Ireo mpanohana 

IUCN Species Survival Commission

logo-iucnsscNy IUCN Commission (SSC) dia tambazotra  iray izay mifantoka tanteraka momba ny siansa ary efa mihoatra ny 9.000 mahery ny isan’ ireo  mpiasa an-tsitrapo manam-pahaizana avy any amin’ny firenena rehetra saika manerana izao tontolo izao. Ny ankamaroan’ny mpikambana dia mpikambana ihany koa  amin’ny  ireo vondrona manam-pahaizana sy manan-traikefa mihoatra ny 130 isa toy ny  Red List Authorities and Task Forces.

IUCN SSC Primate Specialist Group

Ny “Primate Specialist Group” dia  tambazotra  iraisam-pirenena  izay hiombonan’ireo siantifika sy ireo mpiaro ny tontolo iainana. Anisan’ny hifantohan’ny asan’izy ireo ny fampirisihina ny fikarohana mikasika ny  ekolojia sy ny fiarovana ireo « primates » izay misy karazany efa ho aman-jatony- tahaka ny rajako ,  « apes », ny gidro/varika na ihany koa ireo mitovy aminy fa saingy mivoaka amin’ny alina ihany.

Scroll to Top