Main Menu

Fitsidihana ny alan’Anjozorobe : ahitana Varika tsy lavitra an’Antananarivo

Ity bilaogy ity dia fandikana teny ny bilaogy nosoratan’i Lynne Venart mitondra ny lohateny hoe : “Visiting Anjozorobe Forest to See Wild Lemurs Near Antananarivo”. Misaotra an’i Diamondra Ranaivoson tamin’ny fandikàna ity bilaogy ity

Raha toa ka manana fotoana ianao ka manodidina an’ Antananarivo, dia tongava mitsidika ny Faritra arovana ao Anjozorobe, izay adiny roa sy sasany monja miala ny renivohitra raha mandeha fiara. Ny ala-javaboahary arovana na alan’Anjozorobe dia fonenan’ny karazam-borona 82 sy karazana varika 11. Mitovitovy amin’ny hita any Andasibe-Mantadia ny karazana varika hita ao, fa ny babakoto any kosa dia matroka kokoa ny lokony. Fanampin’izay, tsy dia be olona loatra noho ny any Andasibe ny ao Anjozorobe!

Mikasika ny Saha Forest Camp

Ao amin’ny Saha Forest Camp dia ahitana “bungalows” mahafinaritra misy lavarangana manatrika tanimbary sy ala. Izy ireo dia manolotra sakafo isan-karazany mety amin’ny rehetra ao amin’ny trano fisakafoany izay manatrika ny ala ihany koa. Ny toerana dia mahafinaritra sy mampiala voly tokoa, ary ny sakafo dia mahafa-po.

Mikasika ny ONG Fanamby sy ny Friendly Camp Madagascar

Ny Saha Forest Camp ao Anjozorobe dia “lodge” mahafinaritra tantanin’ny Fikambana Malagasy ONG Fanamby sy ny Friendly Camp Madagascar. Ny ONG Fanamby sy Friendly Camp Madagascar ihany koa dia mitantana ny “The Black Lemur Camp” ao amin’ny Faritra arovana Andrafiamena Andavakoera, Camp Amoureux ao Menabe Antimena, ary ny “Camp Tattersalli” akaikin’ny tanànan’i Daraina, izay ahitana karazana varika tsy fahita firy dia ny Ankomba malandy (Propithecus tattersalli).

Fandehanana fiara avy ao Antananarivo mankany amin’ny Saha Forest Camp

“ Tsy mila manakarama saofera na mpitari-dalana hafa ianao raha te hitsidika ny alan’Anjozorobe, izany dia manamora ny fitsidihana. Ny Saha Forest Camp mantsy dia manana ny mpitari-dalana azy manokana, izay afaka omena ny tambin-karama isaky ny dia tiana atao.

Hoy i Lynne : “Nandeha fiaran’ny Friendly Camp mankany Anjozorobe avy ao Tana aho. Tena nahafa-po sy nampahazo aina tokoa ny dia. Noraisin’izy ireo tao amin’ny trano nivahinianako tao Tana aho, ary naterin’izy ireo tany amin’ny hotely hafa tao Tana rehefa niverina. Ny fampiasana ny fiaran’izy ireo dia manala fahasahiranana tokoa raha ho any amin’ny alan’Anjozorobe sy hiverina avy eo. Mamporisika anareo tanteraka hanjifa aho. Manantòna ny Friendly Camp Madagascar raha mila fanazavana fanampiny.

Hafiriana no tokony hijanonana ao amin’ny Saha Forest Camp?

Mijanona roa alina no tena tsara raha ao amin’ny Saha Forest Camp. Ny ankamaroan’ny olona tao amin’ny trano fandraisam-bahiny dia nijanona indray alina, ary noho izany dia tsy afaka nahita biby betsaka.

Tetezana mankao amin’ny toby tazana avy mitsangatsanganana anaty ala
Credit : Lynne Venart

Amin’ny maraina mantsy no tena ahitana ireo biby, noho izany dia mila manomana andro roa fahafakeliny amin’ny dia mba hananana fotoana hijerena varika ihany koa ny maraina. Afaka mijanona mihoatra ny roa alina kosa raha te hiala sasatra tsara amin’ny toerana milamina sy akaiky natiora.

“ Raha mijanona indray alina fotsiny ianao ary mody ny maraina dia tsy hahita biby. Mijanòna roa alina mba hahitana zavatra maro sy hitsidihana ny ala am-pilaminana!

 

 

 

 

Fandehandehanana an-tongotra ao amin’ny alan’Anjozorobe : ahitana varika

“ Efa nandehandeha im-betsaka tao amin’ny alan’Anjozorobe aho. Nahita Babakoto, Sadabe, Ankomba ary Varibolo aho nandritra ny andro. Mandritra ny dia an-tongotra alina kosa no hahitana karazana Tanalahy marobe, Tsidy, ary indraindray Matavirambo mihitsy aza!”

Sary : Matroka kokoa ny lokon’ny babakoto ao Anjozorobe noho ireo any Andasibe-Mantadia
Credit : Lynne Venart

“ Indray andro aho dia nahita babakoto anankiroa  nipetraka teo amin’ny rantsan-kazo teo amboninay. Toy ny ao amin’ny Réserve Spéciale Anjanaharibe Sud dia matroka kokoa ny babakoto ao Anjozorobe. Hitanao amin’ity sary ity, ilay babakoto dia manana tarehy sy vatana matroka kokoa, ary kely kokoa ny fotsy amin’ny vatany raha hoharina amin’ny babakoto hita any an-kafa.

Nandritra ny dia an-tongotra adiny vitsivitsy monja, indray maraina, tany anaty ala akaikin’ny toby, dia nahita karazana varika efatra izahay. Nahita Matavirambo sy Tsidy teny ambony hazo ihany koa izahay nandritra ny dia an-tongotra alina! Tena maizina ny andro tamin’izay ka tsy nahafahana nilaza ny tena karazan’ireo varika ireo, fa tamin’izay kosa no nahitako Matavirambo voalohany nandritran’ireo diako telo tany Madagasikara! Nahita sahona, sifotra lehibe, karazam-borona tsara tarehy maro, ary tanalahy koa izahay.

 

 

 

“ Efa nandalo trano fandraisam-bahiny am-polony mahery teto Madagasikara aho hoy Lynne, ary anisan’ny ankafiziko indrindra ny Saha Forest Camp. Tena nahafinaritra ny dia : ny trano fandraisam-bahiny tsara, eo amin’ny lavarangan’ny trano dia efa ahitana ny hakanton’ny faritra. Ao Anjozorobe ihany koa no ahafahana mahita varika ao anatin’ny ora vitsivitsy amin’ny fitsangantsanganana an’ala, ary tsy maro olona be toy ny ao Andasibe. Farany, noho ny fisian’ny fiaran’ny Friendly Camp izay manamora ny dia, dia afaka hiverenana foana any ao anatin’ny fotoana fohy!