Fiarovana ny varika ve? manampy amin’ny asa fivelomana maro eny ifotony

Rehefa tsy misy vina amintsika intsony ny maha harena ny varika dia indro entina amintsika indray ny resaka momban’ireo asa fivelomana ateraky ny fiarovana ny varika sy ny ala fonenany. Izany no atao hoe “ conservation business” na “business de conservation”!

Teny Fampidirana

Vao tamin’ny volana jolay 2020 no nanambara ny Vondrona Iraisam-pirenena Miaro ny Natiora (International Union for Conservation of Nature na IUCN) fa ny 98%-n’ireo varika rehetra izao dia atahorana ho lany tamingana avokoa. Statistika manaitra izany, ary tsy azo odian-tsy hita intsony! Jereo eto

Propithecus verreauxi verreauxi na Sifaka izay vao nosokajiana ho tandidomin-doza (Critically Endangered) nanomboka ny volana jolay 2020 Photo credit : Ellesse Janda

Ao anatin’ny ezaka atao ho fiarovana ny varika dia misy ireo fanentanana maro isan-karazany, ireo ezaka fiarovana ny toeram-ponenany indrindra ny ala, ny fampahafantarana azy ireny sy ny maha harena sarobidy azy amin’ny olona indrindra fa amin’ny olona eny ifotony… Ankoatr’izay anefa dia misy ihany koa ireo asa ho an’ny fiarovana na ihany koa antsoina hoe “conservation business”, izay tsapa taty aoriana fa manampy be dia be amin’ny fiarovana ny biby tsy ho lany tamingana, ao anatin’izany ny varika. 

Hetsika fampahafantarana ny maha harena sarobidy ny varika tetsy Antaninarenina nandritra ny Andro Maneran-tany ho an’ny Varika 2020, photo credit: Diamondra Ranaivoson

Fa inona tokoa moa izany atao hoe “conservation business” izany?

Fomba fijery vaovao ho an’ny fiarovana

Tao anatin’ny taona maromaro dia niova ny fomba fijery mikasika ny fiarovana ny natiora sy ny tontolo iainana. Fahiny mantsy dia nirona kokoa nankany amin’ny fitehirizana tanteraka ireo harena voajanahary ny fiarovana, ary natao ireo ezaka rehetra mba tsy hahavoakitikitika ireo harena voajanahary ireo. Raha ny hita anefa dia tsy nahomby izany fomba fiasa izany satria nitohy hatrany ny fahasimban’ny zava-boary sy ny fahaverezana karazanà biby maro samihafa, ary taratra tokoa izany teto Madagasikara izay manan-karena biby miavaka toy ny varika. 

Maro ny mety ho anton’izany tsy fahombiazana izany, ary noheverina ho isan’izany ny tsy fahampian’ny fijerena ireo mponina eny ifotony sy ny fiveloman’izy ireo. Ny mponina eny ifotony mantsy no akaiky indrindra ireo zava-boary arovana, ary ny fananan’izy ireo asa sy ny fampandraisana anjara azy ireo amin’ny fiarovana dia heverina fa fomba mahomby hitantanana ny harena voajanahary (1). Raha ny eto Madagasikara mantsy dia mbola miankina tanteraka amin’ny harena voajanahary ny ankamaroan’ny mponina.

Anisan’izany ohatra ireo foko monina amin’ny morontsiraka andrefan’ny Nosy izay mampiasa ny ala maina sy ny harena voajanahary misy ao aminy. Anatin’izany indrindra ny foko Mikea, izay vondrona tena mampiavaka ny faritra andrefan’i Madagasikara (2).

Taty aoriana dia nisy fomba fijery vaovao izay nanomboka nijery manokana ireo mponina eny ifotony, ary indrindra manampy azy ireo hamorona asa ka mampihena ny fampiasana ny harena voajanahary tsy ho voatrandraka tafahoatra.

Ho an’iza ny asa ao amin’ny “conservation business”? 

Raha hazavaina tsotsotra dia ireo asa ataon’ny olona eny ifotony ka manampy amin’ny fiarovana ny harena voajanahary, satria izany asa izany dia mampiasa ny harena voajanahary amin’ny fomba voahevitra, ary mampihena ihany koa ireo mety ho fanimbana na fitrandrahana tafahoatra noho ny fisian’ny fidiram-bola hafa ho an’ny mponina.

