Zavatra 10 tokony ho fantatra sy mahavariana momba ny varika

Inona ary izany ?  Biby tia mitanika amin’ny tara-masoandro izy, manana fihary hatsembohana eo amin’ny hato-tanany, ary tsy misy afa-tsy eto Madagasikara ?  Raha Varika no navalinao dia marina tokoa ny vinavinanao.  Andeha ary hotsongaina ireo toetra mahavariana izay mampiavaka ny Varika, avy eo dia horesahina ny antony ilàn’izy ireo fiarovana, ary hozarainay ihany koa ireo izay azontsika tsirairay avy atao mba hanampiana izany fiarovana azy izany.

1. Maherin’ny 100 ny karazana varika fantatra ankehitriny, ary amin’ny endriny sy habe maro samihafa!

Misy karazany 111 ny varika, izay hita amin’ny endrika sy habe rehetra.  Ny kely indrindra, ilay antsoina hoe Tsidin’i Madama Berthe, dia milanja manodidina ny 30g eo ho eo,  ary ny lehibe indrindra, izay  ny Babakoto, dia  milanja 6 hatramin’ny 9,5kg!

Ny haben’ny babakoto dia mitovimitovy amin’ny haben’ny zaza olombelona iray.

Babakoto mipetraka eo amin’ny hazo. Sary : Travis Steffens

Ny Babakoto no lehibe indrindra amin’ny varika mbola velona. Na izany aza, ny vokatry ny fikarohana fôsily dia manaporofo fa nisy ny varika izay efa lany tamingana no nahatratra 85kg!  Ny tena nanamarika indrindra dia ny Megaladapis edwardsi izay niaina  nanerana an’i  Madagasikara ary noheverina ho mitovy habe  amin’ny rajako!

 

 

 

2. Anjakan’ny vavy ao amin’ny fiaraha-monin’ny varika 

Maky na Lemur catta

Iza no mandrindra an’izao tontolo izao?  Eo amin’ny fiaraha-monin’ny varika manokana aloha dia ny vavy!  Eo afovoan’ny fiaraha-monin’ny varika mantsy dia misy ireo mpitarika vavy izay mandrindra ireo vondrona sosialy.  Tsy dia fahita izany amin’ny biby mampinono, izay ahitana ny fanjakan’ny lahy amin’ny ankapobeny.

Ny varika vavy kosa dia mampiseho fambara fa manjaka amin’ny alalan’ny fanamarihany ny faritaniny eo anivon’ireo vondrona maro.

 

3. Mpanaparita vihy ny varika, Izy izany no “mpamorona sy mpampitombo” ny ala 

Fantatrao ve fa ny varika dia mitana anjara asa lehibe amin’ny fananana ireo karazana zava manan’aina maro ao anaty ala? Ireo zava-maniry dia miankina aminy satria ny varika sasany dia mpanaparitaka ny vihin’ireo zava-maniry ireo. Ahaona tsara no mahatonga izany? 

Ireto varijatsy dia fantatra ho mpanaparitaka vihy sy vovombony Sary: Mathias Appel

Ny dikan’ny hoe manaparitaka vihy dia manampy amin’ny fitondrana ny vihy avy amin’ny toerana iray mankany amin’ny toerana iray ka mampaniry azy. Ny varijatsy dia tena ohatra lehibe sy voaporofo fa tena mpanaparitaka vihy ao anaty ala. 

Maro ireo zava-maniry tsy hita afa-tsy eto amintsika no miankina tanteraka amin’ny varika ny fahavelomany sy ny fitomboany noho izy ireo manaparitaka ny vihy.

 

 

4. Ankoatry ny olombelona, ​​ny varika no hany primata manana maso manga.

Ny primata dia manana maso amin’ny endrika sy loko isan-karazany, fa ny maso manga kosa dia tsy fahita firy amin’ny biby mampinono.  Ankoatry ny olombelona, ​​ny primata hany manana maso manga voajanahary dia ny Varimainty manga maso,  izay antsoina ihany koa hoe Ankomba joby

Akomba joby vavy. Sary: Melina Seiler

 

 

Mampalahelo anefa fa ny Ankomba joby dia anisan’ireo karazana varika izay efa eo ambavahaonan’ny faharinganana, izay voamarika ao amin’ny lisitry ny IUCN, noho ny isan’izy ireo izay tsy mitsahatra ny mihena.

 

 

5. Misy ireo varika no manana feo avo toy ny mihira! 

Rehefa sendra mitsidika ny ala mando ianao dia matetika mahare ireo hiran’ ireo Babakoto. Tena tsara feo toy ireny manao “acapella” ireny ny babakoto, sady mihira ny lahy no mihira ny vavy ary matetika miaraka izy ireo manao izany. Ny tena anton’ireo hira sy feo dia saro-pantarina ary miova araka ny toerana sy ny biby. Fa ny tena zava-dehibe efa fantatra dia ampiasain’ireo babakoto ny feo mba ho fanamarihana amin’ny babakoto hafa fa faritaniny fonenany ny toerana iray ka toy ny milaza izy hoe “Hey, azafady anie fa toeram-ponenako ity, mitadiava toerana hafa ho anao ianao!” 

