Ry Malagasy, harenantsika anie ny varika eh: fantaro, tiavo ary arovy ny harenantsika

Vahinintsika nanoratra blog i Princiah Rabary amin’ity volana Aogositra ity. Mpianatra eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo izy ary manaraka lalam-piofanana ADD na Mention Anthropobiologie et Développement Durable. Rehefa tafaresaka taminy izahay dia nanontany azy hoe “ Atahorana ho lany tamingana hoe ny varika? dia mbola misy fanantenana ve? ka hoy izy “misy hatrany ny fanantenana fa mila mahafantatra sy mitia ny varika aloha ny Malagasy fa izay tena tsy ampy anefa antsika Malagasy ny varika”. 

Araho eto ary ny famelambelarana sy ny hafatry avy amin’i Princiah.

Ny momba momba an’i Princiah 

Rabary Andriamihaja Princiah no anarako. 24 taona aho izao ary mpianatra taona faha 5 eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, fakiolten’ny siansa ary mianatra manokana momban’ny varika sy ny fiarovana azy ireo.  Eo andalam-pamaranana ny fianarako aho ankehitriny, ary vao avy nahavita ny fidinana roa volana tany amin’ny valanjavaboary tsy miankina ao Berenty, any atsimon’i Madagasikara. 

Princiah Rabary any Berenty

Ny tanjoko dia ny ho lasa mpikaroka siantifika momban’ny varika ary koa ny ho mpisehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Nisafidy manokana ny hanao fikarohana momba ny varika aho satria tena mahafinaritra ahy ny varika sy ny momba azy ireo rehetra, indrindra moa fa rehefa mahita azy ireo mivantana iny aho. Fanampin’izay, te handray anjara amin’ny fiarovana azy ireo koa aho, ka sehatra iray hita fa ahafahako mirotsaka mivantana amin’izany ny fikarohana. 

“Tamin’ny vao niditra teny amin’ny Anjerimanontolo aloha aho tsy tonga dia nanana eritreritra ny hifantoka tanteraka amin’ny varika. Kanefa, rehefa nianatra nandritra ny taona maromaro aho dia nahaliana ahy ny fampahafantarana nataon’ireo mpampianatra, ka nitsiry niandalana teny ny fitiavako azy ireo.”

Maro amintsika no efa  mahalala sy efa nahita varika nefa tsy vitsy koa ireo izay mbola tsy mahafantatra. 

Ny varika na ragidro dia anisan’ny biby mampiavaka an’i Madagasikara. Tsy hita amin’ny tena fonenany, dia ny ala izany, raha tsy eto amintsika. Manana tanana tahaka antsika olombelona izy ireo ahafahany mandray zavatra ary mampinono ihany koa.

Ankehitriny anefa dia 98 % amin’izy ireo dia atahorana ho lany tamingana noho ny fahasimban’ny ala fonenany (doro tanety, fanapahana hazo, fanaovana tavy,…), ny fihazana azy ireo atao sakafo na koa fihazonana azy ireo any an-trano. Laharam-pahamehana noho izany ny fiarovana azy ireo satria harenantsika. Mitondra voka-tsoa ho an’ny tontolo iainantsika koa izy ireo ary anisany misarika mpizahan-tany maro ho eto amintsika.

Ny olom-pirenena rehetra ve afaka mandray anjara amin’ny fiarovana ny varika ?

Eny tompoko, ny valiny. Voalohany indrindra, fantaro aloha ny varika. Fantaro tsara, fantaro bebe kokoa. Sarotra be ho antsika ny hiaro raha mbola tsy nahita na tsy fantatsika akory izy ireo. Ahoana ary ? 

Anaty ala no fonenan’izy ireo. Raha ny eto afoavoan-tany anefa dia tsy misy ala be firy intsony, ka aiza no ahitana azy ? ny fiainana izao efa sarotra ka tsy manana fahafahana sy fotoana  amin’izany hoe andeha ho any amin’ny sisiny hijery azy ireo izany.

