Iray volan’ny mpikambana LCN : ONG SADABE

 Ny Lemur Conservation Network dia manokana iray volana anehoana ireo asan’ireo mpikambana ato amin’ny LCN ka omena toerana manokana izy ireo, ahafahan’izy ireo manazava amintsika ny fomba ahafahana manampy azy ireo, amin’ireo ady ataony ho fiarovana ny varika. Ity volana May 2019 ity dia natokana ho an’ny  ONG Sadabe. Ao anatin’ity bilaogy ity, dia niresaka tamin’i Atoa Jean-Luc Raharison izahay, izay Tale mpandrindra ny ONG Sadabe  izay nitantara taminay ireo asa ataon’ny ONG Sadabe ary ny fomba ahafahantsika manampy azy. 

Mba zarao aminay ny tantara sy ny mombamomban’ny fikambanana

Mpianatra mpikaroka avy tao amin’ny Université an’Antannarivo sy Université an’ny Stonny Brook izay nampiraisin’ny fiaraha-miasa tamin’ny alalana ONG iray (ICTE/MICET) izahay no nanao ny asa fikarohana tao amin’ny Alan’ny Tsinjoarivo Ambatolampy nanomboka ny  taona 2000. Ny faritrala an’ny Tsinjoarivo moa dia anisan’ireo lasibatry ny fitrandrahana an-tsokosoko ireo hazo sarobidy (voamboana) sy hazo ala tsotra (Varongy, teza, Hazomena, Vitanona, Hazomby, Maitopototra, Hetatra sns…) mba hamokarana Sarety, izay anisan’ny fidiram-bolan’ireo mponina mpandrato avy amin’ny Kaominina manodidina. Eo ihany koa ny tevy ala efa nanomboka ny taona 1975 ary eo ihany ko any faanaovana taoka gasy izay anisan’ny fidiram-bolan’ny mponina any Tsinjoarivo sy Ambalaomby. Vokany dia ao amin’ny sombin’ala ao Mahatsinjo sisa no ahitana karazana gidro sisa.

Teo anatrehan’ireo tsindry ireo, dia nanomboka ny fikarohana tao Mahatsinjo izahay ka ny karazana Simpona iray antsoin’ny mponina any an-toerana hoe “Sadabe Propithecus diadema no nifantohan’ny asa fikarohana rehetra.

Araka ny asa fikarohana izay nataon’ireo mpikaroka hafa talohan’ny taona 2000 (Goodman et A, Zicoma) dia toerana tokana aman-tany tsy manam-paharoa ny Alan’ny Tsinjoarivo eo amin’ny fananana ireo karazam-biby sy zava-maniry maro kokoa raha oharina amin’ireo toerana hafa mitovitovy lenta aminy (Andringitra sy Ambohitantely ohatra).

Tamin’ny taona 2002, nandritra ny famolavolana ny “Vision Durban”tao Afrique du Sud dia efa nampitondraina an’I Dr Mittermeier R. teny mba hampidirana an’ny Tsinjoarivo ho anisan’ireo Faritra Arovana vaovao. Nohon’ny tsy fisian’ny famatsiam-bola anefa dia tsy tafapetraka tamin’izany fotoana izany ny FAV ka ny asa fikarohana no natao tamin’ny alalan’ny tetik’asa : “TFFP” na “Tsinjoarivo Forest Fragment Project”.

Nanomboka ny taona 2004 dia  tapa-kevitra ny mpisehatra rehetra tao amin’ny TFFP izay nantsoin’ny mponina hoe “Ekipa Sadabe” fa tsy maintsy miara-dia ny asa fiarovana sy asa fampandrosoana ny fiainan’ny mponina raha toa ka hikajy sy hitahiry ireo vakoka voa-janahary isika Malagasy. Nanomboka hatreo dia notazomina ny hevitry ilay teny hoe “Sada”izay midika ho loko maro mifangaro, ary ny loko iray dia mampiseho sehatr’asa iray.

