Main Menu

Fizahan-tany maitso na Ecotourisme: Ny maha zava-dehibe azy eto Madagasikara

 Ity bilaogy ity dia fandikana teny ny bilaogy momban’ny fizahan-tany maitso nosoratan’i Lynne Venart, jereo eto ny dikateny Anglisy.

Eto Madagasikara, ny fizahan-tany maitso na Ecotourisme dia ahazoan’ireto zavatra manaraka ireto tombony : na ny mpizahan-tany izany, na ny mponina eny ifotony, na ny varika sy ireo bibidia hafa. Ny fizahan-tany maitso mantsy dia manampy ny fiarovana ny natiora amin’ny alàlan’ny fanohanana ny asa fiarovana sy ny fanomezana fidiram-bola maharitra ho an’ny mponina eny ifotony. Amin’ny alalan’ny fanatsarana ny toe-karem-pire

Anisan’ny karazana circuit na toerana tsidihana ao Andasibe Sary: Lynne Venart.

nena, ny fizahan-tany maitso koa dia manampy antsika Malagasy hiara-hiaina tsara amin’ny natiora miavaka misy eto amintsika.

“Ny varika no gisa mametraka atody volamena ho an’i Madagasikara,” hoy i Pr Jonah Ratsimbazafy, sekretera jeneralin’ny GERP Madagascar. “Fianakaviana an’arivony maro no miankina amin’ny varika, satria tsy tonga hijery ala foana ireo mpizahan-tany.”

 

Ahoana ny ahazoan’ny ny mponina eny ifotony sy ny bibidia tombontsoa amin’ny fizahan-tany maitso?

Ny fizahan-tany maitso dia mitondra tosika ara-bola ho fiarovana ny varika sy ny bibidia hafa eo amin’ny sehatra nasionaly sy eny anivon’ny faritra ary eny ifotony.

Manampy sy manatsara ny toe-karenan’i Madagasikara

Ny fizahan-tany no iray amin’ireo indostria lehibe indrindra eto Madagasikara. Ny tombony ara-toe-karena azo avy amin’ny fizahan-tany dia manampy ny governemanta malagasy hiaro ny faritra voajanahary ka hiantoka ny fisian’ny varika sy ny toeram-ponenany ho lovain’’ny taranaka mifandimby.

Adrien, Namorona ny valajavboahary arovana ao Anja Reserve ary isan’ireo mpitari-dia any amin’ny faritra atsimo-andrefan’i Madagasikara. Sary: Lynne Venart.

Mamorona asa ho an’ny mponina 

Ny fizahan-tany dia manome asa ho an’ny mponina eny ifotony, toy ny mpitari-dia, ny mpitantana ireo orinasa mpikarakara mpizahan-tany, ny tompon’ny trano fandraisam-bahiny sy trano fisakafoanana ary ireo olona marobe miasa ao aminy. Ny fianakaviana monina akaikin’ny valan-javaboary dia maro no mivelona amin’ny fivarotana asa tanana sy entana hafa izay sady manampy ny fizahan-tany. Raha matetika voafetra ny faharetan’izany asa izany, ny mpiasa amin’ny fizahan-tany malagasy kosa dia azo lazaina fa mahangona vola amin’ny vanim-potoana mahabe mpizahan-tany ka ahafahany mivelona mandritra ny taona.

Ny mpitari-dia dia mpiaro ny ala

Rehefa mahazo fidiram- bola amin’ny fizahan-tany ny mponina eny ifotony dia lasa tsy miankina loatra amin’ny harena voajanahary intsony ho an’ny fivelomany. Mpitari-dia maro no mahatsapa fa mpiaro ny ala ihany koa izy ireo. Tao amin’ny vala-javaboahary ao Ranomafana ohatra, maro tamin’ireo mpitari-dia no niaina tamin’ny fihazàna vorona sy biby hafa tanaty ala taloha noho ny tsy fisiana. Ankehitriny kosa izy ireo dia mampiasa ny traikefa sy fahalalana azony tamin’izany mba entiny mizara ny fitiavany ny bibidia malagasy amin’ny hafa. Ny fahaizan’izy ireo mamantatra ireo zava-maniry sy biby isan-karazany no ahafahany mizara mikasika ny harenan’ny ala amin’ireo mpitsidika tonga maneran-tany.

Fanampin’izany, maro ny vala-javaboahary tantanin’ny vondron’olona ifotony – toy ny Anja Reserve  any Atsimo sy ny Antanatiembo Reserve   any Avaratra – izay ireo mponina no namorona azy mba ahafahan’izy ireo sady miaro ny bibidia ao no ahazoany antoka koa ny hahazoan’izy ireo tombontsoa amin’ny fisian’ny fizahan-tany maitso eo amin’ilay faritra misy azy.

Inona ny atao hoe fizahan-tany lovain-jafy raha eto Madagasikara?

Misy “certification” maitso ve eto Madagasikara?

