Main Menu

Ny vintsy : tetikasan’ny fikambanana WWF Madagasikara mampifandray ny tanora sy ny tontolo iainana

Andeha isika hamantatra mikasika boky sy klioba izay anisan’ny manamarika ny fanentanana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana eto Madagasikara, dia ny club Vintsy izany, izay natsangan’ny WWF Madagascar tao anatin’iray tamin’ireo tetikasany.  Ary anisan’ny fikambanan’ny tanora voalohany misehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Inona izany Club Vintsy izany ?

Ny Club Vintsy dia fikambanana mpiaro ny tontolo iainana mitsangana eny anivon’ny sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, ary amin’ny ambaratonga rehetra amin’ny fianarana. Ny taona 1992 no niorina ny Club Vintsy voalohany. Miisa 750 izy ireo manerana an’i Madagasikara.

Anisan’ny vokatry ny tetikasa “Ny Voaary” izay nokarakarain’ny WWF ny fikambanana. Niainga tamin’ny famokarana ny gazety-boky Vintsy ny tetikasa ny taona 1991, izay rahateo no tena nahafantarana sy nahenoana ny anarana. 

Ary inona ny Boky Vintsy izany ?

Ny Boky Vintsy indray dia  boky mampahafantatra sy manabe ny ankizy sy ny tanora momba ny olana ara-tontolo iainana eto  Madagasikara sy eran’izao tontolo izao, indrindra ho fampiroboroboana ny hetsika sy fomba fitantanana maharitra ireo harena voajanahary.

Nivoaka isaky ny roa volana ny Boky Vintsy nanomboka ny taona 1991. Laharana 1 hatramin’ny 75 ny Boky Vintsy efa navoaka, ka ny taona 1991 hatramin’ny 2016 no nanontana azy ireo.

Ankizy mamaky ny Boky Vintsy. Photo credit: WWF Madagascar / Tony Rakoto

Miresaka momba ny tontolo iainana amin’ny ankapobeny ny Boky Vintsy, ary manazava mikasika ireo zava-maniry sy biby mampiavaka an’i Madagasikara ihany koa. Ao amin’ny pejy natokana hamelabelarana momba ny biby arak’izany dia omena lanja manokana ny Varika izay karazam-biby tsy hita raha tsy eto Madagasikara.

Ny Boky Vintsy moa dia noforonina ho an’ny olon-drehetra liana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Tsy izany ihany fa natao indrindra ho fanampiana ny mpanabe amin’ny lafiny fanabeazana ara-tontolo iainana any am-pianarana koa izy.

Ankizy maro miara-mamaky ny Boky Vinty miaraka amin’ny mpanabe iray. Photo credit : WWF Madagascar

Inona avy ny hita ao amin’ny Boky Vintsy ?

Ny Boky Vintsy dia mirakitra zavatra maro izay entina manentana amin’ny fomba tsotra sy mahaliana ary mahafinaritra ny amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Manasongadina lahatsoratra amin’ny fomba tsotra mba ho azon’ny mpianatra rehetra izy. Ny lohahevitra resahina ao aminy dia mahasahana ny lafiny rehetra amin’ny tontolo iainana, isam-paritra ary iraisam-pirenena. 

Ireo fizarana hita ao aminy : 

  • « Dossier scientifique » :
  • « Interview » sy ny « reportages »: handraisana vahiny
  • « Bandes dessinées » : ahitana tantara  
  • « Fiche pratique » : entina mianatra mikasika ny tontolo iainana
  • « Page des enseignants » : izarana mikasika ireo mpanabe 
  • « Page des Clubs Vintsy » : izarana mikasika ireo Club Vintsy 
  • « Page faune » sy « Page flore » : hanabeazana mikasika ireo zava-maniry sy biby
  •  « Jeux », « Courriers », « Publi-reportage »

Ny Boky Vintsy dia afaka jifaina sy vakiana eny amin’ny biraon’ny WWF eny Nanisana.

Fa inona tokoa moa ny Vintsy? 

Ny Vintsy dia vorona kely, manintona ny maso amin’ny lokony sy ny hatsarany : manga mamiratra, eo amin’ny lamosina, ny rambony ary ny lohany; mavo manjelatra ny kibony ary volom-boasary ny tongony. Ahitana azy manerana ny Nosy Madagasikara. Biby mahafehy ny singa fototra rehetra ny Vintsy. Manidina eny amin’ny habakabaka izy, amin’ny tany no itoerany sy anaovany ny ankaniny ary eny amin’ny rano izy no mizaha ny sakafony.

“Logo”-n’ny Boky Vintsy ahitana sarin’ny vorona kely Vintsy. Photo credit : WWF Madagascar

Inona ny tanjona sy antom-pisian’ny Club Vintsy ?

Ny tanjona napetraka tamin’ny fananganana ireo Club Vintsy dia ny fanofanana ny tanora ho mpandray anjara sy mpanentana amin’ny  tontolo iainana sy amin’ny fanabeazana ny mponina manodidina azy ireo.

Izany dia mba ahafahan’ny tanora misehatra mivantana sahady amin’ny fikajiana ny tontolo iainana. 

Afaka manokatra Club Vintsy ny sekoly tsirairay. Ary ny sekoly tsirairay no mamaritra ny fitantanana sy ny asa ataon’ny Club Vintsy ao aminy. Manana mpampianatra avy ao amin’ny sekoly izay miahy ihany koa ny fikambanana tsirairay, izy ireo no manoro hevitra ny mpianatra ny amin’izay asa atao. Misy kosa anefa ireo Fankalazana sy Hetsika izay iombonan’ny Club Vintsy maro ny fanatanterahana azy.

Asa sy hetsiky ny Club Vintsy

Maro ireo asa tanterahin’ny mpikambana ao amin’ireo Club Vintsy manerana an’i Madagasikara. Ao anatin’izany ny fiofanana, ny fambolen-kazo, ny fanamboarina arina fandrehitra amin’ny alalan’ny fako, ny fanentanana isan-karazany, ny fanamboarana zezika, sns…

Fambolen-kazo miaraka amin’ny Club Vintsy Lycée Midongy. Photo credit : WWF Madagascar/ Sarah Jackson

Ohatra Club Vintsy iray : Club Vintsy Reniala

Ny Club Vintsy Reniala dia rantsana Club Vintsy iray ao amin’ny Ecole Supérieure des Sciences Agronomiques (ESSA) eny Ankatso, Oniversiten’Antananarivo. Nitsangana ny taona 2008 ny Club Vintsy Reniala ary maherin’ny 50 ny mpikambana ankehitriny. 

Nosafidiana ny anarana hoe “Reniala”, ilay anarana karazana Baobab iray

Ny « Reniala » dia baobab iray izay anisan’ny manana hakanto miavaka eto Madagasikara sy maneran-tany. Sady mitana anjara asa miaro izy no mamelona ny mponina manodidina, tahaka ireo mpianatra agronoma izay beazina hanampy sy hampandroso ny tontolo ambanivohitra.

Ireo hetsika eo anivon’ny club Vintsy Reniala

Maro ny asa sy hetsika efa notanterahina sy nandraisan’ny fikambanana anjara. Teo ohatra ny fandraisana anjara amin’ireo Fankalazana mikasika ny tontolo iainana samihafa, nisy ihany koa iny fanentanana natao tamin’ny Radio Université Ambohitsaina 107 FM mahakasika ny fiarovana ny tontolo iainana.

“Logo”-n’ny Club Vintsy Reniala. Photo credit : Club Vintsy Reniala

Hetsika ho tanterahina

Atsy ho atsy dia mikasa ny hanatanteraka fambolen-kazo ny fikambanana, kendrena ho tafiditra ao anatin’ny taom-pambolenkazo manomboka ny volana Novambra 2020 izao izany. Anisan’ny fikasan’ny fikambanana ihany koa amin’izao ny fivoahana mankany amin’ny valanjavaboahary eto Madagasikara, ahafahan’ireo mpikambana mampitombo ny fahalalàny mahakasika ny tontolo iainana sy ny natiora ary hitia sy hizara izany fitiavana izany amin’ny manodidina azy.

Fankalazana ny Andron’ny Varika 2018.
Photo credit : Club Vintsy Reniala

Hafatra avy amin’ny Club Vintsy Reniala

« Andao ankafizina ny natiora, andao ankafizina ny hankanton’ny zava-boary. Fa ambonin’izany, manana ny fahafahana koa isika hampirindra sy hanadio kokoa ny toerana misy antsika. Andao arovana ary ny tontolo iainana. Ny fikajiana sy ny fiarovana ny tontolo dia tsy mitaky hetsika goavana be. Miainga amin’ny finiavan’ny tsirairay ihany. Ny tanora no ho avy, ny tanora no hery. Noho izany, izahay Vintsy dia mahatsapa fa manana andraikitra lehibe manoloana ny fitiavanay ny tontolo iainana ary sitrakay ihany koa ny hizara izany amin’ny tanora namanay. »

Te ho isan’ny ho mpikambana Club Vintsy ve ianao? 

Mpianatra voasoratra anarana ara-dalàna amin’ny sekoly manana Club Vintsy no afaka miditra ho mpikambana. Raha maniry hiditra mpianatra ianao dia aza misalasala manantona ny club Vintsy ao amin’ny sekoly misy anao, ka mandraisà anjara amin’ireo hetsika tanterahina rehetra ho fiarovana ny tontolo iainana.

Raha te hahalala be be kokoa ny Club Vintsy? 

Raha te hahalala be be kokoa dia aza misalasala mitsidika ny tranonkalan’ny WWF na ny pejy facebook-n’ny WWF .

 

Fisaorana 

Eto dia manatitra fisaorana be dia be ho an’ny ekipan’ny WWF Madagascar sy ny ekipan’ny Club Vintsy Reniala Ankatso izay nanampy amin’ny fanoratana izao bilaogy izao.

Momba ny mpanoratra

Ranaivoson Diamondra dia mpianatra taona fahadimy mianatra momba ny Ala sy ny Tontolo iainana eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo eny Ankatso. Mahatsiaro manana anjara andraikitra manokana amin’ny fiarovana ny varika sy ny fonenany izy, ka nahatonga azy hirotsaka an-tsitrapo ato amin’ny Lemur Conservation Network.

,