Main Menu

Alan’i Makira: tontolo maitso mavana, voahary mirakitra harena

Entinay any Makira, Maroantsetra  indray ianao mpamaky ao anatin’ity bilaogy fitsidihan-toerana ity. I Naina Rabemananjara, primatologue no mpikambana ao amin’ny GERP, no vahiny hitondra antsika an-tsoratra mankany amin’io toerana io, izay isaorana azy etoana amin’ny famaliany ireo fanontaniana sy fizarana ireo sary.

Ny hatsaran’ny tontolo any Makira Naka ny sary: Naina Rabemananjara

Fitsidihan-toerana, fitiavana nitsiry hatramin’ny fahazaza

Nandranto fianarana momban’ny “primatologie” izay ianarana manokana momban’ireo primaty toy ny varika i Naina teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, Fakiolten’ny siansa.

 “Efa fony kely aho no tia zava-boahary ary tao Tsimbazaza no nahitako varika voalohany tamin’izaho 9 taona” hoy i Naina. Nanomboka liana tamin’ireo varika ireo izy nanomboka teo ary te hahafantara bebe kokoa ireo toerana misy azy ireo eto Madagasikara sy ny toe-piainany. Izany indrindra hoy hatrany izy no nitsirian’ny fitiavany mitsidika ireny valan-jaboahary ireny izay toerana onenan’ireo varika.

Nisafidy ny lalam-piofanana primatologie moa I Naina rehefa lehibe ka lasa afaka nitsidika toerana maro indrindra aty ala sy valan-javaboahary teto Madagasikara izy nohon’ny asa sy fikarohana izay nataony.

Tany amin’ny valanjavaboaharin’i Makira no nanaovany asa fikarohana tamin’iny taona 2021 iny.

Makira, toerana miavaka sy manankarena

Any Maroantsetra any Avaratra atsinan’i Madagasikara no misy an’i Makira ary ny fikambanana WCS Madagascar no mitantana azy. Isan’ny ala arovana lehibe indrindra eto Madagasikara izy io. 

Mahaliana raha i Makira manokana satria manankarena rohivoahary ao anatiny na zava-maniry izany na biby indrindra ireo izay tsy ita afa tsy eto Madagasikara. Inona avy ary izany? 

Toerana nahitana ilay karazana varika kely vaovao

“tao Makira no nahitana ilay karazana varika vaovao Microcebus jonahi

Microcebus jonahi tany amin’ny alan’I Makira Naka ny sary: Dominik Schussler

Misy hazo aman’arivon- taona any!

Ao anatin’io ala io ihany koa no isan’ny mbola ahitana ireny hazo goavana izay teo efa aman’arivon-taona ireny

Alan’I Makira
Naka ny sary: Tahiry Nyaina

Ary koa, ilay Babakoto mainty! 

Makira no isan’ny toerana vitsy eto Madagasikara ahitana ireo karazana babakoto miloko mainty (Indri indri)

Indri indri na Babakoto miloko mainty any Makira
Naka ny sary: Dominik Schussler

“Isan’ny nanaitra sy nahafinaritra ahy manokana ihany koa ny hatsara sy hamaitson’ny tontolo izay mampiavaka ny faritra antsinana rehefa tany Makira aho. Maitso mavana avokoa izay jerena vao mifoha teo amin’izay toerana nitobiana rehetra. Milamina ny saina, adino ireo tebiteby tsapa any an-drenivohitra fa nilona tao anaty natiora tanteraka!” hoy i Naina. 

Sary nalaina teo amin’ny toerana nitobiana tany Makira
Naka ny sary: Naina Rabemananjara

 

 

Makira: toerana misy fiakarana mideza, toerana be orana

Toerana azo hanaovana “hiking”

  • Toerana tsara ho an’ny olona tia fitsangantsanganana an-tendrombohitra na ireny atao hoe “hiking” ireny i Makira satria fiakarana sy tendrombohitra maromaro no lalovana rehefa any. Sady manao fanatanjahan-tena izany ianao no mitsidika toerana ! 

Alan’i Makira: Ala mando

  • “Amin’ny maha ala mando an’I Makira dia nisesisesy ny orana isan’andro nandritry ny fotoana izay niasako tany ary araky ny filazan’ireo mpitaridia namako tany dia tsy misy fotoanany ny orana any fa hila ho mandava-taona” hoy I Naina. 

“Raha mikasa ny ho any amin’iny faritra iny ianao dia mivonona amin’ireo aro orana toy ny impermeables sy ny bottes de pluie!”

Ireo Tsindry samihafa

Raha tafaresaka tamin’ireo mponina teny ifotony I Naina Rabemananjara dia voalazan’izy ireo fa misy ny tavy sy fandorona ny ala eny amorony sy anaty ala. Anisan’ny tsindry lehibe izany. Hita anefa fa tsy ampy toerana azo ambolena any an-toerana, maro ireo tendrombohitra avo tsy ahafahana manisy voly ary ny toerana rahateo faritra tsy azo idirana. 

Ary satria, ratsy dia ratsy ny lalana mankany  dia  sarotra ny famoahana ireo voka-mpambolena izay tokony  hampidi-bola ho an’ny ny mponina eny ifotony. Eo ihany koa ny mahasarotra ny famoahana ny vokatra  toy ny jirofo sy ny lavanila. 

Ny fikambanana WCS, izay mpitantana ny alan’i Makira dia efa manao ezaka amin’ny alalan’ny tetikasa maro hanatsarana ny velotenan’ny mponina eny ifotony sy fametrahana fotodrafitrasa eny an-toerana toy ny barrage ohatra izay manampy amin’ny fambolem-bary. 

Vokatry ny doro ala any an-toerana
Naka ny sary: Naina Rabemananjara

Hafatra ho an’ny mpamaky

Toerana mahafinaritra sy miavaka i Makira nefa vitsy ny mpitsidika tonga any indrindra ny Malagasy. Manentana anao mpankafy zava-boahary noho izany i Naina ho tonga hitsidika io toerana io fa karazana biby sy zava-maniry maro no ho itanao ao. 

Amin’ny sehatry ny fikarohana, mbola maro ihany koa ny zavatra afaka karohina amin’ny resaka siansa momban’ny voahary raha ao Makira koa manentana ireo mpianatra sy mpikaroka ihany koa I Naina ho tonga hanao asa fikarohana any satria mety ianao, mpianatra mpikaroka mamaky io no hahita indray karazam-biby na zava-maniry vaovao any an-toerana amin’ny manaraka.  

Eto am-pamaranana ny tenako izay manoratra dia te hanentana ireo raiamandreny hampianatra sahady ny zanantsika ho tia sy hikajy ny tontolo iainana satria manomboka amin’ny fahazazana no itsirian’ny toetra sy fitiavana entina mandra-paha lehibe, toa an’I Naina izay fony fahakeliny nitondran’ny raiamandreniny azy tany Tsimbazaza ka nahitany varika no nitsirian’ny fitiavany ny natiora sy ireto biby ireto ka nahatonga azy nisafidy ny hiaro ny varika rehefa lehibe. Entanina arak’izany isika hanabe ireo ho avin’I Madagasikara ireo mba ho olom-banona ho tia sy hiaro ny tontolo iainana ny taranaka ho avy. 

Momban’ny mpanoratra

Misa Rasolozaka dia anisan’ny miasa an-tsitrapo eto anivon’ny LCN. “SIG et Télédetection” no sampam-pianarana nataony tao amin’ny IOGA na Institut et Observatoire de Géophysique d’Antananarivo, sampana iray ianarana manokana momban’ny “Géosciences” ao amin’ny Oniversite an’Antananarivo.

“Tia biby sy mpankafy natiora aho ary tena tia mizaha tany koa aho” hoy I Misa. Mahatsapa ny maha-zava dehibe ny fiarovan’ireo harena voajanahary eto Madagasikara izy, indrindra ireo varika. Mitondra anjara biriky lehibe amin’izany izy amin’ny alalan’ny firotsahana an-tsitrapo ho fanentanana sy fanabeazana ny Malagasy mpiray tanindrazana aminy ho tia sy hiaro ny varika tahaka azy.