Maneran-tany, ny fizahan-tany maitso dia matetika mifantoka amin’ny trano fandraisam-bahiny manana “certification” maitso, izany hoe nahafeno fepetra ara-tontolo iainana sy ara-tsosialy ka nahazo ny mari-pankasitrahana avy amin’ny fikambanana lehibe toy ny “WorldWide Ecolodges” izay manamarina fa fizahan-tany lovain-jafy no ataony. Eto Madagasikara, mbola tsy misy ny “certification” maitso ho an’ny trano fandraisam-bahiny.

Trano-frandraisam-bahiny ivelan’ny valajavabohary arovana ao Montagne d’Ambre. Sary: Lynne Venart.

Anjaran’ny mpizahan-tany sy ny mpikarakara ny mpizahan-tany no miantoka fa ny fiantranoana sy ny hetsika rehetra atao dia “lovain-jafy” araka izay azo atao, ary manampy tokoa ny fari-piainan’ny vondron’olona ifotony sy ny fiarovana ny bibidia.

 

 

 

 

Torohevitra ho an’ireo mpizahan-tany ka hanantanteraka ny fizahan-tany maitso eto  eto Madagasikara

Misafidiana trano fandraisam-bahiny tsy miompy varika

Misy ireo trano fandraisam-bahiny no maka varika anaty ala mba hisarihana mpizahan-tany. Maro anefa ireo karazana varika izay efa tena vitsy dia vitsy sisa no hita any anaty ala, ary izany dia mety hahalany ireo biby sisa tavela any anaty ala. 

Voararan’ny lalàna ny fitazomana varika ho biby fiompy eto Madagasikara. Rehefa mahita sary miaraka amin’ny varika amin’ny tambanjotran-tserasera ny olona eny ifotony dia lasa mahatsapa fa tsy rariny izany. Hany ka madrisika azy ireo haka varika atao biby fiompy indray.

Varijatsy ao amin’ny vala-javavoahary arovana ao Ranomafana. Sary: Lynne Venart.

Makà sarinà varika irery tsy misy anao, na raha te haka sary miaraka amin’ny varika ianao dia asio 2 metatra farafahakeliny eo anelanelanareo.

Anontanio ny trano fandraisam-bahiny mikasika ny fanonerany ny vondrona ifotony,  ary alao antoka fa manolotra trano ho an’ny mpamilinao izy

Trano fandraisam-bahiny maro no mamerina tambiny amin’ny vondrona ifotony amin’ny alàlan’ny fanohanana ny tetikasan’izy ireo. Ny fanontanianao izany dia manome fahafahana azy ireo hizara ny asa tsara ataony amin’ny manodidina.

Ary trano fandraisam-bahiny maro ihany koa no miantoka ny fiantranoan’ny mpitari-dalana sy mpamily izay mitondra mpizahan-tany ao aminy. Noho izany, rehefa misafidy trano fandraisam-bahiny ianao dia manontania raha manana trano ho an’’ny mpamilinao na mpitari-dalana anao koa izy ireo. Raha tsia, manomàna fanampim-bola ho azy satria tsy maintsy handoa ny trano itoerany any an-kafa izy.

Misafidiana mpikarakara mpizahan-tany sy trano fandraisam-bahiny izay Malagasy no tompony.

Ny fanohanana ny orinasa malagasy dia fomba tsara hanohanana ny toe-karena eo an-toerana ihany koa.

Mahaiza manaja sy mankasitraka

Isika Malagasy dia tia mandray mpizahan-tany, tia mirehareha amin’ny taniny, ary tia mizara mikasika ny fireneny sy ny hareny rehetra amin’ny mpitsidika. Mahaiza maneho hatsaram-panahy sy fanajana ny olona rehetra mifanena aminao, dia hahatsapa izany fitiavana sy fankasihatrahana izany ihany koa ianao!

Mahaiza mamerina tamby

Rehefa nahazo fahafinaretana dia mahaiza ihany koa manohana ny tanindrazana sy mpiray tanindrazana; koa mandritra, na aorian’ny fandalovanao, dia mitadiava fikambanana mpiaro ny tontolo iainana hotohanana ato amin’ny tranonkalanayna ao amin’ny boky torolàlana Bradt Madagascar 

Tohano ny mpiasan’ny fizahan-tany eto Madagasikara mandritra ny krizin’ny valanaretina Covid-19

Ny fizahan-tany dia iray amin’ireo indostria lehibe indrindra eto Madagasikara. Noho izany, ny tsy fisian’ny mpizahan-tany sy ny mpikaroka mandritra ny Covid-19 dia manimba ny fidiram-bolan’ny olona maro. Noho io filàna lehibe io dia maro amin’ireo vondrona iraisam-pirenena no mikarakara fomba hanohanana ny Malagasy manerana an’i Madagasikara. Jereo eto mikasika ny fanohanana azy ireo.