Main Menu

Fikambanana GFSA: Tanora mandray ny andraikiny amin’ny fiarovana ny tontolo iainana

Mahafaly anay eto amin’ny Lemur Conservation Network no mampahafantatra ny Ny Gasy Forestry Students’ Association – Madagascar (GFSA – Madagascar) , izay fikambanana voalohany indrindra mampivondrona ireo mpianatra eo anivon’ny Departemantan’ny Ala sy ny Tontolo Iainana ao amin’ny Ecole Supérieure des Sciences Agronomiques (ESSA-Forêts), Oniversiten’Antananarivo. Isaorana betsaka ny ekipa izay tarihin’i R. Ntsiva N. Andriatsitohaina sy Ranaivoson Diamondra, mpilatsaka an-tsitrapo eto amin’ny LCN, nanoratra sy nizara ireo sary mandravaka izao bilaogy izao.

Momba ny vahiny

R. Ntsiva N. Andriatsitohaina

 

Ntsiva N. Andriatsitohaina dia mpianatra navoakan’ny ESSA-Forêts tamin’ny andiany Hina ny taona 2014. Izy no mpandrindra voalohany ny GFSA amin’izao fotoana izao. Rehefa avy niasa nandritra ny herintaona izy dia nanapa-kevitra ny hanohy Dokotorà. Nisafidy ny handalina ny fiovaovan’ny fampiasana ny tany any amin’ny faritra Avaratra Atsinanan’i Madagasikara izy ary eo an-dalam-pamaranana izany ankehitriny. Efa hatrizay i Ntsiva no tia natiora sy biby ary  fandehandehana ka nahatonga azy hisafidy izany lalam-piofanana izany.

 

Ny niforonan’ny fikambanana

Ho an’ny mpianatra ny ESSA-Forêts manokana, izay hany fianarana mamoaka Injenieran’ny Ala eto Madagasikara, dia hita fa tsy ampy ny fifanakalozana sy ny fivelarana amin’ny sehatra ivelan’ny fianarana. Rehefa eo amin’ny sehatry ny asa dia tsapa fa misy banga amin’izay lafiny izay.

Indray andro raha nahita ny mikasika ny  International Forestry Students Association (IFSA) izay fikambanana mampifandray ny mpianatry ny ala manerana an’izao tontolo izao tao amin’ny Twitter izahay dia avy hatrany dia voasarika ka nanapa-kevitra ny hanangana ny GFSA.

Mbola zaza raha ny taona niforonany no jerena, satria dia niforona tamin’ny Aprily 2019 ny fikambanana. 

Tafiditra ho mpikambana maharitra eo anivon’ny IFSA tamin’ny volana Aogositra 2020 ny GFSA. Manodidina ny 50 eo ho eo ny mpikambana ankehitriny.

Photo credit: GFSA
Fampahafantarana ny GFSA amin’ireo mpianatra vao miditra departementa

Ny antom-pisiany sy tanjony

Ny GFSA dia mikendry ny hanamafy ny fahalalan’ireo mpianatra, tsy ny fahalalana ratovona any an-dakilasy ihany fa ny fahalalam-piainana ilaina rehefa tonga amin’ny sehatry ny asa ihany koa.

Amin’ny alalan’ireo hetsika maro samihafa ohatra dia mizatra izy ireo ny amin’ny fiaraha-miasa, ny fitarihana sy fandrindrana asa fa indrindra ihany koa ny fahatsapan-tena sy fandraisana andraikitra satria an-tsitrapo ny fidirana ho mpikambana sy mpandrindra ato amin’ny GFSA.

Tanjonay ihany koa ny fampifandraisana (na “networking”) azy ireo samy mpianatra, sy amin’ireo mpanovo fahalalana mikasika ny ala manerana an’izao tontolo izao, ary amin’ ireo izay efa nivoaka tato amin’ny Departemanta ka efa miasa.

Noho ny fahafenoin’ny fotoana ianarana an-dakilasy mantsy dia tsy dia afaka mivalapatra loatra amin’ny fifandraisana amin’ny ivelany ny mpianatra kanefa dia tsapanay fa ilaina tokoa izany. Araka izany, anisan’ny antom-pisian’ny GFSA ihany koa ny fampivelarana ny fifandraisan’ny mpianatra amin’ny hafa dieny mbola any am-pianarana.

Ao ihany koa ny fanomezana lanja, feo sy sehatra ireo tanora ireo amin’ny fandraisana anjara amin’ireo hetsika mikasika ny fikajiana sy/na fitantanana maharitra ny ala sy ny tontolo iainana, ary ny fiarovana ireo zavaboary izay mampiavaka ny Nosintsika toy ny Varika.

Photo credit: GFSA “Team building” 2019

Hetsika efa natao

Ny tena imasoanay amin’izao fotoana izao aloha dia ny fampahafantarana ny fikambanana satria mbola tanora vao erontrerony, sy ny fampifandraisana azy amin’ireo ivon-toerana sy fikambanana maro be. 

