Main Menu

LCN manohana ny fanabeazana sy fanentanana momban’ny varika

Nandritran’ny taona 2022 dia nanana tetikasa fanohanana ireo mpikambana LCN sasany amin’ny fanabeazana sy fanentanana ireo varika. Nitsidika ireo toerana hiasan’ireo fikambanana izahay ka nizara ireo fitaovana karazana lalao karatra momban’ny varika izay sady entina mampilalao no mampianatra ireo varika an’ireo ankizy sy tanora Malagasy .

Manabe sy manentana amin’ny alalan’ny lalao

Rehefa nitsidika ireo toerana maro samihafa manerana an’i Madagasikara izahay dia anisan’ny zavatra tsikaritra voalohany ny fitiavan’ny ankizy sy tanora mianatra ireo varika amin’ny alalan’ny sary. Liana dia liana tokoa ireo ankizy amin’ny fianarana ny lalao sady mahazo fahalalana mahakasika ny varika.

Lalao karatra Varika

Namboarina manokana ny karatra varika mba ho fitaovana entina milalao tahaka ny milalao karatra no sady  mahazo fahalalana momba ireo karazana varika. Natao somary lehibe ny karatra ary ny karatra iray dia miraikitra ny zavatra rehetra tsara ho fantatra mahakasika ny varika iray. Toy ny sakafony, ala fonenany, ny habeny, ny toerana misy azy eto Madagasikara. Natao kisary avokoa ny zavatra momba ireo varika. Raha tsiahivina dia mahery ny 100 ireo karazana varika saingy vitsy amin’izy ireo ihany aloha no hita ao amin’ny karatra varika.

Karazana lalao maro samihafa

Teo ampanamboarana ireo karatra varika dia efa namorona karazana lalao azo atao amin’ny alalan’ny karatra varika ny LCN. Fa maro ny karazana lalao hafa azo atao amin’ny karatra. Ary arakarakin’ny taonan’ny ankizy sy tanora dia misy karazana lalao mifanaraka amin’ny taonany.
Ireto sary manaraka ohatra dia maneho kilalao iarahana amin’ny ankizy manomboka ny 5 taona. Ampitovio ny varika, izay no anaran’ny lalao. Satria misy karatra varika roa mitovy , dia avadika tsy hita milahatra tsara ny varika ka samy mitadidy ny ankizy ny toerana misy ny karatra varika mitovy.
Faly ery ny ankizy sy tanora milalao karatra!

Fifampizarana miaraka amin’ireo fikambanana

Nitsidika ireo toeram-piasana ny ala fiasan’ny varika ny LCN. Ny tanjona dia ny manohana ireo fikambanana amin’ny fanabeazana sy fanentanana atao amin’ireo ankizy sy tanora, eny na lehibe aza, momban’ny varika.
Tsara ny manamarika fa ny fikambanana rehetra dia efa samy manana trai-kefa tsara avokoa amin’ny fanabeazana fa fanohanana sy famenoana fotsiny ihany anefa zava-dehibe no anjaran’ny LCN.

2-1 Fitsidihana ny MWC

Ny Madagascar Wildlife Conservation dia fikambanana miasa eny Alaotra amin’ny fiarovana ny Bandro sy ny ala fonenany. Anisan’ny zava-dehibe ho an’izy ireo ny fanentanana sy fanabeazana ny mponina eny ifotony amin’ny fiarovana ny varika. Faly dia faly tokoa izy ireo nandray ny LCN satria manampy betsaka azy ireo ny fananana fitoavana filalao fa sady fanabeazana momban’ny varika.
Eny na dia ireo miasa ho an’ny fikambanana aza dia liana tamin’ny fianarana ny lalao karatra varika.

2-2 Fitsidihana ny Madagasikara Voakajy

Madagasikara Voakajy dia miasa manokana momban’ny fiarovana ny hamaroan’aina, ny ala fonenan’ny varika, ny varika ary manohana betsaka ny mponina eny ifotony izy ireo. Manana tetikasa manokana ho an’ny tanora eny Mangabe ny Madagasikara Voakajy ka nitsidika io toerana io ny LCN. Nahafinaritra tokoa ny fifampizarana trai-kefa ary dia faly izahay avy amin’ny LCN rehefa nahita ireo tanora tena liana nianatra momban’ny varika tamin’ny alalan’ny lalao.

2- 3 Fitsidihana ny Sadabe

Ny ONG  Sadabe dia fikambanana miasa ao Tsinjoarivo amin’ny fiarovana ny “Sadabe” na “Propithecus diadema”. Ny asa fiarovana dia arahina ny fanohanana ny velotenan’ny mponina. Tahaka ireo fikambanana hafa dia anisan’ny asa laharam-pamehana ny velotenan’ny mponina. Manabe ireo ankizy ihany koa izy ireo ka nifannadrify tsara tamin’ny asan’izy ireo ny fanohanan’ny LCN ka nanomezana azy ireo ny lalao karatra varika.

2- 4 fitsidihana ny GERP sy Mikajy natiora

GERP

Ny fikambanana GERP no azo lazaina fa fikambanana Malagasy mpitarika amin’ny fanabeazana sy fanentanana momba ireo varika, raha tsy hilaza fotsiny ny fankalazana ny andron’ny varika, izay izy ireo no niandohan’izany. Maro ireo toerana hiasan’izy ireo ho fiarovana ireo karazana varika. Teny Manombo-Farafangana ny LCN no nanantanteraka ny fitsidihana. Niarahana tamin’ireo tompon’andraikitrin’ny fanabeazana teo anivon’ny GERP Manombo ny fanentanana sy lalao karatra varika niarahana tamin’ireo ankizy. Nisy ihany koa ny fanolorana ny fitaovana tao amin’ny GERP Antananarivo.

Mikajy natiora

Mikajy Natiora dia fikambanana Malagasy miaro ny Akomba manga maso. Raha tokony nitsidika ny toerana hiasan’izy ireo ny LCN dia tsy tanteraka izany kanefa nisy hatrany ny fifampizarana natao sy fanolorana ny karatra Varika.

Lemur Love

Lemur Love dia anisan’ny fikambanana miaro ny Maky eny atsimon’i Madagasikara. Tsy afaka nitsidika ny faritra Atsimo izahay fa kosa nanolotra ireo fitaovana ho an’ny Lemur Love ho ampiasain’izy ireo amin’ny fanabeazana sy fanentanana ataony manodidina ny faritra arovana Tsimanampesotse.

Madagascar Fauna and Flora Group

 Tany Toamasina ihany koa ny LCN nitsidika ny MFFG. Nisy ny fifanakalozana natao niaraka tamin’ny tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanabeazana eo anivon’ny MFFG sy ireo kilasy maro sahaniny.

Teny famaranana

” Fa amin’ny farany dia ny zavatra tiana no arovana, ary ny zavatra azo ka nampianarina no tiavina.
“In the end, we will conserve only what we love; we will love only what we understand and we will understand only what we are taught”
Raha tiantsika Malagasy ny hiaro ny varika dia mila haintsika ny momban’ny harenantsika. Miantomboka amin’ny ankizy sy ny tanora izany. Ka ny fomba iray voalohany dia ny mianatra momba azy ireo amin’ny alalan’ny lalao.
Mankasitraka indrindra ny tetikasa IUCN SOS izahay tamin’ny fanohanana sy famatsiana ny tetikasan’ny LCN. Mankasitraka indrindra ireo fikambanana nandray sy nifampizara trai-kefa taminay.
Manetsa be mbola ho avy hoy isika Malagasy! Mbola hitsidika sy hanohana ireo mpikambana LCN maro hafa izahay.