Tiako anefa ny mampahafantatra antsika Malagasy hoe raha te-hijery ny varika dia tsy mila vola be, tsy mila fotoana be nefa afaka mahita sy mijery azy ireo ianao. Izany indrindra no antom-pisian’ny parc Tsimbazaza. Mirary dia mirary ny vidim-pidirana nefa dia mahita karazam-biby ianao ao. Tsy mandany iray andro akory ianao dia afaka mitsidika izany. Amin’izao fotoana fihibohana izao koa anefa dia afaka manao fikarohana any amin’ny aterineto isika, tsy mila vola be akory dia afaka mahita an-tsary ary mahalala ny mombamomba azy ireo feno ianao. Araraoty handratoana fahalalana izao fotoana nomena antsika izao eh !

Tsy mahamenatra ve hoy ianao hoe ny vahiny indray no tia ny harenantsika kokoa noho isika ? Tsy tokony ho saro-piaro amin’ny harenantsika ve isika ?  Ny ankizy vahiny indray no mahalala bebe kokoa ny momba azy ireo noho ny ankizy Malagasy izay tena tompony.  Fa  maninona ary ? tsy nampianarina  ny hitia ny antsika ary ve isika ?

Miankina voalohany amin’ny fitaizana omen’ny ray aman-dreny io fitiavana io. 

Mety hoe tsy nanam-potoana firy izy ireo nitondrana matetika  ny ankizy tany amin’ireny toerana misy ny harena sy vakokantsika ireny. Nefa koa ny sekoly matetika no mitondra ny ankizy hitsidika ireny toerana ireny ka niantehatra tamin’izay angamba izy ireo. 

Mino aho fa samy efa tany Tsimbazaza avokoa isika eh ? Fa mety efa tamin’ny mbola zaza ka hoy isika tanora hoe natokana ho an’ny zazakely izany. Tsia hoy aho. Tiako ny manamarika kely fa izaho dia efa mpianatry ny oniversite vao tena nahita tsara ny tao Tsimbazaza. Fony aho mbola kely dia nitsidika tany ihany fa tsy rototra loatra aho tamin’izany fotoana izany. Izaho koa tamin’izany dia variana tamin’ny  fialamboly maro hafa, ary ny teknolojia koa dia efa niroborobo tamin’izany.  Mety mitovy amiko ianao izay mamaky ity bilaogy ity. 

Fa nahoana no tsy ampahafantarina ny ankizy Malagasy ny fisian’ny maky sy ny varika dieny kely izy ireo? 

Ny zavatra hitako ihany koa dia efa ny finday no hampilalaovina sy hanabeazana ankizy. Misy ireny karazana hira sy sary miaina ireny mampahafantatra ireo karazana biby misy eto an-tany. Ao anatin’izy ireny anefa dia misy biby izay miavaka nefa tsy fahita eto Madagasikara. Ireny no fantatry ny ankizy sy hainy tsara tahaka ny liona, ny elefanta, sy ny maro hafa. 

Fotoana izao ampahafantarantsika ray aman-dreny sy tanora ireo zanaka sy zandritsika fa misy izany antsoina hoe varika na ragidro izany.

Ndeha fantarina kely vetivety ary izany varika izany eh! 

  • Any anaty ala aloha ny tokony ho fonenany

Ny varika dia biby mipetraka anaty ala ary mpihinana ravina na voankazo na koa bibikely manidina. Misy ny varika mpitsambikina toy ny sifaka ary misy kosa ny varika mandeha amin’ny tongotra efatra tahaka ny maky. Amin’izao fotoana izao, misy karazana varika 112 izay fantatra manerana an’i Madagasikara (avaratra, atsimo, andrefana, atsinanana). 

  • Biby manana paik’ady manokana izy ireny

Misy mivoaka amin’ny alina ary misy koa ny mivoaka amin’ny atoandro. Tsy vitsy koa anefa ireo izay sady mivoaka amin’ny alina no mivoaka amin’ny atoandro. Ny varika rehetra dia samy manana ny paik’adiny hiadiny amin’ny hatsiaka ohatra na ny tsy fahampian-drano, na ny haizina ho an’izay mivoaka amin’ny alina na koa ny hafanana.