6. Ny fofona koa dia fitaovam-pifandraisan’ireo varika 

Ireo maki na Lemur catta dia mifandray sy manamarika ny faritaniny amin’ny alalàn’ny fofona, fomba tena miavaka mintsy izany. Manana karazana fihary mamoaka fofona izy ireo eo amin’ny tratra sy ny tanana, ary tena ilainy izy io rehefa fotoana fananahana.

Maky kely Sary: Mathias Appel

Afangaron’ny lahy ny fihary izay avaokany miaraka amin’ny an’ny vavy mba hanamarihany ny faritaniny ary manainga rambo mihitsy izy mba hanehoany fa vonona hiady amin’ireo lahy hafa izy. Tsy tapitra ny ady raha tsy misy iray amin’ireo maky lahy mamaoka fofona mahery indrindra eo amin’ny tarehy ny iray hafa. Tena mahavariana!

 

 

7. Ny varika no anisan’ny primata antitra indrindra eto an-tany

Nahaona hoy ianao? 

Tena vitsy ny olona mahalala fa ny varika anie no anisan’ny primata antitra indrindra eto an-tany e! Nanomboka tany amin’ny fito tapitrisa tany aloha tany ny tantaran’ny varika, talohan’ny tantaran’ny zanak’olombelona. Tamin’izany, niaina niaraka tamin’ireo dinosaures na … ny varika tao ao amin’ny kaontinenta Afrika.

Raha ny voalazan’ireo mpikaroka, dia namakivaky ny ranomasim-be indianina tamin’ny zahatra ireo varika ka tonga teto amin’ny nosy Madagasikara ary nahita ala mitsikanfona.

Ilay varika lehibe nisy taloha atao hoe “Megaladapis” sary avy amin’ny boky : Lemurs of Madagascar

 

 

Ary rehefa izany, dia teto izy ireo no niaina ka araka ny toerana nisy azy teto Madagasikara dia nizara ho samihafa ny lokony, ny habe ary indrindra ireo “gène” mamaritra ny aina. Tao anatin’izay antapitrisan-taona izay, dia niova ny varika ka lasa nisy nihamaro ireo karazany. Ankehitriny efa 111 ireo karazany fantatra.

 

 

 

8. Manan-tantara sy lanja amintsika Malagasy ny varika!

Ny varika dia manana anjara toerana lehibe eo amin’ny kolontsaina Malagasy. Maro ireo karazana varika izay manana tantara mifandray amin’ireo fomban-drazana Malagasy. Misy ihany koa izy ireo no voakasiky ny fady amin’ny toerana sy foko samihafa erak’i Madagasikara. 

Indreto ary misy ohatra maromaro amin’izany:

  • Fady no mamono ny babakoto satria dia inoan’ny mponina  any amin’ny faritra misy azy ireo fa mitondra soa izy. Ao ny angano Malagasy no milaza fa olon’ala fahiny ny babakoto, ka io hono no nampisaraka voalohany ny razamben’ny olombelona sy ny gidro. Ao koa ny angano taloha izay miresaka ny fipetrahan’ny fanahin’ny razana ao anatin’izy ireny.
  • Any amin’ny faritr’i Fianarantsoa iny, indrindra fa any Ambatofinandrahana dia fady ny mampijaly ny  varika satria raha maty izy ireny vokatry ny fampijaliana azy dia hiaran- doza ka tsy ho afa-bela  ireo izay nahavanona  izany.
  • Ny tsidy dia fady ny mihinana azy indrindra fa raha vehivavy bevohoka satria dia mety hanahaka an’iny ary ho ratsy tarehy sy ho be voamaso ilay zaza ao an-kibo.
  • Ny avy any amin’ny faritra Atsimo indray dia mihevitra fa masina ny sifaka, ka tsy sahiny vonoina velively izy ireny na dia tsy mahita hohanina intsony aza izy ireo. Tsy vitan’izay fa ireo izay tsy manaja izany fady izany dia ataon’ny mpiray tanàna leo monina na roahiny lavitry ny tanàna mihitsy.

sary avy ao amin’ny boky Ako project, Lemur Conservation Foundation

  • Ny mponin’ny faritra Avaratra kosa dia mino fa masina ny gidro mainty satria mpiambina ny fasan-drazan’ny mpanjakany, ary ny famonoana ny iray amin’ireny dia mitarika fahafatesana.
  • Ao ny Malagasy izay mihevitra fa fambara loza na fambara fahafatesana ny hay-hay ka mila vonoina ary atsatoka amin’ny hazo ka avela eny amoron-dalana ivelan’ny tanàna mba ho hitan’ny olona ary ho lasana miaraka amin’izany ny loza saika nentiny. Mahavariana tokoa raha ny mikasika ity karazana/gidro ity satria dia miovaova araky ny tanana ny antony nahatonga ny fady. Na eo ary anefa izany, dia misy tanàna iray any amin’ ny faritra Toamasina iny, ao amin’ny distrikan’i Marolambo izay manohatra tanteraka izany fady izany satria dia fady ny mamono, na maneso eny fa na dia ny mihomehy azy ireny aza satria dia hinoan’ny mponina ao amin’io tanàna kely io fa  manana hery miafina izy ireny.