Na izany aza efa maro ihany ireo hetsika efa nokarakaraina sy nandraisana anjara toy ny hetsika fifampizarana sy fanentanana. 

  • Diabe ho an’ny Ala

Voalohany tamin’izany ny “Diabe ho an’ny Ala 2019” izay notanterahin’ny olona manodidina ny 8000 manerana an’i Madagasikara ho fahatsiarovan-tena iombonana manoloana ny fahasimban’ny ala sy ny tontolo iainana. Raha ny teto Antananarivo manokana dia manodidina ny 4000 ny mpandray anjara izay avy amin’ny fikambanana 115 ary anisan’izany ny GFSA. Nahafa-po ny mpikambana tokoa ny fandraisana anjara tamin’izany satria sady nampitombo ny fahamoram-pahitan’ny fikambanana no namoha ny fahatsapan-tena sy finiavan’ny tsirairay ihany koa.

Ny faha-21 Martsa indray izay andro iraisam-pirenena ho an’ny Ala no andro hikarakaranay hetsika lehibe entinay mankalaza izany toy ny fambolen-kazo, ny kaonferansa, ny fifanakalozan-kevitra, sns.

  • Online Learning Talks Series

Misy ihany koa ny “Online Learning Talks Series” izay nanomboka ny volana Jolay lasa teo ka atao isaky ny 2 volana. Ity hetsika ity moa dia natao hamaliana ny hetahetan’ny mpikambana mikasika ireo lohahevitra izay tsapany fa tsy ampy amin’ny fahalalany ka ilany fifampizarana amin’ireo efa manana traikefa.

Photo credit: GFSA
Diabe ho an’ny Ala (Marche pour la forêt) 2019

Vinavina amin’ny ho avy 

Ho fampitomboana ny fampahafantarana ny fikambanana hatrany dia mikasa ny hanohy ny hetsika rehetra efa fanao izahay dia ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Ala ny 21, ny “Online Talk Series” isaky ny roa volana sns.

  • Fifandraisana sy fiaraha-miasa miaraka amin’ny Ministera MEDD

Ankoatr’ireo dia mikasa ny hamitra fifandraisana amin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy ihany koa izahay. Maromaro tokoa mantsy ny maintimolalin’ny ESSA-Forêts no manana anjara andraikitra ao amin’io Ministera io, ka tsapanay fa ilaina izany fifandraisana izany ho fifampizarana sy fiaraha-miasa hatrany.

  • Fampidirana mpianatra andiany vaovao sy fifidianana

Ho avy tsy ho ela ihany koa ny fampidirana ny andiany vaovao ao amin’ny Departemanta ho mpikambana. Eo ihany koa ny fifidianana ny mpitarika sy mpandrindra vaovaon’ny fikambanana.

Mila fanampiana izahay!

Ny fanatanterahana sy fandraisana anjara amin’ireo hetsika maro samihafa karakarain’ny GFSA sy/na ny foibe IFSA no tena ilana famatsiana matetika. Ohatra amin’izany ny  zana-kazo sy ny fitaovana hafa rehefa manao hetsika fambolen-kazo toy ny natao ny volana martsa 2019. Ao ihany koa ireo fitaovana entina manao fanentanana ny amin’ny fikajiana ny tontolo iainana.

Raha te hiditra ho mpikambana

Eto amin’ny Departemantan’ny Ala sy ny Tontolo Iainana ety Ankatso no foibenay. Misokatra amin’ izay rehetra te hiara-hiasa izahay raha toa ka mifanaraka amin’ireo tanjona napetrakay ny vontoatin’izany. Ohatra, ankoatra ny ESSA-Forêts izay mampiantrano anay dia misy ny fikambanana MFCC (Madagascar Forest Company Corporation Association) izay nanohana anay tamin’ny fananganana ny GFSA sy ny fanatanterahana ireo hetsika maromaro izay karakarainay.

Photo credit: GFSA
Fambolena hazo fefy teto amin’ny tokontanin’ny Departemantan’ny Ala sy ny Tontolo Iainana Ankatso

Hafatra avy amin’ny GFSA

Ny hafatra tianay ampitaina dia ny hoe: « ny fikajiana ny tontolo iainana sy ny fitantanana maharitra ny ala eto Madagasikara dia mitaky fitiavana ny tontolo manodidina anao sy ny zavaboary rehetra, ary miankina amin’ny fahaizana sy fahalalana izany, kanefa andraikitra sy adidy iombonan’ ny olom-pirenena tsirairay ihany koa ». 

 Raha te hahalala bebe kokoa mikasika ny fikambanana dia aza misalasala mandefa mailaka ao amin’ny gasy.fsa@gmail.com na gasy.fsa@lc.ifsa.net , na mitsidika ny pejy facebook .

Fehiny: Hafatra avy amin’ny mpandrindra

Fanazavana entin’i R. Ntsiva N. Andriatsitohaina amintsika ao anaty ity horonan-tsary fohy ity: