Fikambanana Ala Buissonnière: Fanabeazana no anisan’antoka ho an’ny fiarovana ny varika

“Fanabeazana sy fianarana no anisan’ny antoka ho an’ny fiarovana ny varika”. Izay no fehin’ny resaka nataonay niaraka tamin’ny fikambanana Ala Buissonnière. Indro araho eto ny resaka natao niaraka tamin’izy ireo.

Mba lazao ny momban’ny fikambanana?

Niforona tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny volana jiona 2024 ny fikambanana.  Ao Antananarivo ny foibe fa ao amin’ireo fokotanin’ny commune Ampasimpotsy ny fampianarana.
Ireo mpikambana :
Ny filoha : Miora Tsitoarivony
Ny filoha lefitra : Arnica Aloes
Ny mpitantsoratra : Manohisoa Azaria
Ny mpitantsoratra lefitra : Ryan Raharimanitra-Mala
Ny mpitahiry vola : Rova Razafialinivo
Ny mpanamarina vola : Aina Rajoelina

Ny mponina eny ifotiny no miaro ny ala. 80% ny mponina dia mivelona amin’ny fanaovana saribao sy tavy.

Izay ihany no fivelomana fantatray, sady tsy mila maripahaizana. Izahay manko tsy mahay mamaky sy manoratra’ hoy ny akamaron’ny mponina. Ny fahaizana mamaky sy manoratra dia fitaovana fandrantona fahalalana. Ny fahaizana mandinika sy mamakafaka kosa dia fitaovana entina mandray fanapaha-kevitra voadinika tsara sy voalanjalanja.

Inona avy ny tanjon’ny fikambanana?

Manamafy ny fahaizan’ny ankizy mamaky sy manoratra ny tanjon’ny fikambanana Ala Buissonnière, fa indrindra indrindra ‘mampianatra mandalina sy mamakafaka’. Ny tanjona manaraka ary mifampiakina aminy dia ny fampianarana an’ireo ankizy hamakafaka sy handalina mba hahaizany mandray fanapaha-kevitra voadinika tsara sy voalanjalanja. Ilainy izany hanany fijery mivelatra amin’ny fomba fivelomana mikajy ny tontolo iainana.
Ao anatin’ny 3 taona mietona dia tokony hihena ny isan’ny ankizy miala amin’ny fianarana manao saribao sy tavy. Ao anatin’ny 5 taona kosa, ho maripaka ny fandraisan’ireo ankizy andraikitra eo amin’ny sehatry ny fanentanana ny ankizy hafa amin’ny famerenana ny ala sy ny fikajiana ny tontolo iainana.
Ho feno 6 taona manko ny ‘jardin botanique’ karakarain’ireo, manokatra lalana maro ho eo anivon’ny fianarana sy ny anton-mpivelomana izany.

Inona no zavatra tsapa amin’ny lafin’ny fiarovana?

Araka ny fanadihadihana nataonay tety amin’ny faritra misy anay tamin’ny volana jolay farany teo dia mijanona tsy manohy fianarana intsony ny 70% ny mpianatry ny EPP mandrapahatonga ny kilasy T5. Mandeha manampy ireo raiamandreny manao tavy sy saribao izy ireo.
Mpikambana amin’ny fiarovana ny ala anefa ny 80% an’ireo raiamandreny ireo. Saingy noho ny tsy fahaizany mamaky teny sy manoratra dia tsy mahalala fomba hafa afaka entina mivelona izy ireo. Vokatr’izany, efa potika daholo ny ala gasy arovan’ny mponina ety amin’ny faritra misy anay.
Ilaina ny fanentanana ny ankizy dieny mbola any an-tsekoly izy. Tsy fanentanana tsy hanimbana ny ala fotsiny anefa, fa ny fameranana azy indrindra indrindra.
Raha ho an’ny varika manokana dia fantatr’ireo ankizy ny fisian’ny varika, saingy efa ringana ny ala gasy ka maro no tsy mbola nahita maso. Ny fampafantarana ireo zavabohary amin’ny ankapobeany manokatra ny sainy amin’ny asan’ireo zavabohary tsirairay eo anivon’ny tontolo iainana. Ny varika manokana dia manan-danja eo amin’ny famerenana ny ala. Efa mihavitsy anefa izy ireo ka ilaina ny fampafantarana ireo karazana varika sy ny fomba fiarovana sy fampitomboana indray ny isany.

Inona avy ireo zavatra atao?

Famakiana karazana boky

Ity taom-pianarana ity, ny boky nosoratan’i Allison Jolly no entinay  mianatra ireo biby sy zavabohary anatin’ireo karazana ala eto Madagasikara. Rehefa tapitra ny famakina ny tantaran’i Loina sy Mbolo, varikamena ao amin’ny saikanosin’i  Masoala, dia nanao kilalao novokarin’i ASLM izahay. Mampianatra ny fomba fiarovana ny ala ireo kilalao ireo.

Filalaovana karatra Varika

Ireo karatra momba ny Varika novokarin’ny Lemur Conservation Network kosa dia entinay manamafy ny fahafantarana ireo karazana varika sy toerana fivelomany. Rehefa vita ny tantara iray, dia manao karazana kilalao izahay. Liana ireo ankizy ary variana amin’ireo karazana varika, na ny habeany, na ny lokon’ny volony na ny lokon’ny masony. Ho an’ireo ankizy somary efa lehibe, manampy azy amin’ny famoronana fehezanteny ireo karatra.

Mazoto tokoa ireo ankizy ka mahatratra 95% ny fahatongan’ny ankizy mamaky boky raha toa ka 60% ny fandehanany any an-tsekoly.

Namaranana ny kilalao dia napetraka ny fanontaniana hoe :

Fa nahoana no tsy avelan’ny mpiandry ala ompina ny biby anaty ala ? Lahatsoratra maromaro namalin’i Anjara azy !

Ao anaty ny fanamafisana ny fahaizana mamaky, manoratra sy misaina dia mampiasa boky sy kilalao mifantoka amin’ny ala izahay. Tantara momba ny varika no hitondran’ireo boky ny ankizy mitety an’i Madagasikara inty taona inty. Hamafisin’ireo karatra Varika izany, ahafantarany misimisy koa ireo karazany maro, ny sakafony sy ny toerana fivelomany. Isambolana kosa ny ankizy dia manaraka ny fivoaran’ny ‘Jardin botanique’, mizatra manao fikarohana hampitomboana ny karazana zavamaniry izay sakafon’ny varika sy ireo biby hafa, ary manaramaso ny fitomboan’izy ireo.

 Teny Famaranana

Ny ankizy anio no hamerina sy hiaro ny ala rahampitso. Miezaka ny fikambanana manome azy ireo ny fitaovana ilainy entina manataterak’izany: ny fahafantarana ny lanjan’ny zavaboary ary ny fahaizana mandalina entina hiarovana azy.
Indro zaraina eto ny tatitra ny asa 2024 nataon’ny fikambanana Ala Buissonnière . Tsidio ihany koa ny pejy Facebook.
Scroll to Top