Main Menu

Ny fankalazana ny andron’ny varika maneran-tany 2020- World Lemur Day

Fahombiazana lehibe ny fankalazana ny andron’ny varika tamin’ity taona 2020 ity! Raha ampitahaina tamin’ny taon-dasa dia betsaka ny fikambanana izay nanao ny fankalazana. Naredona koa izany teo anivon’ny tambanjotra sosialy FaceBook, ary betsaka ny fanampiana azo! Avo roa eny noho ny tamin’ny taon-dasa no nandray anjara nanerana izao tontolo izao, anisan’izany ny zoo sy oniversite eto Madagascar, Etazonia, UK, Eoropa ary Azia.

Covid-19 sy ny fankalazana ny andron’ny varika

Tamin’ity taona ity dia nanasarotra ny fankalazana mivantana ny fisian’ny Covid-19. Nanova ny fomba fankalazana ny hetsika ho an’ny mpikambana sasany izany. Raha nisy ireo nisafidy ny hetsika virtoaly, dia nisy ireo nanao hetsika mivantana mba hahafahan’izy ireo manatona olona akaiky kokoa ho fanentanana momba ny fiarovana ny varika.

Ny fankalazana virtoaly na tsy mivantana

Lemur Conservation Network

Maro ireo hetsika virtoaly tamin’ity taona ity, izay nanampy tamin’ny famoronana fiaraha-miasa vaovao eo amin’ny zoo, oniversite, fikambanana mpiaro ny tontolo iainana, masoivohon’ny fizahan-tany ary ireo mpankafy sy tia varika erak’izao tontolo izao.

Olona 4 500 mahery no nijery ireo hetsika virtoaly telo izay notarihin’ny Lemur Conservation Network, ao anatin’izany ireo mpiaro ny tontolo iainana izay te-hahalala ny fahombiazan’ny fitahirizana ny harena eto Madagasikara, ireo olona liana amin’ny fitsidihana an’i Madagascar, ary ireo fianakaviana maniry hianatra momba ny lemur amin’ny alàlan’ny lalao! (Zahao ireo hetsika ireo ao amin’ny YouTube.)

 

Ny Lemur Conservation Network dia nanangona vola 5 heny bebe kokoa noho ny tamin’ny taon-dasa. Isaorana be dia be ireo mpanao sary 8 nanome ny asan’izy ireo tao amin’ny TeeSpring! Ankoatr’izay, ny Lemur Conservation Network dia niara-niasa tamin’ny Beyond Good Chocolate, izay nanampy anay hanana mpanaraka Instagram an-jatony ary nanome ampahany amin’ny varotra ho an’ny fiarovana ny lemur. Noho ireo famatsiam-bola azo ireo, dia faly izahay nanome fanampiana ho an’ireo mpikambana telo hanohanana ny asan’izy ireo: Mikajy Natiora, Conservation Fusion, ary Madagascar Wildlife Conservation.

Hetsik’ireo mpikambana ato amin’ny LCN sy fikambanana hafa

Hetsika maneran-tany

Ny hetsika virtoaly nataon’ny Duke Lemur Center, Lemur Conservation Foundation, Planet Madagascar, ary fikambanana maro hafa momba ny fiarovana azy ireo dia nanampy azy ireo hanangona famatsiam-bola sy fanentanana ho an’ny fiarovana i Madagasikara. Ny andron’ny varika dia nankalazain’ireo mpanakanto eran-tany ihany koa, izay nampiasa ny #WorldLemurFestival mba hamoronana sy hizarana ny kanto nataony ahitana ny varika sy ny zava-boahary avy eto Madagasikara koa.

HONORABLE MENTION: In “Let’s Protect the Lemur,” the artist, Randriamanjato Iaro Foulun. Lemur Conservation Foundation

Ny Lemur Conservation Foundation dia nikarakara fifaninana sary izay mampiseho varika. Aman-jatony ny mpiafaninana ary nahitana mpanao sary Malagasy betsaka tao anatiny. Nisy mihitsy aza ny nahazo “Honorable mention” tamin’izany, dia I Randriamanjato Iaro Foulun . Miarahaba manokana azy izahay avy ato amin’ny Lemur Conservation Network.”

Hetsika teto Madagasikara

Raha efa hita amin’ny andavanandrom-piainan’ny any ivelany ny hetsika virtoaly, dia mbola tsy tena mahazatra izany eto Madagasikara. Saingy betsaka ireo fikambanana eto Madagasikara izay tena nanao ezaka ny amin’izany.

Ary Saina

Hetsika #1 : Fanentanana ho fiarovana ny varika izay nandraisan’ireo mpanaraka ny pejy anjara tamin’ny alalan’ny fandefasany ny sariny sy/na ny ankohonanany miaraka amin’ny teny manentana voarakitra an-tsoratra. Ny 23 – 29 Oktobra 2020 no nanaovana ny fanentanana sy fanangonana ny sary ary dia navoaka teo amin’ny pejy Facebook Ary Saina izany nandritra ny andron’ny 30 Oktobra 2020, izay ivon’ny fankalazana.

Hetsika #2 : Lalao en ligne ‘Kahoot, Challenge: World Lemur Day 2020’ ny 30 Oktobra – 2 Novambra, izay natao indrindra mba hitsapana sy hizaran’ireo mpanaraka ny pejy Facebook ny fahalalan’izy ireo momba ny varika.

Oniversite an’Antananarivo: Mention Anthropobiologie et Développement Durable-ADD

Navitrika koa ny mpianatra teny amin’ny anjery manontolo teny Ankatso teo amin’ny fankalazana ny andron’ny varika, tsy iza izany va ireo mpianatra avy ao amin’ny Mention ADD.

Hetsika #1: Nanao “Slam”, izay noforonon’izy ireo, ireo tanora ka navoakany horonantsary izany, hoy izy: « Andao arovana ny Varika fa harena tokana an-tany ». Nozarainy tao amin’ny pejiny “Team ADD in Action” izany, ary afaka jerena amin’ny alalan’ity rohy ity.

Hetsika #2: Nisy ny fanentanana izay nataon’ireo mpianatra tao amin’ny Mention ADD t@ ny radio: tao amin’ny Radio FANAMBARANA ny Talata 27 oktobra 2020, niarahana tamin’ny Navoko, Fetra, Herison, izay samy mpianatra Master 2 daholo; ary tao amin’ny Radio UNIVERSITAIRE Ambohitsaina (Ankatso), ny Zoma 30 oktobra 2020, izay notarihin’i Setra (M2+), Herison (M2).

Chances For Nature

Chances For Nature dia namorona lalao virtoaly mihitsy ho fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Varika. Ilay lalao dia ahafantarana hoe hatraiza ny fahafantarantsika ireo karazana Varika izay tsy hita afa-tsy eto Madagasikara. Mbola misokatra foana ilay lalao ankehitriny na dia efa tapitra aza ny fankalazana. Raha mahaliana anao izany dia tsindrio ity rohy ity.

 MAHERY

Ho fankalazana ny andro manerantany ho an’ny varika 2020 dia nampiantrano hetsika virtoaly koa ny avy ao amin’ny MAHERY na Madagascar Health and Environmental Research niarahana tamin’ny IMVAVET. Ny tanjona dia hialana amin’ny fihazana ireo biby arovana, ao anatin’izany ny varika, sy fanohanana ny filan-tsakafo an’ireo mponina amin’ny alàlan’ny fihompiana akoho sy ny fikajiana ny fahasalaman’ireo. Ny Dr Ando Ravelomanantsoa Miharifetra, izay mpikaroka-mpampianatra ary mpandrinda ny tetikasa fanaovana vakisiny ny akoho hiadivana amin’ny ARETINA BIATY ao Makira sy Masoala, no nanao ny famelabelarana. Ity ny rohy izay ahitana izany.

Fankalazana mivantana

Ny hetsika mivantana no fomba mahomby indrindra hikendrena ny olon-tsotra ary hitaritana azy ireo handray anjara amin’ny famahana ny olana atrehin’ireo varika.

FNG-MADAGASCARMadagascar Lemurs PortalORTANA (Office Regional du Tourisme d’Analamanga)

Fampirantiana sarin’ny varika miampy fanazavana nataon’ny Mpitaridia Mpikambana ao amin’ny FNG no nentina nanamarihan’ny avy ao amin’ny Fédération Nationale des Guides – FNG Madagascar ny andron’ny varika izay niarahana niasa tamin’ny ORTANA na Office Regional du Tourisme eto Analamanga-Antananarivo sy Madagascar Lemurs Portal.

Ministeran’ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovainjafy (MEDD)

Raha ny tantaran’ny nanombohan’ny andro maneran-tany ho an’ny varika dia ny GERP no manomboka azy ary nanentana sy nikarakara hetsika teto Madagasikara ka dia nampiely azy maneran-tany. Niavaka ny tamin’ity taona ity satria dia niarahan’ny GERP tamin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovainjafy na MEDD ny fikarakarana ny fankalazana ary niarahana tamin’ireo fikambanana misehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny varika hanatevin-daharana izy ireo:

  • Nisy ny famelabelarankevitra izay natao tamin’ny haino aman-jery sy ny fahitalavitra;
  • Nisy ny fampirantiana sy hetsika ary lalao izay nokarakarain’ny Parc Botanique et Zoologique Tsimbazaza;
  • Nisy ny fiarahamientana nataon’ny WWF, ny Madagascar Lemurs Portal ary ny WCS teny amin’ny tambanjotra facebook ka nanaparitahan’izy ireo ny hafatra rehetra, mafonja sy mampianatra, momban’ny antony tokony iarovana ny varika sy ny fampafantarana azy ireo;
  • Nisy ny fanentanana izay nataon’ny teo amin’ny DREDD nanerana ny Nosy izay niarahan’izy ireo tamin’ireo mpikambana misehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana:
    • Fankalazana tany amin’ny faritry DIANA: Ny DREDD DIANA sy  ny AllianceVoahary Gasy, ny ONG Fanamby sy ny SAGE dia nankalaza ny andron’ny varika ihany koa. Nisy tamin’ny izany ny fifaninanana, ny fampahafatarana,  fahalala ankapobeny, karazany,ireo antontan’isa,ny tsindry mihatra aminy sy toeram_ponenany,ny lalàna mifehy,ny anjara_toerany eo amin fizahantany,sns izay natao tao amin’ny Alliance Française Diégo. 
    • Fankalazana tany amin’ny faritra Menabe: Ny tany Morondava dia nisy ny diabe ho an’ny varika izay niarahan’ny DREDD Menabe, ny mpikambana misehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana tany an-toerana sy ireo mponina nanao. Olona aman-jatony no vory tamin’izany ary hita tao ny fanentanana toy ny dihy sy ny hira.
    • Fankalazana tany amin’ny faritra Antsinanana: Ny DREDD Antsinanana dia nankalaza ihany koa. Ny Parc Ivoloina no nanaovana izany ary nifototra tamin’ny fanaraha-maso sy ny fanamafisam-pahalalàna ho an’ireo mpanentana ara-tontolo iainana eo amin’ny faritra.
    • Fankalazana tany amin’ny faritra Vakinankaratra: Ny DREDD Vakinankaratra sy ny ONG Sadabe dia niaraka nankalaza ny andron’ny varika tao amin’ny ivotoeran’ny Faritra arovana vaovao Tsinjoarivo- Ambalampy. Nisy ny fifanankalozan-kevitra, fizarana traikefa, ny fanaovana tononkalo.
    • Fankalazana tany amin’ny faritra Alaotra Mangoro: Notanterahina ny faha 12 sy 13 ny volana Novambra 2020 tany amin’ny camp BANDRO Andreba Gare  CR Ambatosoratra distrika Ambatondrazaka ny “Festival Bandro”. Nisy ny fambolen-kazo, ny fanokanana fotodrafitrasa, ny fizarana marimpankasitrahana. Izy ity dia niarahan’ny DREDD Alaotra Mangoro tamin’ny ONG Durell sy ny Madagascar Wild Conservation.

Fehiny

Ny toe-draharaha ankehitriny dia raisina ho fanamby lehibe ho an’ny LCN sy ny fikambanana rehetra misehatra amin’ny tontolo iainana. Hita fa ireo izay nandray anjara dia nahavita nihoatra ny fahasahiranana mba hankalazana ny andron’ny varika. 

Mbola maro dia maro ireo hetsika nisy teto Madagasikara tsy voatanisa teo ambony, na hetsika nokarakarain’ny ministera izany, na hetsika nokarakaraina fikambanana. Midika izany fa efa tena manomboka tonga saina ny rehetra ny amin’ny mahamaika ny fiarovana ny varika. 

Isaorana ny avy ao amin’ny GERP, ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy, ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy rehetra (DREDD), ny fikambanana rehetra mpiaro ny tontolo iainana, mpitantana ireo valan-java boahary arovana, ny fikambanana tsy misehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny sehatra tsy miankina izay nankalaza, ny mpianatra indrindra fa ny eny amin’ny anjery manontolo sy ireo olon-tsotra izay nitondra ny anjara birikiny.

Mankasitraka indrindra!

Momba ny Mpanoratra

Mankasitraka betsaka an’i Narovana Erika Radavidrason, izay mpandrindra ny Andron’ny Varika maneran-tany eto Madagasikara eto anivon’ny LCN, nanoratra ny Bilaogy.

Narovana Erika Radavidrason

Narovana dia manana fahazaina sy trai-kefa manokana momba ny fandrindrana tetikasa maro samihafa ary tia natiora izy sady tia manovo fahalalana sy trai-kefa hatrany ao anatin’ny sehatry ny fiarovana sy fampandrosoana maharitra ary fitovian-jo ara-tsosialy. Tia mampiasa ny fahaizany sy ny trai-kefa ananany izy ho fandraisana anjara amin’ny fanabeazana ny Malagasy mpiray tanindrazana amin’ny maha zava-dehibe ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary eto Madagasikara.

 

 

,