Main Menu

Ahaona no ilazàna fa manohana ny fiarovana ny bibidia ny fisian’ny fahi-bibidia na Zoos?

Rariny ny filazana fa ny fahi-bibidia dia tsy vitan’ny toerana fialam-boly fotsiny. Na dia antom-pisian’ny fahi-bibidia voalohany aza ny fialana voly, dia tsapa fa manan-danja betsaka amin’ny izy ireny ihany koa ankehitriny ny fanabeazana, ny fikarohana ary ny fiarovana ny bibidia.

Raha resaka fiarovana ny bibidia no asian-teny, ny fahi-bibidia dia afaka mitarika asa fiarovana « ex situ » na hoe « ivelan’ny toeram-ponenana voajanahary » maro, toy ny programa fampiterahana ireo biby ohatra. Tsy izany ihany anefa fa maro ihany koa ny fomba afaka anampian’ny fahi-bibidia ny ezaka fiarovana ny bibidia any amin’ny toera-ponenana voajanaharin’ireo biby ireo.

Inona no fanampiana ataon’ireo “zoos” ho fiarovana ny bibidia any amin’ny toera-ponenany voajanahary?

Fanomezana fanampiana ara-bola, sy ara-pitaovana ary fanohanana ireo mpiasa

Anisan’ny zava-dehibe indrindra azon’ny fahi-bibidia atao hanampiana ireo tetik’asa fiarovana ny bibidia any amin’ny fonenany voajanahary ny fanohanana ara-bola. Mety ho sarotra ho an’ny tetik’asa mantsy no mahita famatsiam-bola. Araka izany, amin’ny alàlan’ny fanohanana ara-bola na dia indray mandeha ihany aza, na raha ny tsara indrindra dia fanampiana ara-bola maharitra, no ahafahanan’ny tetik’asa maro manohy ny asa fiarovana ataon’izy ireo.

Ankoatran’ny fanampiana ara-bola, ny fahi-bibidia dia manome ihany koa fanohanana ara-pitaovana, sy fanohanana avy amin’ny mpianatra mpikaroka miara-miasa amin’izy ireo, ary fanohanana avy amin’ireo mpiasa ao aminy. Ny mpiasan’ny fahi-bibidia mantsy dia manam-pahalalana betsaka mikasika ny fiompiana bibidia, ny fitsaboana biby, ny fitantanana ny fiaraha-monin’ny biby ary ny fanaovana fikarohana siantifika. Noho ireo fahi-bibidia manaiky mizara ny fahalalany sy ny traikefany, dia manjary mahazo fahaiza-manao maro ihany koa ireo mpiasa sy mpilatsaka an-tsitrapo amin’ny tetikasa any ifotony, izay manampy betsaka azy ireo amin’ny asany.

Fahi-bibidia manampy ny « Turtle Survival Alliance » amin’ny fanavotana ireo Sokake eto Madagasikara

Ohatra iray amin’ireo fanampiana lehibe atolotry ny fahi-bibidia dia ilay tetik’asa iray tantanin’ny « Turtle Survival Alliance ». Ny « Turtle Survival Alliance » mantsy dia miara-miasa amin’ny fahi-bibidia maro any Amerika Avaratra mba hiaro ireo Sokake izay ahiana ho lany tamingana eto Madagasikara.

Nisy ireo mpiasan’ny fahi-bibidia no nalefa teto Madagasikara mba hanampy amin’ny fiompiana sy ny fitsaboana ireo Sokake. Izany dia nahafahana nitsabo sy nikarakara Sokake an’arivony –  izay nokasaina ho amidy hohanina na hompiana any an-trano – mba hiverina ho an’ny amin’ny fonenany voajanahary.

