Main Menu

Ny tontolon’ny fampianarana sy fikarohana mikasika ny varika: Resaka niarahana tamin’i Dr Brigitte Raharivololona

Ndeha isika iaraka hamantatra mpikaroka iray misehatra eo amin’ny fikarohana sy fiarovana ny varika: Dr Brigitte Raharivololona. Mpampianatra-Mpikaroka ao amin’ny Fakiolten’ny Siansa, Oniversiten’Antananarivo ; ary Lehiben’ny Sampam-pampianarana « Anthropobiologie et Développement Durable » na ADD ao amin’io Fakiolte io moa i Dr Brigitte Raharivololona. Io sampam-pampianarana io dia anisan’ny vondrona mpikambana eto amin’ny Lemur Conservation Network. Araho eto amin’ity bilaogy ity ary ny resadresaka nifanaovany niaraka tamin’ny ekipan’ny Lemur Conservation Network.

Dr Brigitte Raharivololona tao amin’ny Faritra arovana vaovaon’ny Maromizaha, any Atsinanan’i Madagasikara (Crédit : Volana Nirisoa Raveloson).

Mba lazalazao ny mombamomban’ireo fikarohana ataonao ?

Ny fikarohana nataoko nahazoana ny mari-pahaizana “doctorat” tany Hamburg, Allemagne dia mahakasika ireo katsetsitra (parasites intestinaux) izay hita any amin’ny karazana varika anisan’ny kely indrindra, mandeha amin’ny alina, antsoina amin’ny teny siantifika hoe “Microcebus murinus” na “Tsitsidy” amin’ny teny Malagasy. 

Anisan’ny hita tao anatin’izany fikarohana izany fa arakarakin’ny maha-potika ny ala no maha betsaka ireo katsetsitra ao amin’io karazam-barika io.

Maro ihany koa ireo voka-pikarohana nataoko mahakasika ny varika no efa mivoaka any anatin’ireny diary ara-tsaina iraisam-pirenena na “journaux scientifiques internationaux” ireny, na koa nentina nampahafantarina ireo mpisehatra tany amin’ireny kongresy/fihaonambe-pirenena mahakasika ny “primates” ireny; izay ny ankabeazany, dia niarahana tamina tera-tany Malagasy sy vahiny. Jereo eto ny santionany amin’ny voka-pikarohana nivoaka ary ihany koa ny voka-pikarohana niarahana tamin’ireo mpianatra, jereo eto

Nanomboka oviana ianao no niditra an-tsehatra teo amin’ny fikarohana sy fiarovana ny varika ?

Tamin’ny 1994 nandritran’ilay programa fampianarana ny zavaboahary niarahana oniversite Malagasy sy vahiny UDLP (University development Linkage Project) tany amin’ny Parc National Ranomafana no nanombohako niditra tamin’io sehatra io.

Inona no naharisika anao hiditra ao anatin’izany sehatra izany ?

Ny nahasarika ahy dia nohon’ny fahalalako fa eto Madagasikara ihany no ahitana ny varika ; ary nahaliana ahy ihany koa ny fianarana ny fivoarana ara-biolojika ao anatin’ireo karazam-biby atao hoe “primates” izay misy ny varika, rajako ary ny olombelona.

Inona avy ireo voka-pikarohana ?

  • Fampianarana sy fanaraha-maso ireo mpianatra mpikaroka

Maro ireo tetik’asa-pikarohana niarahana tamin’ny tera-tany Malagasy sy vahiny efa nataoko. Amin’ny ankapobeny, dia ny fomba fiainan’ireo varika ary ny toeram-ponenany no tena iompanan’ny fikarohana.

Ny mpianatra Malagasy moa dia saika ao anatin’ireny tetik’asa-pikarohana iombonana ireny no maka lohahevitra hanaovana fikarohana mba ahazoany diplaoma. Tsy vitsy izireo, izay teo ambany fanaraha-masoko, no nahazo diplaoma.

Dr Brigitte Raharivololona mampanao fampiharana any anaty ala ireo fahalalana azon’ny mpianatra tany amin’ny Oniversité (Crédit: Volana Nirisoa Raveloson).