Izay rehetra izay no fototry ny filozofia namoronana ny ONG SADABE satria ny antom-pisian’ireo Biby sy zava-maniry izay soloin’ny “Sadabe”(Propithecus diadema) tena dia ireo sehatr’asa maro mifangaro (Fikarohana, Fanabeazana, Fampandrosoana , Fiarovana) izay tanterahin’ny “Ekipa Sadabe”no miantoka izany. Ka hampiroboro fomba vaovao entina mampivoatra ny fiaraha-mivelon’ireo olona sy ireo zava-manan’aina, harena voajanahary ao Tsinjoarivo ary any any amin’ireo toerana hafa no tanjonay.

Ny tanjona ho an’ny SADABE dia ny fiarovana sy fitahirizana ireo  « Vakoka voa-janahary sy Kolo-tsaina Malagasy  amin’ny alalan’ny fampivoarana ny fiaraha-mivelon’ireo vakoka ara-boanajahary sy ny olona

Ny volana Jiona taona 2009 no vita ara-panjakana ny maha ONG Malagasy ny SADABE ary nadika hoe: “Service d’Appui pour le Développement Autonome de la Biodiversité et de l’Écotourisme”.

Ireo mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy vola amin’ny asa fikarohana  ao Tsinjoarivo dia ny Conservation International (Margot Marsh Biodiversity Foundation), Primate Conservation Inc., National Geographic Society, Stony Brook University, NSERC, St. Louis Zoological Park.

Aiza no misy ny ONG Sadabe?

Ny foibe-toeran’ny SADABE dia eto Antananarivo. Ao Tsinjoarivo, Kaominina Ambanivohitra Tsinjoarivo, 45 km miantsinana miala avy ao Ambatolampy no toerana iasanay.

Raha soritana tsotsotra dia Ala amin’ny toerana ambony (1660m) avy aty am-povoantany izay mitandavana miantsinana manaraka ny ony “Onive”ny Alan’ny Tsinjoarivo, ary mihaona amin’ny Tandavan’ala Antsinana ao amin’ny Kaominina Ambalaomby, Distrikan’Anosibe An’Ala.

Inona avy ireo varika iasana?

Ireo fikarohana sy fanaraha-maso ireo biby no nahitana ireto karazana varika manaraka ireto : Sadabe (Propithecus diadema), Komba mainty (Eulemur fulvus fulvus), Varikamena (Eulemur rubriventer), Kotrika (Hapalemur griseus), Avahy (Avahi laniger), Hataka (Lepilemur mustelinus), Tsitsihy (Cheirogaleus major), Pondiky (Microcebus rufus), ary Hay-Hay (Daubentonia madagascariensis).

Inona avy ireo asa atao izay manampy amin’ny fiarovana ireo varika sy ireo asa hafa?

Araka ny Filozofian’ny Sadabe dia ny fikarohana ireo tetikasa rehetra hampandrosoana ny mponina kanefa tsy manapotika ny toera-ponenan’ny bibidia no imasoan’ny Sadabe amin’izao fotoana izao.

Asa fikarohana

Amin’izao Fametrahana ny FAV Tsinjoarivo-Ambalaomby izao dia nanantanteraka ilay antsoina hoe: “Suivi Ecologique Participative” tao amin’ny Faritralan’Ambalaomby ny Sadabe. Ny fanisana ny Varika rehetra ary koa ny firafitry ny Ala no nentina nanombohana izany ho an’ny mponina ao Ambalaomby. Raha ny fikarohana mikasika ny varika no resahina dia efa nanomboka ny taona 2000 izahay no nanaraha-maso ny sombin’ala sisa ao amin’ny faritra Mahatsinjo ary ny ala ao Ankilahila.  Vondrona Sadabe fito izay fantatra fa tsy mitovy loka no hita tamin’izany fotoana izany.  Nanomboka ny taona 2002, noho ny fiaraha-miasa niaraka tamin’I Dr Ken Glander. Vondrona Simpona sadabe efatra no nanoavana fikarohana manokana mahakasika ny vatany sy ny fomba fiainany ary ny vondrona roa tamin’ireo dia hita tao amin’ny sombin’alan’i Mahatsinjo ary ny roa hafa kosa tao amin’ny alan’i Vatateza.

