Main Menu

Vala-javaboahary any Mantadia: Tsidiho, Tiavo, Arovy fa Harena Sarobidy

Io no fehezan-teny tena mamehy ny hafatra tian’i Misa Rasolozaka zaraina amintsika ao anatin’izao bilaogy izao. Izy no vahinin’ny LCN amin’ity volana Febroary ity, mitantara ny fitsidihana ny vala-javaboahary any Mantadia, faritra Alaotra Mangoro any Atsinanan’i Madagasikara. Mankasitraka betsaka azy izahay eto amin’ny LCN. Manasa anao hamaky izany fa toy ny nandeha niaraka taminy tany Mantadia ianao hamaky ity bilaogy ity!

Misa Rasolozaka any Mantadia
© Naina Rabemananjara

Mba zarao aminay ny momba anao? 

Misa no anarako, “SIG et Télédétection” no sampam-pianarana nofidiko tao amin’ny IOGA na Institut et Observatoire de Géophysique d’Antananarivo, sampana iray ianarana manokana momban’ny “Géosciences” ao amin’ny Oniversite an’Antananarivo.

Momban’ny fivoaran’ny fahapotehan’ny ala tao anatin’ny 10 taona tamina faritra arovana iray ny “sujet de memoire” -ko tamin’izany. Tia biby sy mpankafy natiora aho ary tena tia mizaha tany koa!

Inona no antony manokana mandrisika anao hitsidika toerana eto Madagasikara?

Niasa tamin’ny resaka fiarovana ny tontolo iainana ny raiko taloha ka isak’izay avy any amin’ny “terrain” izy dia mitantara aminay foana ny “aventure” niainany sy ireo toerana rehetra nahafinaritra nalehany hany ka zary lasa nofinofiko hatramin’ny fahakeliko izany hitety an’i Gasikara izany. Rehefa lehibe indray aho ka nanomboka afaka nizaha tany dia itako fa misy zavatra mampiavaka sy mahatalanjona foana izay toerana alehako (aty ala matetika) ka vao maika nahatonga ahy liana sy voasarika foana hitsidika toerana vaovao. Ny mahafaly ahy dia nanana fotoana fanararaotra aho tamin’ireo asa izay nataoko nahafako nitsidika toerana vitsivitsy teto Madagasikara. Irariako ny hisian’izany hatrany satria mbola maromaro ihany ny toerana mbola tiako ho ita amin’ny ho avy.

Taiza no toerana notsidihanao? Ny momba momban’io toerana io? 

Toerana iray tsy lavitra loatra an’Antananarivo, notsidihiko farany tamin’iny taona 2020 iny no hozaraiko amin’ny mpamaky anio dia ny valan-javaboaharin’i Mantadia izay tantanin’ny Madagascar National Park.

Ny valan-javaboaharin’i Mantadia

Ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro, kaominin’Andasibe no misy azy io, eo amin’ny 140 km (adiny 4) miala ny renivohitra eo. Midadasika tokoa ilay valan-javaboahary satria manana velarana sahabo 15 000 ha. Ala mando no isokajiana ny ala ary ahitana biby sy zava-maniry maro izay mampiavaka an’i Madagasikara ao anatiny toy ny varika, ny vorona maro an’isa, sahona, bibikely maro karazana ary orchidee ho an’ireo mpankafy voninkazo. 

 

Toerana roa hafa kely: “Circuit Tsakoka” sy “Circuit piscine naturelle”

“Circuit Tsakoka” sy “Circuit piscine naturelle” no nosafidianay ho tsidihina tao anatin’ny circuit 5 natolotra. Naharitra adin’ny roa  teo ho eo ny fitsidihana fa nandritr’io fotoana io dia tsy nitsahatra ny talanjona izahay tamin’ny hatsaran’ilay ala sy ny zava-manan’aina ita tao. Kanto eh! Tsy re intsony ny arerahana tamin’ny dia tongotra nohon’ny fahafinaretana azo amin’izany hoe anaty natiora izany.

Toa satry hanorina fonenana ao dia lasa mpiray vodirindrina amin-dry ‘zareo babakoto (Indri indri) mianakavy sy ireo namany, raha azo natao.

Mba milazà zavatra 5 tianao manokana, nahafinaritra anao, tsy nampoizinao hita na niainana rehefa nitsidika an’i Mantadia?

1. Dobo voajanahary na Piscine naturelle

Anisan’ny nahafinaritra ahy indrindra tamin’ny fitsidihana ny fandehanana tao amin’ilay dobo natoraly (piscine naturelle). Izaho rahateo tia milalao rano izay! Rehefa sendra somary rerakin’ny dia tongotra iny dia toa namelombelon’aina ny nilomano tao amin’ilay ranon’ala ary nahazo fahafinaretana koa ny maso tamin’ireo hazo be nandravaka ny manodidina.

Piscine naturelle

2. Ilay feon’ireo Indri Indri heno an-kilometatra maro sy ireo varika hafa

Rehefa mandalo ao amin’ny faritr’Andasibe koa dia ankafiziko foana ny maheno ny feon’ireo Indri indri isa-maraina, feo izay heno na an-kilometatra maro ary no misy ilay biby satria manamarika ny fari-ponenany izany. Mampihetsi-po ahy foana ny maheno ny feon’ny babakoto satria tena mahafatifaty loatra! Misy karazana varika hafa izay mahafinaritra sy tsara tarehy hafa koa anefa miara miaina amin’izy ireo ao an! Afaka hita izy ireo mandritry ny fitsidihana an’ala. Ny tadidiko ohatra dia ny Varijatsy na Varecia variegata, ny Simpona na Propithecus diadema ary ny Varika mena na Eulemur rubriventer. Atoandro ny fizahana nataonay ka tsy afaka ny nahita ireo varika izay mivoaka amin’ny alina izahay. 

