Main Menu

Mpitsabo biby fa miaro sy mikaroka momban’ny varika ihany koa

Raha lazaina hoe mpitsabo biby na Vétérinaire dia inona no tonga ao an-tsaina voalohany? Mpitsabo biby toy ny akoho na omby ve? Misy ihany koa ny mpitsabo bibidia na ny atao hoe faune sauvage. Anisan’izany i Mitia Andrianantenaina, mpikambana LCN. Araho ity bilaogy ity fa mizara ny fitiavany ny asa sy fikarohana ataony momban’ny varika izy.

Mba lazalazao ny momba anao?

Mitia Andrianantenaina ny anarako, izao dia mpianatra taona farany ao amin’ny “Faculté de Médecine”, “Mention Vétérinaire”. Efa hatramin’ny fahakeliko aho dia tia sy nifanerasera tamin’ny biby sy ny natiora, ka nitsiry tato amiko ny faniriana hitsabo azy ireny. Hatreto dia mbola “assistante chercheur” aho, izany hoe manohana ireo mpikaroka momba ny biby amin’ny asa fikarohana ataony. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny “collecte et l’analyse des données” “collecte et préparation des échantillons” , fandraisana anjara amin’ny :, fanoratana tatitra… Ny vétérinaire dia tsy voafetra eo amin’ny fitsaboana ihany fa afaka misehatra amin’ny tontolo hafa maro anizan’ izany ny “recherche”.

 

Inona no mahatonga anao liana amin’ny fikarohana momban’ny varika?

Ny varika izao dia biby avy eto Madagasikara no nipoirany, nefa araky ny valim-pikarohana nataon’ny IUCN dia ahiana tanteraka ny ahalany tamingana ny hakamaroan’izy ireo. Zavaboary mahavariana sy miavaka ny varika. Mba handinihana azy ireo dia ilaina ny mahafantatra ny toeram-ponenany, ny fitondran-tenany ary ny maha-zava-dehibe azy ireo eo amin’ny tontolo iainana eto Madagasikara.

 Inona ny nofy sy tanjona anananao?

Raha ny nofiko dia ny mba ho mpitsabo ireo bibidia na ny hoe “faune sauvage”, ary hanatanteraka asa fikarohana mba hitahirizana ny karazana zavamanan’aina. Iarahantsika mahalala fa tena manankarena karazana zava-manana’aina isika na ny “biodiversité” vitsy nefa ny mpitsabo biby misehatra amin’io tontolo io, izaho rahateo dia tena “passionnée”, tsy mijanona amin’ny resaka fitsaboana ihany fa ny “découverte sy aventure” ihany koa.

Inona no hafatra kely?

Ny varika dia biby miavaka ary eto  Madagasikara ihany no ahitana azy. Miha lany taminga anefa izy ireo ka noho izany dia mila ahy, mila anao, mila antsika izy ireo hiaro azy ho an’ny taranaka any aoriana.