Main Menu

Fitsidihana toerana: Alan’ny Amboloando ahitana Sifaka

Entin’i Koloina Rafenoherilala, mpikambana LCN any Alan’ Amboloando isika, toerana iray 359 km miala eto Antananarivo, any amin’ny kaominina Dabolava, district any Miandrivazo. Toerana nanaovany fikarohana ary anisan’ny tena mampiavaka any io toerana io dia ny fisian’ireo Sifaka (Propithecus coronatus).  Mitantara amintsika ny fitsidihana nataony izy ao anatin’ity bilaogy ity.

Momban’ny Alan’ny Amboloando

Nanao fikarohana tany amin’ny Alan’ny Amboloando aho, izay fiaraha-miasa niaraka tamin’ny ONG IMPACT Madagascar. Ny Ala Amboloando dia any amin’ny kaominina Dabolava, distrika ny Miandrivazo, faritra Menabe. Eo amin’ny 359km miala ny Antananarivo raha manaraka ny lalana faha 34. Avy eo mandeha lalana dian-tongotra adiny 2 ora eo miala ny kaominina Dabolava.

Ny anton’ny fitsidihana

Ny anton’ny fitsidihana dia ny fanadihadiana tamin’ireo Vondron’Olona Ifotony momba ireo vokatry ny tohana sy fanampiana tamin’ny resaka fambolena sy fiompiana. Anisan’ny voatery miankina amin’ny  faonavana tavy mantsy ny ankamaroan’ny mponina. Eo ihany koa ny hain-tany izay miteraka fahasahiranan’ny mponina, izay antony voalohany mahasimba ny ala. Ireo tsindry ireo no anisan’ny nanosika ny Impact Madagascar hanohana sy hanampy ireo mponina eny ifotony ary hiaro ny zavaman’aina ao anaty ny Ala Amboloando.
Ka nanomboka nisian’ny fiarovana an’io ala io dia nanome fiofanana sy fanampiana teo amin’ny resaka fambolena sy fiompiana ny ONG Impact Madagascar ho an’ireo Vondron’Olona Ifotony izay miasa ao amin’io ala io.
Noho izany, ny asa natao tany dia  fanadihadihana tamin’ireo Vondron’Olona Ifotony ireo momba ny vokatry ny fanampiana an’izy ireo teo @ resaka fambolena sy fiompiana taorinan’ny asa fiarovana io ala io sy ny tontolo iainana eny an-toerana.

Toerana ahitana ny Sifaka

Anisan’ny tena mampiavaka io toerana io ny fahitana ny Sikafa (Propithecus coronatus). Tsara marihina fa ny ala Amboloando moa dia ampahana ala ihany, tendrombohitra feno bozaka ny manodidina azy nefa dia maro tokoa ireo zava-boahary hita ao (karazana zava-maniry sy biby maro samihafa toy ny vorona, reptile, varika).

sary : Koloina Rafenoharilala

Fa ny tena nahagaga ahy tamin’izaho tonga voalohany tany dia ny nahafantatra fa misy ala arovana any an-toerana na dia any amin’ny toerana hita somary ngazana ary. Ireo Vondron’Olona Ifotony ihany koa dia mazoto miasa tsara ( mamono afo rehefa misy doro tanety sy ny sisa) na dia alavitry ny toeram-ponenan’izy ireo ary ny misy ny ala arovana. Io risi-po sy finiavany hiaro ny ala dia anisan’ny tena mahavelom-bolo tokoa.

Ny toe-piainan’ny mponina

Amin’ny ankapobeany dia variana mitrandraka volamena ny mponina, eo ihany koa ny resaka tsy fandriam-pahalemana izay mampitaraina an’izy ireo. Na dia eo ary izany dia mazoto ary miray hina ny olona toy ny fiaraha-mientana amin’ny famonoana ny afo rehefa misy doro tanety sy ny fiarovana ny tontolo iainana.

Sary : Koloina Rafenoharilala. Fitrandrahana volamena any Dabolava

Hafatra kely

Raha tia zava-boahary sy tia miaro biby ary koa tia manao fanatanjahantena ianao dia mety tsara aminao ny ala Amboloando.

Sary : Koloina Rafenoharilala

Manasa anao ihany koa hitsidika ny toerana indrindra ho an’ireo mpikaroka fa mbola vitsy ny nanao fikarohana tao nefa efa ho lany tamingana ny varika ao (Propithecus coronatus).