 

Fantaro bebe kokoa ny momba ity tetikasa avy amin’ny « Turtle Survival Alliance », Jereo ity rohy ity

 

Mampifandray ny fiarovana ivelany sy anatin’ny fonenana voajanahary amin’ny alàlan’ny fampitomboina sy ny famerenana ireo biby anaty natiora

Ny fahi-bibidia dia mandray anjara amin’ny programa fampiterahana ihany koa. Izany dia mampifandray ny fahi-bibidia maneran-tany ary mahatonga ny famezivezena biby amin’ny toerana samihafa, mba hampahomby ny fampiterahana ireo karazana biby tandindonin-doza, no sady ihany koa miantoka ny fahasamihafana ara-pirazanana sy ny fitantanana ny fiaraha-monin’ny biby rehetra amin’ny fahi-bibidia maneran-tany. Ny biby azo avy amin’ny ny fandaharan’asa fampiterahana toy izany dia azo ampiasaina hamerenana ireo karazam-biby anaty natiora. 

Eo no mitambatra ny ezaka fiarovana « ex situ » (fampiterahana anaty fahitra) sy « in situ » (famerenana anaty natiora). Ity firaisan’ny « ex situ » sy « in situ » ity dia ao anatin’ny « One Plan Approach » nataon’ny IUCN izay manolotra hevitrà rafi-pitantanana ny mponin’ny bibidia maneran-tany ho an’ny mponina anaty natiora sy anaty fahi-bibidia.

Ny « golden lion tamarin » dia ohatra tsara iray amin’ny fahombiazan’ny fanakambanana ny fiarovana « ex situ » sy « in situ ». Izy io izay « Primate » hita tany Amerika atsimo, dia nanana mponina latsaky ny 200 isa. Tamin’ny 1972, ny « Smithsonian National Zoo » dia nitarika fihaonambe iray hiresahana momba ny fomba hamonjena an’io karazana bibidia io, ary namorona programa fiterahana iray. Tamin’ny 1981,  tafiakatra 143 ireo fahi-bibidia niara-niasa tamin’izany!

Ireo zoos dia mifanampy tamin’ny famerenana ireo golden rule tamarin ireo. Photo credit: Smithsonian National Zoo.

Noho ity programa fampiterahana nahomby ity dia maro ireo « tamarins » no tafaverina indray tany anaty natioran’ i Brezila. Ankehitriny dia tafiakatra hatramin’ny 2.500 ny isan’izy ireo! Ny iray ampahatelon’izany dia vokatr’ireo « tamarins » nampiterahina ka navotsotra  avokoa.

Fantaro bebe kokoa ny mikasika ny fiarovana ny « golden lion tamarin », jereo ity rohy ity.

 

 

 

 

 

Ahoana ny fomba hanampian’ny fahi-bibidia any ivelany ny Varika eto Madagasikara? 

Fampianarana ireo mpitsidika mikasika ny Fiarovana ny Varika

Biby anisan’ny malaza indrindra any amin’ny fahi-bibidia any ivelan’i Madagasikara ny varika, miaraka amin’ireo fahi-bibidia manerana an’izao tontolo izao izay manana karazanà varika maro samihafa. Ny fahi-bibidia ihany koa dia anisan’ny toerana mety indrindra hampianarana ny olona momba ny varika, ny tsindry mihatra aminy, ary ireo tetik’asa maro izay miasa mafy hiarovana azy ireo. Izany fanabeazana izany dia manampy ireo mpitsidika hahalala mikasika ny fiarovana ny varika, ary avy eo hanohana izany amin’ny alàlan’ny fanaovana tolotra, ny firotsahana an-tsitrapo, na ihany koa ny fizarana ny fahalalany sy ny fitiavany amin’ny hafa.

Maki iray sy varika roa any amin’ny Smithsonian National Zoo. Photo credit: Alex Reddy.

 

Voka-pikarohana iray tamin’ny 2017no nahitàna fa nitombo ny fahalalan’ny mpitsidika momba ny zava-boahary sy ny fiarovana azy mandritra ny fitsidihany ny fahi-bibidia. Mitombo kokoa ny isan’ireo mpitsidika any amin’ireo toerana izay ahitàna ireo fitaovam-panabeazana toy ny takelaby, takelaka fifandraisana ary sarimihetsika. Noho izany, ny fahi-bibidia dia manana fahafahana tsara hampitombo ny fahatsiarovan-tenan’ny besinimaro  mikasika ny olàna lehibe amin’ny fiarovana ny bibidia!