  • Fandraisana anjara amin’ny tetikasa

Mandray anjara mavitrika amina asa/tetik’asa mahakasika ny varika sy amin’ny fanentanana ho fiarovana ity biby mampiavaka an’iMadagasikara ity ihany koa ny tenako, toy ny :

  1. Fanamarinana ireo angon-drakotra ao amin’ny Madagascar Lemurs Portal ;
  2. Fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny varika (Festival Mondial des Lémuriens) / androm-pirenena ho an’ny varika (Journée Nationale des Lémuriens) ;
  3. Fanombanana ny « statut de conservation an’ireo varika » ;
  4. Fitadiavana famatsiam-bola ho amin’ny fikarohana sy fiarovana ny varika; sns.

Inona no zavatra tena tsapanao fa mahasarotra ny fiarovana ny varika ?

Maro dia maro ireo antony mahasarotra ny fiarovana ireo biby izay harentsika ireo. Raha tsy hilaza afa-tsy ny:

  • Ny fahantran’ny mponina ka mahatonga azy ireo hihaza ny varika hatao sakafo na hamidy mba ahazoam-bola;
  • Famotehana ny toeram-ponenany nohon’ny filàna amin’ny fiainana andavanandro: fanapahana hazo anamboarana trano, atao kitay / saribao amidy, anaovana fanafody, sns;
  • Ny tsy fahampiana tetik’asa amina angovo azo avaozina. Tokony hojerena akaiky ity mba tsy hiankinan-doha amin’ny hazo ho loharanon’angovo;
  • Ny tsy fahampian’ny fahalalan’ny olona ny amin’ny maha harena tokana an-tany ireo biby ireo sy ny tombontsoa omeny;
  • Ny tsy fahampian’ny fanentanana amin’ny tokony hiarovana;
  • Ny tsy fahampian’ny vola natokana ho an’ny fikarohana eto Madagasikara. “Mora kokoa ny miaro zavatra iray raha fantatra ny mombamomba azy”

Fandraisana anjara tamin’ny fanombanana ny « statut de conservation » an’ireo varika tamin’ny taona 2018.

Inona ny zavatra nitranga tena nanamarika anao, mety hoe nahafinaritra na nanohina anao ?

Maro ny zavatra mahafinaritra izao dia:

  1. Fahitana zava-baovao foana mahakasika ny mombamomban’ireo varika;
  2. Na dia maro aza ny tsindry mihatra amin’ireo varika, dia mahita karazam-barika vaovao matetika ireo Mpikaroka; 
  3. Nahalalako ny fomba fiainana varika iray (aye-aye) izay mbola vitsy ny fikarohana vita taminy;
  4. Fahaizako teknika vaovao amin’ny fikarohana; izany dia vokatrin’ny fiaraha-miasa amin’ireo Mpikaroka vahiny;
  5. Fitomboan’ny fifanaraham-piara-miasa hatrany amin’ny samy Mpikaroka, na Malagasy na vahiny.

Na izany aza misy hatrany ny mampalahelo dia atahorana ho lany tamingana ny 98% n’ireo varika nohon’ny vokatrin’ny asan’ny olombelona, kanefa ireo mpiaro azy / ny tontolo iainana dia manao ezaka tsy omby tratra hiarovana azy sy ny fonenany. 

Dr Brigitte Raharivololona mahita Simpona (Propithecus diadema) ao amin’ny alan’ny Maromizaha (Crédit : Volana Nirisoa Raveloson).

Ao anatin’ny folo taona, inona no vinavina heverinao sy ireo mpiara-miasa aminao amin’ny asa fiarovana ny varika ?

