Ny mombamomban’ny Lemur Conservation Foundation Natsangana tamin’ny 1996 ny Lemur Conservation Foundation ary i Penelope Bodry-Sanders, izay niara-niasa tamin’i Profesora Ian Tattersall tao amin’ny “American Museum of Natural History” no namorona azy. Amin’izao fotoana izao dia mitantana faritra arovana mirefy 50 hektara any Myakka City, Florida (Etazonia) ny LCF, izay itoeran’ny varika karazany 5 miisa […]
