Ireo fandaharanasan’ny Lemur Conservation Foundation: miaro ny ala sy ny varika miaraka amin’ireo mponina ifotony

Amin’ity volana ity isika dia ho any amin’ny faritra SAVA ka hiresaka momban’ny asa ataon’ny Lemur Conservation Foundation (LCF) any amin’ny faritra arovana Marojejy sy Anjanaharibe-Sud. Mankasitraka ireo ekipan’ny LCF tamin’ny famaliana ireo fanontaniana sy fizarana ireo sary.

Ny mombamomban’ny Lemur Conservation Foundation

Natsangana tamin’ny 1996 ny Lemur Conservation Foundation ary i Penelope Bodry-Sanders, izay niara-niasa tamin’i Profesora Ian Tattersall tao amin’ny “American Museum of Natural History” no namorona azy. Amin’izao fotoana izao dia mitantana faritra arovana  mirefy 50 hektara any Myakka City, Florida (Etazonia) ny LCF, izay itoeran’ny varika karazany 5 miisa 50: Lemur catta, Eulemur collaris, Eulemur fulvus, Varecia rubra ilay varika ahiana ho lany tamingana tena tandindomin-doza ary Eulemur mongoz.

Ny tarigetra voalohan’ny LCF dia ny fitandroana sy fiarovana ireo varika eto Madagasikara. Izany dia ataon’izy ireo amin’ny alalan’ny fikarohana siantifika, ny fanabeazana, ny fampitomboan-taranaka voaramaso ary ny haikanto.

Nosokafan’I Dr Erik Patel tamin’ny taona 2016 tao Sambava ny biraon’ny LCF eto Madagasikara. Louis Joxe Jaofeno no mitantana ny birao ary mandrindra ireo asa rehetra any an-toerana. Harisaina Arnaud Joel no mitarika ny tetikasa fandrindrana ny fiainam-pianakaviana sahanin’ny LCF ary i Charles Rasolondravoavy no miandraikitra ny fandaharan’asa fanaraha-maso ny ala.

Ireo ekipan’ny LCF SAVA: Joxe, Charles ary Arnaud

Any amin’ny faritra SAVA no tena iasan’ny LCF ary ny fiarovana ireo simpona fotsy, babakoto sy varikandana ao anatiny sy manodidina ny faritra arovan’i Marojejy sy Anjanaharibe Sud no tena imasoany. Ankoatr’izay dia manohana faritra arovana madinika izay tantanin’ny mpiaro ny tontolo iainana any an-toerana ihany koa ny LCF dia ny: Antanetiambo, Antohakalava, Agnolakely ary ny A.T.I.A ao Anjingo.

Asa fiarovana ny tontolo iainana, iaraha-misalahy amin’ny mponina eny ifotony

Mifototra amin’ny IUCN Lemur Action Plan ireo fandaharan’asa momban’ny fiarovana izay iandreketan’ny LCF ary novolavolaina sy nampiharina ho tombotsoan’ny  vondron’olona eny ifotony ny ankamaroan’ireo fandaharan’asa ireo. 

Fizahan-tany maitso: Camp Indri 

Ho fampandrosoana eny anivon’ireny faritra arovana ireny dia manan-danja tokoa ny fampiroboroboana ny fizahan-tany maitso. Nanangana toeram-pitobiana ho an’ireo mpitsidika dia ny “Camp Indri” any Anjanaharibe Sud ny LCF. Toerana fitobiana afaka itoeran’ny trano lay na tente, toeram-pisakafoana lehibe ary toeram-pidiovana izy io. Ao ihany koa ny Camp Mantella (camp 1) any Marojejy izay vao navaozina ka ahitana trano fivahiniana vaovao miisa efatra, toeram-pisakafoana ary toeram-pidiovana. 

Fanabeazana ara-tontolo iainana sy asa fikarohana 

Toeram-pisakafoana iray lehibe eo amorona hantsana lehibe any Marojejia (Camp 2) no nahorin’ny LCF vao aingana hisintonana mpikaroka sy mpizahatany ho any an-toerana ary koa ahafahan’ireo mpianatra any an-toerana mahita ny zava-boahary anaty ala mandrity ny fizahana amin’ny alina karakarain’ny LCF. 

Camp 2 any Marojejia; Naka ny sary: Lemur Conservation Foundation

Tamin’ny taona 2021, mpianatra malagasy maherin’ny 250 no nandray anjara tamin’ny fitsangatsanganana fampianarana momba ny tontolo iainana tany Marojejy sy Antanetiambo. Miara-miasa akaiky amin’ireo mpampianatra sy sekoly any an-toerana ny LCF amin’ireo fandaharan’asa fanabeazana momba ny tontolo iainana izay hitondrana mpianatra malagasy maro any Marojejy sy Anjanaharibe-Sud.

Ireo mpianatra nanatrika ny fampianarana ara-tontolo iainana tany Marojejy Naka ny sary: Lemur Conservation Foundation

Fiarovana ny valan-javaboary sy ireo varika

Karazana varika miisa 04 no tena ifantohan’ny LCF dia ny Simpona fotsy (Propithecus candidus), ny Babakoto (Indri indri), ny Varinaina (Varecia rubra) ary ny Bokombolo (Hapalemur occidentalis). 

Mba hitandroana sy hiarovana ny harena voajanahary anatin’ny faritra arovana dia miara-miasa amin’ny Madagascar National Parks ny LCF amin’ny fisafoana ny ala, fanarahana ireo varika ao anatiny ary ny famerana ny sisin-tanin’ny valan-javaboary.

Varinaina tany Antohakalava; Naka ny sary: Gerlain Raharison

Ny fisafoana ala isam-bolana dia ahitana CLP (Communauté Locale de Parc) 10 hatramin’ny 20 izay mponina eny an-toerana manampy ny mpiambina ny valan-javaboary.

