Ny varika sy ny toeram-ponenany

Mpanoratra bilaogy vahiny androany i HAJANANTENAINA Herindrainy Davidson. Izy dia tanora mpianatra sady mpikaroka momba ny varika avy ao amin’ny sampam-pianarana Siansa, Oniversiten’Antananarivo. Ankoatra ny asa fikarohana izay ataony, dia mandray anjara ihany koa izy amin’ny fanabeazana ara-tontolo iainana izay ataon’ny fikambanana GERP. Androany izy, dia hanazava amintsika indray ny mikasika ny sokajin’ala misy eto Madagasikara sy ny sokajin’ny varika tokony ho hita ao. Araho eto ary izany!

Teny Fampidirana

Ny faritra tsirairay manerana an’i Madagasikara dia samy manana ny toetr’andro sy toe-tany misy ao aminy. Ireo zava-misy ireo no isan’ny mihazona ny fahasamihafan’ireo zavamanaina, biby sy zavamaniry, izay mampiavaka an’i Madagasikara amin’izao tontolo izao.

Anisan’ny antony isafidianan’ny zavamananaina iray ny toeram-ponenany ireo fepetra rehetra mandrafitra ny toetr’andro sy ny toe-tany. Izany rehetra izany dia tokony hifanaraka tsara amin’ny toe-tena sy ny fahalasaman’ilay zavamananaina. Ho an’ny varika manokana dia ny fisian’ny sakafo, ny toerana fialana sasatra ary ny zohy na toerana fierena amin’ny loza no safidy voalohany miantoka ny faharetan’ny taranany.

Amin’ny ankapobeny dia saika ahitana varika daholo ny faritra rehetra izay mbola ahitana ala voajanahary eto Madagasikara.

Misy ihany anefa ireo izay mivelona amin’ny toerana efa novain’ny olombelona. Ireo karazany farany ireo dia manana fahafahana manokana hanova ny fomba fiainany mba hifanaraka amin’ny zava-misy manodidina azy. Misy araka izany ireo sokajina varika izay hita manerana ny nosy ary misy ireo izay tsy hita raha tsy amina ala na toerana iray.

Fantatrao ve fa misy sokajin’ala efatra (4) lehibe eto Madagasikara?

Azo sokajiana ho efatra ny ala eto amintsika. Ary ireo no entina hofantarina miaraka amin’ireo sokajina varika tokony hohita ao aminy. Io sokajin’ala dia nalaina tao amin’ny lahatsoratra nosoratan’i Burgess et al.

Ala mando

Ny ala mando dia ny karazana ala hita amin’ny faritra atsinanan’i Madagasikara. Isan’ny faritra ahitana rotsak’orana matetika iny faritra iny ary miavaka amin’ny fisian’ny hazo midoroboka sy avo ary eo amin’ny 15°C ka hatramin’ny 25°C eo ho eo ny maripana misy ao.

Ireto manaraka ambany ireto ireo karazana varika hita ao amin’ny ala mando. Misy karazany na espèces miisa 14 izy ireo.

sokajin’ala Ora fivoahany  Sokajina varika (14) Anarana Malagasy
Ala mando andro Hapalemur Bokombolo
Indri Amboanala na Babakoto
Lemur catta Maky/ hira
Prolemur Varibolo
Propithecus Sifaka
Varecia Varijatsy
andro sy alina Eulemur Varika
alina Allocebus tsidiala
Avahi Fotsife/ avahy
Cheirogaleus Matavirambo
Daubentonia Ay ay
Lepilemur Trangalavaka
Microcebus Tsitsidy/tsidy
Phaner Vakiandrina

Ala maina 

Ny ala maina dia ireo karazan’ala hita amin’ny faritra andrefana sy avaratr’i Madagasikara. Amin’ny ankapobeny dia manana maripana eo amin’ny 8°C (ambany indrindra) ka hatramin’ny 33°C (ambony indrindra) iny faritra iny. Misy karazana varika 10 hita ao amin’ny ala maina.

Sokajin’ala Ora fivoahany Sokajina varika (10) Anarana Malagasy
Ala maina andro Propithecus Sifaka
Hapalemur Bokombolo
andro sy alina Eulemur Varika
alina Avahi Avahy
Cheirogaleus Matavirambo
Daubentonia Ay ay
Lepilemur Trangalavaka
Microcebus Tsitsidy/tsidy
Mirza Tilitilivaha/ Setohy
Phaner Vakihandrina

Ala kirihitra

Ny ala kirihitra dia ireo karazan’ala hita afovoany andrefana sy atsimo andrefan’ny nosy izay manana maripana manomboka eo amin’ny 25°C ka hatramin’ny 30°C. Misy fito (7) ireo karazana varika hita amin’izany sokajin’ala kirihitra izany.

sokajin’ala Ora fivoahany Sokajina varika (7) Anarana Malagasy
ala kirihitra andro Propithecus Sifaka
Lemur catta Maki/ hira
alina Cheirogaleus Matavirambo
Lepilemur Trangalavaka
Microcebus Tsitsidy/tsidy
Mirza Tilitilivaha/ setohy
Phaner Vakiandrina

Ala tsilo

Ny ala tsilo dia ireo karazana ala hita amin’ny faritra atsimon’ny nosy. Ny mampiavaka iny faritra iny dia ny fiparitahan’ny hazo tsilo ao anatin’ny fianakaviaben’ny DIDIEREACEA.

sokajin’ala Ora fivoahany Sokajina varika (5) Anarana Malagasy
Ala tsilo andro Propithecus Sifaka
Lemur catta Maky/ hira
alina Cheirogaleus Matavirambo
Lepilemur Songiky/ hongiky
Microcebus Tily

Inona avy ireo karazana varika hita amin’ireo sokajin’ala 4 ireo?

Sokajina varika 4 no hita foana amin’ireo sokajin’ala 4 notsongaina manokana: ny sifaka (Propithecus), ny tsidy na tsitsidy (Microcebus) ary ny matavirambo (Cheirogaleus).

Inona avy ireo izay tsy hita afa-tsy ao amin’ny ala tokana?

Sokajina varika 2 kosa no tsy hita afatsy amina sokajin’ala tokana: ny varijatsy (Varecia) sy ny varibolo (Prolemur) ao amin’ny ala mando.

 

Inona ny teny atsipy ho an’ny mpamaky?

Araka ny hita sy tsapa dia mihavitsy manaka ny fahamain’ny tany ny isan’ireo sokajina varika hita isaky ny sokajin’ala. Azo lazaina araka izany fa manana anjara toerana lehibe amin’ny fiainan’ireo varika ireo ny fisian’ny ala voajanahary.

 

Ny olombelona dia tsy afa-misaraka amin’ny zavaboahary manodidina azy amin’ny lafim-piainana manontolo. Mila ary natao hifandrindra amin’ny tontolo iainana izy ary ny fahalalana ny fomba fiainan’ireo zavamanaina ireo no fitaovana lehibe ahafahana mihazona fifampizarana ny tsara avy amin’ny andaniny sy ny ankilany.

Ndeha iaraha-hiasa hanentana sy hanabe ny taranaka fara mandimby!

Maniry handray anjara an-tsitrapo amin’ny fanoratana bilaogy ato amin’ny LCN ve ianao? Manorata aty aminay.