Tao anatin’izany fikarohana izany, dia namantatra ireo zava-maniry rehetra misy amin’ireo sombin’ala miisa 37 izahay noho ny fiaraha-miasa miaraka amin’ireo mpahay zava-maniry ao amin’ny Parc Ranomafana National Park. Efa maro ireo voka-pikarohana azo, raha momba ny P. diadema manokana dia efa manana voka-pikarohana maherin’ny dimy taona izahay momba ny fiterahany, ny fiainany ary ny famindrana ireo vondrona.

Nisy ihany koa ny fikarohana momba ireo kankana mampaharary ireo varika na parasitologie izay tsy fantatra tsara hatramin’izay. Ka nanomboka 2004, dia naira-miasa tamin’I Prof. RABETAFIKA Lydia ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo dia naka ireo maloto avaokan’ireo varika izahay ka nikaroka momba ireo karazana kankana sy aretina mphazo azy ireo.

Teo amin’ny lafin’ny sakafon’ireo varika dia nanao asa fikarohana manokana momba ireo sakafo fihinan’ireo varika izahay nanaomboka ny taona 2006 ka hatram’iny taona 2007.

Anisan’ny varika izay nanaovana fikarohana betsaka ihany ireo Cheirogaleus sy Microcebus tao Mahatsinjo and Vatateza, fiaraha-miasa tamin’I Dr Marino Blanco avy amin’Oniversiten’ny Massachusetts any Etazonia.  Ireo voka-pikarohana azo no nahafantarana fa lehibe ny vatan’ireo Cheirogaleus any Vavateza tsy araka izay noheverina ary ireo izay hita dia mitovy amin’ireo hita  any Mahatsinjo dia mitovy amin’ny C. sibreei izay tena ahiana ho lany tamingana.

Fampivoarana ny fiainan’ny mponina eny ifotony

Fanabeazana sy fanentanana – Efa hatramin’ny taona 2002, dia manao fitsidhana ireo sekoly isam-bolana any Mahatsinjo sy Vatateza izahay.  Ny tanjona dia ny hananan’ireo mpianatra sy mpampianatra fahatsapan-tena mikasika ny hahasarobidin’ireo harena ara-voajanahry manodidina azy. Mampianatra azy ireo fikarohana ataonay ho fampahafantarana ankapobeny izahay. Ary nanome fampianarana ny teny Anglisy ihany koa. Ny taona 2002 dia nizara “brochures” miisa 2000 izahay (1000 amin’ny teny Malagasy, 1000 amin’ny teny  English) izay mitantara ny hahasarobidin’ireo varika ao Tsinjoarivo. Sary tanana novokarin’i Stephen Nash avy ao amin’ny Conservation International izay fanentenana momba ny fiarovana ireo varika sy ny tontolo iainana.

Anisan’ny vaindohan-draharaha ho an’ny Sadabe ny nanabe ny mponina sy ny mpitarika an’ala izay nanampy nantanteraka ny asa mba hanajanonana tanteraka ny fihazana ireo bibidia rehetra ao an’Ala.  Tamin’ny taona 2004, nametraka plaques dimy izahay : ny iray ao Tsinjoarivo, ny roa amin’ny toerana iasana ao Mahatsinjo ary ny roa hafa kosa ao Vavateza. Ny famantarana voalohany misy ny soratra hoe, “Ny Varika Eto Tsinjoarivo” dia mampahafantatra ireo varika, ny mahasarobidy azy, ny fomba fiainany. Ireo famantarana na plaques hafa kosa dia misy soratra hoe “Ny Sadabe Eto Mahatsinjo” sy “Ny Sadabe Eto Vatateza”, dia mampahafantatra an’ny varika atao hoe sadabe (P. diadema), ny fomba fiainany, ny sakafony ary ny toeram-ponenany.

Tamin’ny taona 2004- 2005, dia nanomboka ny fiaraha-miasa niaraka tamin’ny Ankizy Fund  izahay mba hamatsiana azy ireo amin’ny fananganana sekoly ambaratonga fototra atao hoe Sekoly RAH King Mahatsinjo, izay natsangana nanomboka ny taona 2004 ka natokana ny taona 2005. Ankehitriny, dia ny Madagascar Ankizy Fund no mandoa ny karaman’ireo mpampianatra. Tsy handoavam-bola ny fidirana mianatra ary ankizy mahery ny roanjato (200) avy Mahatsinjo sy ny manodidina no mahazo fampianarana tena tsara kalitao. Nanomboka ny taona 2007 dia neken’ny Ministera ny fampianarana ny maha sekoly ara-dalana io sekoly io. Ary hevereina hivadika ho EPP  Ecole Primaire Publique (EPP) ka ho raisin’ny CISCO ny fitantanana azy.

