ala. Ao anatin’izany dia tsara marihina fa tsy manome sakafo ho azy ireo ny olona fa mivezivezy ao anaty ala hatrany izy ireo.

Tsy dia mandreraka ihany koa ny miasa any satria tsisy fiakarana be any amin’io toerana io. Mahafinaritra ahy ihany koa mahita ireo sifaka izay liana, mandinika ahy rehefa miasa ao anaty ala ; sy mahita ireo Maky manao « marquage ». Mafana dia mafana moa ny any mety mahatratra hatramin’ny 40° amin’ny atoandro amin’ny volana novambra sy desambra iny.

Ny mponina eny ifotony

Tandroy sy ny Tanosy no tena fiavian’ny olona mipetraka any Berenty. Olona tia mandray vahiny sy manana fomba amam-panao miavaka izy ireo. Ny ankamaron’izy ireo dia mivelona amin’ny orinasan’ny fianakaviana De Healme. Vitsy amin’izy ireo no mamboly sy miompy. Somary sahirana ara-pivelomana ny olona any noho ny fahasarotan’ny fiainana sy ny fisian’ny hain-tany izay mahakely ny vokatra, ary misy fotoana dia misy mihitsy ny Kere. Na dia izany aza dia tsy hita eny amin’ny endrik’izy ireo izany fa dia hafaliana sy tsikitsiky foana no hita taratra rehefa miresaka sy mijery an’ny mponina any ary tia mizara izay hananany.

Ny hafatra  ve?

Tongava mitsidika io toerana io fa tena manaiky ny natiora tsara ary tsy dia mandreraka be ny mitsidika azy nefa dia mahita karazana biby sy varika izay maro isan-karazany. Manentana antsika ihany koa hiaro ny varika izay zanatany eto Madagasikara.

Scroll to Top