  • Biby miantoka ny fitsiriana sy ny fitomboan’ny ala ihany koa anie ny varika e! 

Misy voa tsy maniry raha tsy mandalo ny tsinain’ny sasany amin’izy ireny  ka anisan’ny mpanaparitaka vihy izy ireo noho izany. Raha tsy misy varika intsony izany ao anaty ala dia ho ringana tsikelikely izany. Ary raha tsy misy ala fa simba avokoa dia ho lany tamingana ny varika. Mifampiankina noho izany ny ala sy ny varika. Ny fihazana azy ireny koa anefa dia antony iray mahalany tamingana azy.

Rehefa fantatsika ary  ny varika, inona no tokony hatao ?

Tiavo ny varika fa antsika! Mino aho fa rehefa mahita azy ireo ianareo dia ho tia azy tsy terena. 

Maro amintsika izao no mety tia ireny biby ao an-trano ireny toy ny saka sy alika. Biby efa zatra mira-miaina amin’ny Olombelona izy ireny. Inona no tsapantsika rehefa misy mamono na tsy hita na misy mangalatra izy ireny ? tena tezitra sady malahelo mafy isika eh ? Dia mety hilaza isika fa ny biby afaka miara-miaina amintsika ihany ve no tokony tiavina. Tsy mitovy ny saka sy ny varika ary tsy biby fiompy ny varika fa kosa tokony hahatsapa fitiavana ny varika ihany koa isika. Fa nahaona? 

Antony roa lehibe no tokony hitiavantsika azy ireny:

1- Harena mampiditra harena ho antsika ny varika 

 Tsy ho averina intsony eto ny maha zava-dehibe ny fisian’ny varika any anaty ala amin’ny fizahan-tany. Ireo vahiny avy any ivelany izay liana, tia sy te-hijery azy ireny fatratra. Ankehitriny, tsapa tanteraka ny fiantraikany eo amin’ny lafin’ny toe-karenantsika rehefa tsy tonga aty Madagasikara ny mpizahan-tany avy any ivelany. 

2- Miaro antsika ihany koa ny varika ary ilaintsika

Tadidio koa fa ny varika dia miaro sy miantoka ny fahasalamantsika. Rehefa tsy misy ny varika na ny ala dia maloto ny rivotra ianantsika. 

 Mbola mendrika hotiavintika mihoatra noho ireo biby hafa voalazako etsy ambony ny varika, izay tsy misy afa-tsy eto amintsika. Ary rehefa tia isika dia te-hiaro azy ireny

Raha amin’ny maha mpianatra sy mpikaroka momba ny varika ahy, dia mitombo foana ary miha tsapako ny tena maha zava-dehibe ny fiarovana azy ireny. Tamin’izao tany Berenty dia ny feon-gidro no mamoa ahy vao maraina, ny dihin’ny sifaka no hitan’ny masoko raha vao manokatra varavarankely aho ary ny maky no tonga mamangy ahy rehefa tonga iny ny hariva hangalako aina eo an-davarangana. Nanana tombony be aho nahita izany toerana izany ka afaka niara-niaina tamin’izy ireo mivantana.

Mety ho sarotra ho antsika izay tsy misehatra amin’ny fiarovana ny ala na ny varika ny mitia sy mahatsapa mivantana ny voka-tsoa hoentin’izy ireo. Fa inoako fa rehefa liana te hamantatra azy ireny isika, na dia hoe ny fijerena azy ireny any Tsimbazaza, ny fanarahana ny tambazotra sosialy manentana momba ny varika dia hitsiry ny fitiavana azy ireny ka izay no mety hanosika isika hiaro azy ireny ihany koa. 

Arovana ary ny varika- fa ahoana kosa ireo olona sahirana sy mivelona amin’ny ala ary ny fihazàna azy ireny ?

Ny fahantrana dia antony lehibe iray mitarika ny olona hanao ireo fanimbana ala ireo. Ekeko, tsapako ary efa hitako fa tena maro ny Malagasy tsy ampy sakafo indrindra ireo ankizy. Tena maro ny Malagasy mitady ny anio hohanina anio ihany. Maro ny Malagasy tsy misy sakafo ao am-bilany satria main-tany tsy misy vokatra miakatra, ny tany tsy ahafahana mamboly ary tsy misy ranonorana. Tena tsapa ary tena fantatra izany. 

Efa misy ny fiezahana ataon’ireo ivo-toerana na fikambanana miaro sy mitantana ireny valajavaboahary ireny ho an’ireo mponina eny ifotony. 

Izay toerana efa notsidihiko eo akaikin’ireny valanjavaboahary arovana ireny dia misy ny asa fidiram-bola omena ireo mponina manodidina azy ireny. Misy ohatra ny fiompiana trondro, fanaovana asa tànana, fiompiana tantely. Misy koa ireo mpitantana valanjaboahary manofana ireo lehilahy ho tonga polisin’ala na mpitondra mpizahatany sy mpianatra manao fikarohana any an’ala. Raisiko ohatra ny ao amin’ny valanjavaboahary tsy miankina ao Berenty. Nandritry ny fotona nijanonako tany dia tsy mbola nahita doro tanety na tavy aho.

Camp any Berenty © Princiah Rabary

Ary nahatsikaritra zavatra iray aho: Tsy misy mpangalatra koa na dia tsy manidy ny efitranoko aza aho rehefa mandeha hiasa an’ala. Fa maninona ary ? satria miasa avokoa ny mponina ao. Misy orinasa mpanodina ny taretra ho lasa akora afaka hanaovana zavtra maro ao ary dia miasa ao avokoa ny ankabetsahan’ny mponina. Izay tsy miasa ao dia mivarotra.  Misy koa ny mpiambina ala sy mpanisa varika . Misy tranom-bahiny mandray mpizahatany rahateo koa ao ka miasa any izay manana traikefa amin’izany. Misy ny mpikarakara ny zava-maniry. Tandroy moa ny foko any ka fady an’izy ireo ny mamono na mihinana varika. 

Hitantsika amin’izany fa afaka arovana miaraka tsara ny varika sy ny olona eny ifotony. 

Mbola tsy tara ve raha izao vao mandray anjara amin’ny fiarovana ireo varika ?

Averina ombieny amintsika fa atahorana ho lany tamingana ny 98 % an’ireo varika. Mety mieritreritra isika fa tsy misy azo atao intsony ? tsia, mbola afaka mitondra ny anjara birikintsika isika izao. Fotoanany indrindra izao ka ‘ndao ary. Na dia ny fizàrantsika ity lahatsoratra ity ary dia mety hitaona olona maro te-hahafantatra, te-hitia ary hiaro ireo varika. Harenantsika ka tokony ho saro-piaro isika. Matetika dia ny vahiny no tia azy ireo mihoatra noho isika. Tsy tokony fahasarotam-piaro diso toerana koa anefa ka hoe handroaka sy handrara ireo vahiny tsy hitia sy hiaro azy. Tsarovy fa mila ny fanampian’izy ireo isika , fa kosa, isika no tokony ho maro indrindra, hitia sy hiaro azy ireo. Omeo anjara-toerana ao am-pontsika ny harenatsika.

Ndao fantarina, ndao tiavina ary ndao arovana ny harenantsika !

Ary ianao? Te-haneho ny hevitrao momba ny varika sy ny fiarovana azy ireny ve ianao?

Manome sehatra ary mamporisika ny olona rehetra haneho hevitra izahay eto amin’ny Lemur Conservation Network. Mifandraisà aminay raha maniry handray anjara amin’izany ianao. Mandefasa mailaka amin’i Seheno Corduant, Mpandrindra ny LCN eto Madagasikara : sehenocorduant.lemurnetwork@gmail.com