Main Menu

Tag Archives | fanabeazana

© GERP Manombo

Zava-dehibe ny fisian’ny varika any anaty ala

Fampidirana: natao hifandrindra ny biby sy ny zava-maniry Ao anatina tontolo voajanahary iray dia natao hifameno avokoa ny anjara toeran’ny zavamananaina rehetra. Ny fahambangan’iray amin’ireo dia efa miteraka fikorontanana mandalo na maharitra eo anivon’ny tontolo voajanahary iray, eny fa hatramin’ny fiainan-draolombelona mihitsy aza. Hatrany am-boalohany dia efa nisy rindra voajanahary eo amin’ny samy zavamaniry sy […]

Continue Reading
Lemaka azo hajariana tsara ho lasa tanimbary ao Mandroatsy (tanàna ao an’ivo atsinanan’ny faritra arovana). © TAHINA Roland Frédéric

Fanavotana ny ala voajanahary: andraikitro sy andraikitrao

  Ny mombamomba ahy? TAHINA Roland Frédéric no anarako ary mpikambana ao amin’ny tambazotran’ny tanora misehatra ho an’ny fahamaroanaina (biobiversité) antsoina hoe Malagasy Youth Biodiversity Network aho. Teraka sy nianatra tao Morondava aho ary teny amin’ny oniversiten’Antananarivo kosa no nanohy fianarana tao aorian’ny bakalorea. Nanaraka ny lalam-pihofanana hay famokarana (agronomie) aho ary nisafidy manokana ny […]

Continue Reading
54432367_2107655352622297_3412863871910674432_n

Ny fanabeazana eny an-tsekoly mifandray tendro amin’ny fiarovana ny varika: tetikasan’ny Conservation International-Madagasikara

Ny mombamomba ny tetikasa Ny Conservation International -Madagascar dia efa niasa an-taonany maro momba ny fiarovana ireo zava manan’aina, biby sy zava-maniry teto Madagasikara sy ireo nosy manodidina, ary nihitatra teo amin’ny lafiny fanantsarana ny velon-tena ny olombelona izany taty aoriana. Miara-miasa akaiky amin’ireo olon-tsotra, fikambanana, VOI, sekoly, ivo-toeram-pikarohana, Oniversite, ary Ministera maro izahay arakaraka ny […]

Continue Reading
Thuy Phuong Vu (8)

Ampianaro sy Beazo ho tia sy hiaro ny varika ny taranaka

Nianatra momban’ny jeografia teny amin’ny ambaratonga ambony teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo i Holi tao amin’ny Sampam-pianarana momba ny Haisoratra sy ny siansa mahaolona ary nahazo ny mari-pahaizana « master » tamin’ny sokajy tontolo iainana sy ny siansa momban’ny tany « Parcours milieux naturels et sciences de la terre » tamin’ny taona 2016. Tsy nanaraka fiofanana momban’ny fampianarana momban’ny tontolo iainana […]

Continue Reading
VOYAGE D`ETUDE A SAHAMALAZA (5)

Iray volan’ny Mpikambana LCN : Ny mention ADD-Oniversiten’Antananarivo

Mba zarao aminay ny tantara sy ny mombamomban’ny mention ADD Ny sampam-pampianarana Anthropobiolojia sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy (Mention Anthropobiologie et Developpement Durable-MADD) dia rantsana iray teraka tao anatin`ny Departmenta Paleontolojia Anthropolojia Biolojika (Departement de Paleontologie et d`Anthropologie Biologique). Io departemanta io dia teraka tao anatin`ny Fakiolte Siansa – Oniversite Antananarivo ny taona 1975. Ny Departemanta […]

Continue Reading
Songiky na Lepilemur petteri- © Herindrainy Davidson

Ny varika sy ny toeram-ponenany

Teny Fampidirana Ny faritra tsirairay manerana an’i Madagasikara dia samy manana ny toetr’andro sy toe-tany misy ao aminy. Ireo zava-misy ireo no isan’ny mihazona ny fahasamihafan’ireo zavamanaina, biby sy zavamaniry, izay mampiavaka an’i Madagasikara amin’izao tontolo izao. Anisan’ny antony isafidianan’ny zavamananaina iray ny toeram-ponenany ireo fepetra rehetra mandrafitra ny toetr’andro sy ny toe-tany. Izany rehetra […]

Continue Reading
Illustration subfossile reconstitue

Nisy varika lehibe tahaka ireo rajako teto Madagasikara fahiny

Fantatrao ve fa nisy varika lehibe tahaka ny rajako teto amintsika fahiny? Amin’izao fotoana izao dia anisan’ny olana sedrain’ny firenena rehetra maneran-tany ny voka-dratsin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Hita izany matetika amin’ny firongatry ny aretina maro samihafa, ny fihenan’ny vokatra avy amin’ny fambolena ary ny fitomboan’ny loza voajanahary. Ny ankamaroan’ny anton’ireo anefa dia fantatra fa vokatry ny […]

Continue Reading
Ankizy mianatra sy mahazo fanabeazana antoky ny fampandrosoana sy ny fiarovana ireo harem-pirenena © Stéphane Corduant

Ny fanabeazana sy ny fiarovana ireo varika

Nahoana hoy ianao no zava-dehibe ny fanabeazana eo amin’ny fiarovana ireo varika? Nisy ny tarehy marika nomen’ireo mpikaroka farany momba ny tahan’ny fahapotehin’ny ala eto Madagasikara. Efa ho ny valo-polo isa jato na 80 % ny ala eto Madagasikara efa potika tanteraka. Ary tamin’ny taona 2017 fotsiny dia maherin’ny iray alina sy dimy hetsy na […]

Continue Reading