Fampiofanana sy fanamafisana trai-kefa– Nanomboka ny taona 2000, dia nanome fiofanana olona miisa 11 amin’ireo asa fikarohana izahay. Toy ny resaka fanisana zava-maniry, fanaraha-maso ny ala, ary fanisana sy fanaraha-maso ireo varika. Nahazo trai-kefa maro momba ireo noho izany mponian eny ifotony. Nisy ihany ko any fampianarana ny teny Frantsay sy Anglisy.   Ary indrindra ihany ko any fampiofanana ho mpisera-dia an’ireo mpizahan-tany, izay heverina ho asa tena hampidi-bola ho an’ireo mpisera-dia any anaty ala.

Fahasalamana : Mbola noho ny fametrahana ny FAV Tsinjoarivo Ambalaomby ihany dia mandray an-tanana sy manampy ny mponina ny Sadabe eo amin’ny sehatry ny Fahasalamana. Noho ny fahalavitan’ny CSBII, eo amin’ny 15 km miala ny tanana eo ho eo, dia eo am-panorenana “Health Center” izay misy “Cabinet Dentaire”ao Mahatsinjo ny Sadabe. Efa hatramin’ny Taona 2018 dia tonga 10 andro isam-bolana ao Mahatsinjo ny Medecin Chef Tsinjoarivo manao Consultation foraine.

 

Tamin’ny taona 2007, dia nandray ireo mpianatra avy amin’ny sekoly RAH king ny mpitsabo nify. Ny mpitsabo moa dia misy an’I Dr Laurence Wynn) ary mpianatra mpitsabo nify, efatra avy any New York ary ny iray avy eto Madagasikara ary mpiasa avy ao amin’ny CSBII.

Fambolena sy fiompiana : Fampianarana ny mponina an’ala ireo teknika nohatsaraina sy vaovao eo amin’ny sehatry ny Fambolena sy fiompiana. Miara-miasa akaiky amin’ny tompon’andraikipanjakana isan-tokony ny SADABE amin’izany: CSA, DRAE, CIRAGRI. Anisan’ny ifotoran’ny Sadabe hatramin’ny taona 2012 dia ny fampianarana sy fampirisihana ny mponina amin’ireto seha-piompiana manaraka ireto: Trondro, Bitro, Tantely. Ny taona 2017 dia nitondra fampianarana manokana eo amin’ny Akoho gasy sy Omby mifahy ny CSA. Ny fambolena kosa dia ny fanatsarana ny voly vary an-drano ary ny fanomezana masomboly vaovao avy amin’ny FIFAMANOR.

Fambolen-kazo sy famerenana ny ala

Tamin’ny volana Jolay 2005 dia nametraka tetik’asa famerenana ny ala izahay izay novatsian’ny Conservation International.  Teo amban’ny fiaraha-miasa niaraka tamin’ny lehiben’ny faritra rano sy ny ala ao Ambatolampy ary ny fifanekena niaraka tamin’nireo mponina eny ifottony dia tany miisa 12 no nofaritana fa hamerenana ny ala. Nanakaramana olona miisa 12 izahay, ary nisy fivoriana nifanesy notanterahina mba hahazoana ny fanohanana avy amin’ny mponina; Ny velaran-tany nofidiana dia tafiditra ao anatin’ilay paik’ady famerenana ala izay mijery manokana ireo filàn’ny mponina ary mikendry manokana ny hampihena ny fiantrekan’ny amin’ny famokarana.  Mahery ny 55 000 no foto-kazo efa nambolena amin’izany toerana izany. Ary mampiasa olona an-tselika maherin’ny 40 ao  Mahatsinjo ny tetik’asa.

Inona avy ireo zava-bita vao haingana?