 

9. Manana rantsan-tanana 6 ny Hay-Hay! 

Ny Hay hay na Daubentonia madagascariensis irery no biby sy primata manana rantsan-tanana 6 eto an-tany, izay lazain’ireo mpikaroka fa “ tahaka ny ankihibe fa tsy tena izy na pseudo-pouce”.

Hay-Hay, Sary: David Haring/Duke Lemur Center

Ny anton’izany raha ny fanazavan’ireo mpikaroka sy ny manam-pahaizana momba ny Hay-Hay dia avy eo amin’ny foto-tsakafony izay ireny biby kely karohiny any anaty hazo efa lo ireny na lavaka. Koa mila mikaroka lavitra any anaty lavaka ny rantsan-tanany dia manampy azy amin’izany ny fananany io ankihibe tsy tena izy io. Tena mahavariana!

 

 

 

 

10. Ny teny hoe “Lemur” dia midika hoe “fanahin’ireo efa maty”

Amin’ny teny anglisy ny varika na ny gidro eto amintsika dia antsoiny hoe “lemur” amin’ny teny Frantsay dia “lémuriens”. Fa avy aiza ireo teny ireo? 

Ny teny hoe “lemur” dia avy amin’ny teny Latina hoe lemures izay midika hoe fanahy ratsin’ireo efa nodimandry. Tamin’ny taona 1795 i Linnaeus, ilay mpikaroka tonga teto Madagasikara momba ny harena voajanahary eto amintsika tamin’izany no sady nanome ireo anarana saintifikan’ireo zava manan’aina marobe no nanome io anarana io rehefa nahita voalohany ireo varika mivoaka amin’ny alina.

Fehiny!

Maro ireo zavatra mahavariana sy tsara ho fantatra momba ny varika! Miainga amin’ny fahalalana ny fitiavana te hiaro ny varika! Atao ahoana ny miaro raha tsy mahalala ny zavatra tokony arovana?

Momba ny mpanoratra

Ity bilaogy ity dia nosoratan’i Coral Chell sy Ranaivoson Diamondra, mpiasa mpilatsaka an-tsitrapo eto amin’ny LCN. 

 Coral dia mpianatra manana licence momba ny biolojia eny amin’ny zoos ary master momba ny fiarovana ireo zava manan’aina mety ho lany tamingana ary manana fitiavana manokana ny fianarana sy fiarovana ireo varika. Ankehitriny dia mpampianatra ao amin’ny sy any amin’ny at a college in East Yorkshire, UK ary miasa amin’ireo tetikasa momba ny sifaka sy maky eto Madagasikara ary manantena hanohy amin’ny Doctorat momba ny varika afaka taona vitsivitsy 

Ranaivoson Diamondra dia mpianatra taona fahadimy mianatra momba ny Ala sy ny Tontolo iainana eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo eny Ankatso  Tia natiora sy ary mahatsiaro manana anjara andraikitra manokana amin’ny fiarovana ny varika sy ny fonenany izy, ka nahatonga azy hirotsaka an-tsitrapo ato amin’ny Lemur Conservation Network

Sources: Loharano

  1. Mittermeier et al. (2010). Lemurs of Madagascar. 3rd Edition. Conservation International. 
  2. Kappeler, P.M. (1990). Female dominance in Lemur catta: more than just female feeding priority?. Folia Primatologica, 55(2), pp.92-95.
  3. http://pin.primate.wisc.edu/factsheets/entry/ring-tailed_lemur/behav#:~:text=The%20hierarchy%20among%20ring%2Dtailed,the%20rank%20of%20their%20mothers.&text=Males%20have%20a%20separate%20dominance,Jolly%201966%3B%20Sussman%201992).
  4. http://www.bbc.com/earth/story/20150514-extraordinary-pollinators
  5. Volampeno, S., Randriatahina, G., Schwitzer, C. & Seiler, M. (2020). Eulemur flavifrons. The IUCN Red List of Threatened Species 2020: e.T8211A115563094. https://dx.doi.org/10.2305/IUCN.UK.2020-2.RLTS.T8211A115563094.en
  6. Peckre, L.R., Defolie, C., Kappeler, P.M. and Fichtel, C., (2018). Potential self-medication using millipede secretions in red-fronted lemurs: combining anointment and ingestion for a joint action against gastrointestinal parasites?. Primates, 59(5), pp.483-494.
  7. Pollock, J.I. (1986) The song of the Indris (Indri indri; Primates: Lemuroidea): Natural history, form, and function. International Journal of Primatology. 7, 225–264
  8. https://lemur.duke.edu/ring-tailed-lemur-scent-marking-and-breeding-season/.
  9. Stankiewicz, J., Thiart, C., Masters, J.C. and De Wit, M.J., (2006). Did lemurs have sweepstake tickets? An exploration of Simpson’s model for the colonization of Madagascar by mammals. Journal of Biogeography, 33(2), pp.221-235.