Koa amin’izany, ny harena voajanahary dia heverina ho toy ny entam-barotra azo jifaina sy amidy (3), ary izay mampiasa sy manjifa azy dia tsy maintsy mandoa vola ho fandraisana anjara amin’ny fitehirizana azy.

Ny “conservation business” sy ny fiarovana ny varika

Maro ny tsindry mihatra amin’ny varika ka mety hahatonga azy ho lany tamingana. Voalohany indrindra amin’izany ny fahasimban’ny ala tropikaly fonenany. Araka ny voalaza anefa dia ny fampiasan’ny mponina tafahoatra izany ala izany no mitarika ny fahasimbany. Izany indrindra ny maha zava-dehibe ny asa ho an’ny fiarovana, izay manampy tokoa amin’ny ady amin’ny fahasimban’ny ala – ala izay iankinan’ny fahaveloman’ny ankamaroan’ny varika.

Ireo asa ho an’ny fiarovana atao eto Madagasikara

Maro karazana ireo asa azon’ny mponina atao mba hanampy ny fiarovana ny varika. Ireto tanisaina manaraka ireto dia misy ohatra vitsivitsy izay manampy tokoa ny fiarovana ny varika eto Madagasikara tsy ho lany tamingana.

  • Asa mifandray amin’ny fitsidihana toerana 

Ny mponina eny ifotony, noho izy ireo mahalala betsaka mikasika ny toerana misy azy, dia rariny tokoa raha manao asa toy ny mpisera-dia, ary mety ihany koa handray anjara mihitsy amin’ny fitantanana ireny toerana ireny. Tsy ho an’ny mpitsidika toerana ihany anefa izany fa indrindra ihany koa ho an’ny mpikaroka.

Mpisera-dia iray (ankavanana indrindra) mitarika sy manampy ireo mpianatra (ankavia) amin’ny fikarohana ataony ao amin’ny alan’ny Tampolo, photo credit: Diamondra Ranaivoson

  • Fambolen-kazo

Ny fambolen-kazo ihany koa dia modely iray anisan’ny tsara raha asa ho an’ny fiarovana ny resaka, satria sady manome asa ireo mponina no manampy isa ny velaran’ny ala.

  • Fanamboarana lohamenaka na “huiles essentielles”

Ity karazanà asa ity dia anisan’ny tena mahaliana ny mponina eny ifotony amin’izao fotoana izao eto Madagasikara. Manan-karena zava-maniry azo ampiasaina amin’izany mantsy isika, ary manintona ny tsena iraisam-pirenena izany.

Fitaovana fitanehana lohamenaka natamba-tanana, photo credit: Diamondra Ranaivoson

  • Asa tanana maro isan-karazany

Misy karazany maro ny asa tanana tanterahin’ny mponina eny ifotony, ary izy ireny dia itarafana ny kolontsaina mampiavaka ireo mponina sy ny toeram-ponenany. Ao ohatra ny tenona, ny rary, ny sary sikotra, sns.

Fehiny

Azo lazaina fa anisan’ny vahaolana maharitra amin’ny fiarovana ny varika ny fananan’ny mponina eny ifotony asa fivelomana izay mampiasa ny harena voajanahary araka ny tokony ho izy. Izany mantsy no ahafahana manena ireo tsindry maro samihafa mihatra amin’ny varika, ka hahazoana toky fa tsy ho lany tamingana izy ireo.

Loharanon-kevitra

  1. Jansujwicz, J. S., Calhoun, A. J., Bieluch, K. H., McGreavy, B., Silka, L., & Sponarski, C. (2021). Localism “Reimagined”: Building a Robust Localist Paradigm for Overcoming Emerging Conservation Challenges. Environmental Management, 67(1), 91-108.
  2. Waeber, P. O., Wilmé, L., Ramamonjisoa, B., Garcia, C., Rakotomalala, D., Rabemananjara, Z. H., … & Sorg, J. P. (2015). Dry forests in Madagascar: neglected and under pressure. International Forestry Review, 17(2), 127-148.
  3. Nicholls, H. (2004). The conservation business. PLoS Biol, 2(9), e310

Momba ny mpanoratra

Ranaivoson Diamondra dia mpianatra taona fahadimy mianatra momba ny Ala sy ny Tontolo iainana eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo eny Ankatso. Mahatsiaro manana anjara andraikitra manokana amin’ny fiarovana ny varika sy ny fonenany izy, ka nahatonga azy hirotsaka an-tsitrapo ato amin’ny Lemur Conservation Network.