Fanohanana ny fiarovana ny tontolo iainana eto Madagasikara

Ankoatry ny fanabeazana ireo mpitsidika dia maro ny fahi-bibidia no manampy amin’ny fiarovana ny varika anaty natiora eto Madagasikara. Ny fahi-bibidia mpikambana LCN tsirairay avy dia manohana asa fiarovana ny varika isan-karazany. Fahi-bibidia maro ihany koa no mpikambana ao amin’ny fikambanana toa an’i Madagascar Fauna and Flora Group sy AEECL. Ary ny fahi-bibidia sasany dia anatin’ny  fiarahamonim-pirenena zoolojika ary manatanteraka ny asany manokana eto Madagasikara.

 

Bristol Zoo miasa amin’ny fananganana tobim-pikarohana any Avaratra Andrefan’i Madagasikara

Ny Bristol Zoological Society , iray amin’ireo mpikambana ato aminay izay tantanin’ny Bristol Zoo any Royaume-Uni, dia miasa ao amin’ny faritr’i Sahamalaza amin’ny karazanà varika toy ny varimainty manga maso (Eulemur flavifrons). Io fahi-bibidia io dia niasa tamin’ny tetik’asa fiarovana ny tontolo iainana teto Madagasikara nanomboka ny taona 2006.

Ekipan’ny Bristol Zoo miasa any Akarafa any Avaratra-andrefan’i Madagasikara. Photo credit: Bristol Zoo.

Ny tetik’asan’izy ireo farany indrindra dia ny fananganana tobim-pikarohana ao Sahamalaza. Ity toby ity dia hanome foto-drafitrasa ho an’ny mpizahan-tany sy ny mpikaroka ao amin’ity faritra lavitra sy sarotra aleha ity.

Fantaro bebe kokoa ny momba ity tetik’asa ity ary ampio izahay hanohana azy, jereo ity rohy ity

 

 

 

 

Fehiny

Ny Fiaraha-miasan’ny Fahi-bibidia sy ireo vondrana manao ezaka Fiarovana

Betsaka ny fomba ahafahan’ireo fahi-bibidia mandray anjara amin’ny ezaka fiarovana ny toera-ponenana voajanaharin’ny bibidia: fanohanana ara-bola, fanomezana loharano, fanabeazana ny besinimaro ary fizarana fahaiza-manao.

Varika manga any amin’ny Bristol Zoo. Photo Bristol Zoo

Ho an’ny varika manokana, ny fahi-bibidia dia afaka manisy fiatraikany lehibe amin’ny ezaka fiarovana amin’ny alàlan’ny fiaraha-miasa amin’ireo fikambanana mpiaro ny tontolo iainana ho amin’ny tanjona iray: hitahiry ny harena voajanahary araka izay azo atao ary hiaro ireo karazan-javaboary eto Madagasikara tsy ho lany tamingana.

 

 

Momba ny mpanoratra

Amber Wyard dia avy any North Wales any Royaume-Uni ary mianatra hahazo MSc amin’ny « Zoo Conservation Biology ».

Amber Wyard

Liana amin’ny fifandraisana ara-tsiansa sy ny fizarana ireo olana lehibe momba ny fiarovana ny bibidia izy. Tena mahaliana azy ny zava-manan’aina tsy manam-paharoa eto Madagasikara (indrindra ny varika !) ary manantena ny ho avy aty Madagasikara izy indray andro any hijery ireo karazan-biby mahatalanjona ireo anaty natiora!

Mankasitraka betsaka an’i Ranaivoson Diamondra tamin’ny fandikàna ny bilaogy amin’ny teny Malagasy.