Ny vinavina voaloha dia ny fanaovana ny fambolen-kazo izay ilain’ny vahoaka sy hazo voafantina ilaina hanarenana ny toeram-ponenan’ny varika ho programan’asam-pirenena goavana;

Eo koa ny fanenana ireo tsindry amin’ny alalan’ny fampiharana antsakany sy andavany ny lalàna ary fanatsarana hatrany ny velon-tenan’ireo mponina (ohatra: fambolena voly fanondrana toy ny lavanila, any amin’ny faritra izay mety amin’izany, mba hampitombo ny fidiram-bolan’ireo mponina eny ifotony ka mba tsy hiankin-doha be loatra amin’ny loharanon-karena avy amin’ny ala).

Tsara ihany koa raha ampitomboina ny fikarohana mahakasika ny mety ho fahazoan’ny varika sasany ny tsimok’aretina SARS-Cov-2; sao sanatria mety ho mpitahiry izany tsimok’aretina izany izireo ka hampitoetra maharitra/mandrakizay ny Covid-19 eto Madagasikara.

Inona no toro hevitra sy hafatra atolotrao ireo mpianatra Malagasy te hiompana amin’izany fikarohana sy fiarovana ny varika izany ?

Manana tanjaka ara-batana

Voalohany dia mila manana tanjaka ara-batana satria tsy mora ny manao fikarohana momba ny varika, indrindra raha te-hahalala ny fiaimpiainany;

Manana fahaleovan-tena sy fahasahiana

Tena ilain’ny mpianatra io rehefa hanao fikarohana

Manana tanjaka ara-tsaina

Mila manana tanjaka ara-tsaina ihany koa amin’ny maha-fikarohana azy izay sy amin’ny fiatrehana sy famahàna ireo olana maro sedraina ao anatin’ny sehatrin’ny fiarovana;

Mahay mampifandrindra ny asa fiarovana sy ny fiveloman’ny mponina

Tena tsara raha manana tsirin-kevitra vaovao amin’ny fanatsarana ny velon-tenan’ny mponina.

Ahoana no ahafahan’ireo olona maneran-tany hanampy hanavotra ny varika ka hanampy anao amin’ny asanao ?

  1. Fampahafantarana ny zava-misy amin’ny alalan’ny famoahana ny voka-pikarohana;
  2. Fampahalalana amin’ny alalan’ny fitaovan-tserasera fa atahorana ho lany tamingana ity karazam-biby ity arakin’ny antontan’isa navoakan’ny IUCN tamin’ny taona 2020. Ny 98% n’izireo dia atahorana ho ringana, ary efa ny 10%’ny ala nisy taloha sisa no tavela ankehitriny. Ary raha mitohy amin’izao endriny ankehitriny izao ny fanapotehana ny ala, dia tsy hisy ala intsony eto Madagasikara afaka 25 taona hoy ireo manam-pahaizana;
  3. Fampahafantarana ny olana sedraina ao anatin’ny fikarohana sy ny fiarovana ny varika.

Misy varika manokana tena tianao ve ?

Saika tiako daholo ireo karazam-barika noho izireo voloina, samy manana ny loko mampiavaka azy, ary noho ireo asa ataony eo amin’ny tontolo iainana: fampitsiriana ireo voninkazo na, fambolena hazo voajanahary noho ny sasany amin’izireo manaparitaka ny voam-boankazo.

Inona kosa ny hafatra omenao ny mpamaky ?

“Aza ompiana ary andao arovana ny varika satria 1) harena voajanahary mampiavaka an’iMadagasikaraka mampidi-bola ho antsika amin’ny alalan’ny fizahan-tany izy ireny; 2) mandray anjara amin’ny fiainantsika zanak’olombelona izy amin’ny alalan’ny famboleny ara-boajanahry ireo karazan-kazo any anaty ala. Aza potehina ny toeram-ponenany.

Ny fanaparitahanao izao hafatra izao dia efa anjara biriky raisinao amin’ny fiarovana ny varika satria mety mbola maro no tsy mahafantatra ity karazam-biby ity sy ny tontolony”.

Mankasitra indrindra ny Dr Brigitte Raharivololona ary ny ekipan’ny Lemur Conservation Network; ary raha te hahalala momban’ny sampam-pianarana “Anthropobiologie et Développement Durable” izay misy azy ianao dia tsidiho ity rohy ity.

 

,