Ekipa manatanteraka ny fisafoana ala

Fandaharan’asan’ny mponina/fahasalamana/tontolo iainana (PHE)

Ankoatr’izay dia manohana ireo mpitsabo mpanampy ao amin’ny Marie Stopes ihany koa ny LCF izay manome fandrindram-piterahana any amin’ny toeran-davitra tsy ahitana toeram-pitsaboana. Tamin’ny taona 2021, ny fandaharan’asa fandrindrana fiainam-pianakaviana dia nitsabo vehivavy 1332 tao amin’ny tanàna 37 izay namatsy azy ireo fanabeazana aizana mandritra ny 3 taona.

Fampianarana ny fandrindram-piterahana tany Antongodriaha

Ny fandaharan’asa fandrindrana ny fiainam-pianakaviana dia iarahan’ny LCF miasa akaiky amin’ireo mpiasan’ny fahasalaman’ny vondron’olona eny ifotony, mpitsabo mpanampy na mpitsabo eny an-toerana ary koa ireo lehiben’ny fokontany. 

Fambolen-kazo

Mba hiadiana amin’ny fandripahana ala any amin’ny faritr’i SAVA dia mitantana ny fandaharan’asa fambolen-kazo mivantana miaraka amin’ny ala arovana any an-toerana, Missouri Botanical Garden (MBG), ary ny Graine de Vie koa ny LCF. Tamin’ny taona 2022 dia zanakazo miisa 43 258 amin’ny karazany 61 no voavoly.

Fambolen-kazo niarahana tamin’ny mpianatra
Tanin-janakazon’ny LCF

Ny fandaharan’asa fambolen-kazo dia manome asa ho an’ireo mpikarakara zanakazo sy olona maro izay manampy amin’ny fambolena isan-taona.

Asa fivelomana maharitra

Zava-dehibe eo amin’ny sehatry ny fiarovana ny fitsinjovana ny velontenan’ireo mponina eny ifotony noho izany, ny fandaharan’asan’ny LCF rehetra dia manome asa fidiram-bola eny an-toerana, ary saika maimaim-poana avokoa ny programa tanterahiny. Tsy mandoa na inona na inona, ohatra, ny mpianatra sy ny mpampianatra mandray anjara amin’ny fitsangatsanganana any Marojejy.

LCF ihany koa dia  isan’ny mpaninjara voalohany ny fatana mitsitsy novokarin’ny ADES ary miisa 556 no lafo tamin’ny taona 2021. 

Famoronana faritra arovana tantanan’ireo mpiaro tontolo iainana avy eny ifotony

Toerana arovana manokana efatra no noforonin’ireo mpiaro ny tontolo iainana izay tohanan’ny LCF nandritra ny taona maro. Ilay mpitari-dia malaza any Marojejy, Desire Rabary, no voalohany nanangana ny faritra arovana Antanetiambo, akaikin’i Andapa. Ratombo John no namorona ny faritra arovana Antohakalava. Ny faritra arovana Agnolakely izay akaikin’ny fidirana amin’ny valanjavaboarin’I Marojejy kosa dia noforonon’i Jacques Harison Tonkasina (“Jackson”) izay mpitari-dia ao Marojejy ihany. Vao tsy ela akory izay dia naorin’ny fikambanan’ny fokonolona any an-toerana akaikin’i Nosiarana ny faritra arovana A.T.I.A.

Tsindry mahazo ny toeram-ponenan’ireo varika

Ny iray amin’ireo fanamby lehibe indrindra sedrain’ny LCF amin’ny asa fiarovana ny varika ny fiarovana ny toeram-ponenan’izy ireo noho ny fitomboan’ny tsindry ataon’ny olombelona. Misedra fikorontanan’ny toeram-ponenana sy tsindry samihafa ireo varika ireo ao Marojejy mihoatran’ny any Anjanaharibe-Sud nohon’ny fanodinana hazo voafantina, ny tavy ary ny tsy fanajana ny sisin’ny faritra arovana rehefa mamboly vary sy lavanila ireo mponina.

 

Ny tanjona sy asa miandry amin’ny ho avy

Anisan’ny tanjona lehibe amin’ny ho avy ny fiatrehana ny firongatry ny lavanila sy ny fambolen-bary tsy ara-dalàna ao anatin’ny faritra arovana ao Marojejy. Ho fanampin’ny fisafoana ny ala dia manantena izahay fa hiara-hiasa amin’ireo ben’ny tanàna manodidina ny valan-javaboary mba hanatsaràna ny fanajana ny sisintanin’ny valan-javaboary (fetra). Manantena ihany koa izahay fa hiara-hiasa amin’ireo mpianatry ny oniversite malagasy bebe kokoa.

Ekipa mpanara-maso ireo varika

Hafatra ho an’ny mpamaky

Biby sarobidy sy miavaka ary mampiavaka an’i Madagasikara ny varika ary tsy manam-paharoa izy ireo. Ny tanindrazantsika no fonenany, ary reharehantsika izy ireo, koa aoka isika hankamamy sy hikarakara azy tsara ary indrindra hanohana ny asa fiarovana azy ireo. Aza adinoina fa ny varika dia tena manana ny mampiavaka azy amin’ny biby hafa. Ohatra, fantatrao ve fa ny ankamaroan’ny vadin’ny varika vavy dia iray andro monja ao anatin’ny taona iray manontolo no lonaka? Fantatrao ihany koa ve fa ny ankamaroan’ny varika vavy dia manjaka amin’ny lahy? Ireo zava-misy roa mahagaga ireo dia tsy hita any amin’ny primata hafa ivelan’i Madagasikara!











 

 

 

Scroll to Top