Main Menu

Fikarohana sy fiarovana ny varika ve? Ny tanora no tena amporisihina hiditra an-tsehatra

I Ella Delphine Harisoamalala, mpikambana LCN indray no hiresaka amintsika ato anatin’ity blog ity. Ny tena anisan’ny hafatra omeny: Ny tanora no ho avin’ny firenena, ho avin’ny fiarovana ny varika.

Ella Delphine Harisoamalala any Mangevo Ranomafana

Lazalazao hoe inona no fianarana sy fikarohana ataonao?

Izaho dia nanaraka lala-mpiofanana « Conservation et Valorisation de la Biodiversité » aho tao amin’ny «  Institut des Sciences et Techniques de l’Environnement », ary nahazo ny mari-pahaizana « Licence ». Taorian’izay dia nanohy teny amin’ny Fakiolten’ny siansa, Oniversiten’i Fianarantsoa ka nahazo ny maripahaizana « Master 2 indray rehefa nisafidy ny lalam-piofanana « Biodiversité Tropicale ». Ny fikarohana izay ataoko ankehitriny dia mijery ny fiantraikan’ny hafanana sy ny rotsakorana ami’ny toetry ny varibolo (Prolemur simus) ao amin’ny Parka Ranomafana.

Prolemur simus na Varibolo any Ranomafana

Inona no antony nahaliana anao hanao io fianarana na fikarohana io?

Anisan’ny nanosika ahy hianatra sy hanohy fikarohana ny fitiavako manokana ny varika , noho izy ireo sarobidy sy iharan’ny vesatra isankarazany, indrindra fa noho izy ireny marefo ka ahiana ho lany tamingana.

Fony mbola zaza aho dia tia manaraka irony « documentaire » mahakasika ny biby sy ny zava-maniry irony, ka namefy ahy izany ary anisan’ny nanosika ahy hianatra mahakasika izany.

 

Inona no nofinao na tanjona anananao aorian’ny fianarana ataonao?

Izaho dia manana fikasana hanohy ny fianarako, handalina bebe kokoa mahakasika ny varika sy ny fifandraisany amin’ny toeram-ponenany.

Ny tanjoko sy dingana manaraka  amin’izany dia hahazo ny mari-pahaizana « Doctorat » ka mba handray anjara amin’ny fiarovana ny varika sy ny toera-mponenany noho izy ireo ahiana ho lany tamingana (98%).

Mandritra izany dia manana fanamby aho hisehatra amin’ny asa fiarovana sy fitantanana ny zava-manan’aina, hampihatra ny fahalalana amin’ireo tetikasa misahana izany eto Madagasikara.

Ny fanambiko lehibe dia ny hahafahako miaro ny varika sy ny toeram-ponenany, handrindra sy hitantana tetikasa fiarovana ny tontolo iainana, hitondra sy hampihatra vahaolana sy fampandrosoana maharitra ho an’ny mponina manodidina ny ala sy ny Malagasy rehetra.

 

 

Raha misy toa anao, te hianatra momban’ny varika, inona no hafatra tianao ampitaina?

Manentana antsika mpianatra sy mpikaroka mba hanohy hatrany izay asa fikarohana izay, ahafahantsika mahafantatra bebe kokoa ny varika ka hahafahantsika rehetra miara-misalahy amin’ny fiarovana azy!

Mamporisika ihany koa aho ho an’ireo zandry, namana maniry hianatra momba ny varika, mazotoa manaraka vaovao, mifandraisa ami’ny vondrona sy ireo olona matianina mpikaroka momba ny varika fa izany ihany koa no ahafahanao mamaritra tsara sy mahazo torohevitra ka hanefy anao amin’ny fianarana izay kasainao hatao.

Manankarena zavaboahary i Madagasikara, ary isika Tanora Malagasy mihitsy no tena amporisihina hanao asa fikarohana sy hisehatra amin’izay fiarovana ny harenantsika izay.