Ireo Varijatsy (Varecia variegata) izay tratranay nilalao © Naina Rabemananjara

3. Nahita biby hafa kely atao hoe : Phasme

Nandritr’io fitsidihana io koa no nahitako voalohany “Phasme”, bibikely miendrika tapak’hazo kely, lahy sy vavy niray. Izay aho vao nahafantatra fa mamoaka fofona mahery be mihitsy kay ry zareo mandritr’io fotoana manokana io. Fantaro ihany koa fa misy karazana “Phasme” izay afaka manatody na tsy misy lahiny aza; “parthénogenèse” no fiantso izay zavatra izay. Hafakely an! 

4. Ireto biby atao hoe ‘mille pattes’ fanafodin’ireto varika: Mahavariana!  

Nisy karazana “milles pattes” iray izay ihany koa tena tiako ny naka sary azy nohon’ny lokony, ny paoziny ary ny habeny izay nanintona ny masoko. Fantatrao ve fa misy karazana varika izay mihinana mille-pattes ataony fanafody? Rehefa nandinika ny fiainan’ireo varika ny mpikaroka iray dia nahatsikaritra fa mihinana ireo mille-pattes ireo izy ireo ary indraindray mihosotra azy rehefa izy avy notsakoiny iny. Hay misy tsiranoka avoakan’io bibikely io mamono ireo kankana kely sy katsentsitra (parasites) amin’ny varika. 

Mille-pattes géant © Naina Rabemananjara

5. Mampianatra anao hanana fahatanjahan-tsaina ny fitsidihana ny natiora

Farany, anecdote kely nahatsikaiky nahazo anay nony efa handeha hody iny. Nanomboka re ny arerahana noho ny fiakarana sy dia tongotra sady nitaky koa ny hanoanana satria efa dila rahateo ny mitatao vovonana. Nony niandry ilay fiara haka anay anefa izahay dia nisy fifandisoana kely ara-teknika ka tsy teo amin’ilay toerana nifanaovana taminy izy. Noho izany dia mbola tsy maintsy nandeha dia tongotra 10 km teo ho eo izahay vao nahita azy (lehibe hoy aho aminareo i Mantadia!). Avelako ianareo hisaintsaina ny arerahana sy hanoanana ary hafanana nahazo anay (hehy). Teo aho vao tena nahatsapa fa any anaty saina ny hery fa ny vatana manantateraka fotsiny ihany. Vitanay ny 10 km izay tsy tao anaty programa!

Lesona azo notsoahina: mila mivonona foana amin’ny zava-drehetra satria betsaka ny tranga tsy ampoizina amin’ny fiainana, ao ny tsara ao koa ny mafimafy hatrehina fa rehefa hoy ianao hoe vita io, miaraka amin’ny herin-tsaina, dia vita foana.

Inona ny mety olàna hita sendrain’ny olona monina akaikin’ireny toerana ireny? 

Ny olana lehibe indrindra izay ita sy tsapa amin’ireo mponina manamorina ny ala dia ny tsy fahampian’ny tany azo ambolena nohon’ny fisian’ny faritra arovana hany ka misy ireo olona sasany izay halaim-panahy, nohon’ny tsy fisiana, hanao tavy, hamotika ny ala ho lasa tanimboly.

Nisy ve vahaolàna?

Efa nisy anefa ireo tetik’asa izay miezaka manarina izany tsy fahampiana izany amin’ny alalan’ny fanaovana ny AGR (Activités Génératrices de Revenues) toy ny fiompiana tantely ohatra. Nisy ihany koa ny fampiofanana ny mponina eny an-toerana amin’ny fitondrana mpizahan-tany ahafahan’izy ireo manao izany ho asa fivelomana ihany koa.

 Inona no tsindry mahazo ny valan-javaboahary any Mantadia? 

Manoloana izany rehetra izany anefa dia mbola misy ihany tsindry maro izay hita ao anaty sy manamorina ny ala toy ny fanaovana arina na saribao sy ny tavy ka mampametra-panontaniana ny amin’ny fahombiazan’ireny tetik’asa ireny. . 

Hafatra ho an’ny mpamaky

Tsy sasatra aho ny mamerina ity teniko ity: tiavo ary arovy ry zareo ny zavaboaharin’I Madagasikara fa harenantsika io. Sarobidy ….tena sarobidy ! Adidintsika amin’ny maha mpiray tanindrazana antsika ny mitia sy miaro azy fa raha tsy isika tompony no hanao izany dia iza?!!  

Manentana ny rehetra koa aho handeha hizaha tany rehefa/raha manana fahafahana na misy fotoana fanararaotra fa mampivoatra saina io no manome hery vaovao ahafahana miatrika ny asa izay atao. Kanto loatra i Gasikara ka rariny tokoa raha isika Malagasy no mianoka izany hatsaràna izany voalohany. 

 

Aza adino hatrany fa tsy azo atao ny mamoaka ny sarintsika milalao na mikasika biby any an’ala amin’ny tambazotra sosialy indrindra fa ny varika an! Tadidio ihany koa fa voarara ny manome sakafo azy ireo eny amin’ireny toerana ireny na oviana na oviana.

Hamaranako azy dia indramiko ity tenin’i John Muir, mpanoratra no tia natiora, ity hoe: “In every walk with nature one receives far more than he seeks.” Izany hoe isaky ny mandeha anaty natiora isika dia hahazo mihoatra lavitra noho izay tadiavina. Aza miandry ela intsony ary fa ‘ndehana, miandry anao ny hakanton’i Madagasikara.