Ny volana Septambra 2017 dia nahazo fankatoavana tamin’ny rafitra isan’ambaratongany rehetra ny fametrahana ny Faritra Arovana Vaovao Tsinjoarivo-Ambalomby (FAV Tsinjoarivo-Ambalaomby). Ny 11 Janoary 2019 no tontosa soamantsara ny Atrikasa fakan-kevitra teo anatrehan’ireo mambaran’ny Komisiona SAPM mba ho fametrahana ilay atao hoe “Statut de Protection Temporaire”. Amin’izao fotoana izao dia mbola miandry ny sonian’ireo ministera isan’Ambaratongany ho fanatotosana ny dingana rehetra.

Fambolen-kazo :  Namboly hazo (kininina) ho hazon’ny VOI sy Hazo-pokonolona tamin’ny tanana vitsivitsy izay efa nametrahana pepiniere tamin’ny volana oktobra 2018.

Anisan’ny zava-bita azo asongadina ihany koa amin’izao fotoana izao dia fahavitan’ireo fotodrafitrasa vitsivitsy ao Mahatsinjo. Ny toerana ao Mahatsinjo moa dia antsoinay hoe: “Centre d’Education à l’Environnement et au Developpement Durable” satria tsy ny mamaky teny sy manoratra fotsiny no ilain’ny mponina any an-toerana fa indrindra ny fampianarana velo-tena. Azo tanisaina etoana ny fanatsarana tontosa ao an-toerana: 1- Grande Salle à usage Multiple, 2- Petite salle à usage Multiple (Labo d’etudes etc …)3- Infrastructure d’acceuil (Karazana Maison d’hôtes, Abri-tente, Cuisine) 4- Documentation center, 5- Attraction Center, 6- Dobo-trondro maromaro izay hamokarana zana-trondro hamatsina ireo mponina any an-toerana.

 

Study abroad : Tontosa soa aman-tsara ny “Study Abroad” izay fiaraha-miasa n’ny Sadabe sy ny Université an’Antananarivo, Mention ADD ary ny University of Westwern England, Bristol. 30 ireo Mpampianatra sy Mpianatra avy any Bristol ary 17 kosa ny an’ny ADD Antananarivo.

Ny fifampizarana traikefa amin’ireo fandaharam-pihofanana ireo moa no tena tombony lehibe azon’ireo mpandray anjara rehetra. Nisafidy manokana an’ny Tsinjoarivo moa ny tompon’adraikitra avy ao Amin’ny UWE Bristol noho ny fananany ireo harena sy vakoka voa-janahary izay tsy hita raha tsy amin’ny toerana avo.

Inona avy kosa ireo tanjona sy asa miandry amin’ny ho avy?

Fikarohana : Eo amin’ny lafin’ny fikarohana, dia hanohy ny asa mahakasika ny “kankana na ny parasitology izahay ary handinika manokana ireo sakafo hoa ‘nireo varika ao anatin’ny sombin’ala izay mety hamparary azy.

Izany fikarohana izany dia tafiditra ao amin’ny fianarana hangalan’i Atoa Raharison ny mair-pahaizana Doctorat. Hanohy ny fikarohana momba ny sakafon’ireo varika izahay, fiaraha-miasa miaraka amin’ny St Louis Zoo, Dr Randall Junge. Hijery manokana mahakasika ny fifandraisan’ny fanimbana ala sy ireo tarehi-marika hahafantarana ny toe-pahasalamana, ny toe-batan’ireo varika ary ny ràny.

Fanabeazana : Eo amin’ny lafin’ny fanabeazana, dia fananganana ny sekoly ambaratonga faharoa fototra na CEG ao Mahatsinjo ihany koa, anisan’ny vaindoha-draharaha amin’ny faha-mainan’ny andro noho ny halavitan’ny CEG eny Tsinjoarivo tapo-tanana ka mampitombo ny tahan’ny fanambadiana aloha loatra.

Fampiofanana sy fanamafisana trai-kefa : Efa nanampy ny mponina ao Mahatsinjo hanangana fikambanana ara-dalàna izahay atao hoe (“Imaintso an’Ala”), izay hiandraikitra miaraka aminay ireo fitsidihana hataon’ny mpizahan-tany. Ka hanohana azy izahay mba hanany trai-kefa satria : 1) mampamora ny fikarohana amin’ny ho avy izany, 2) mampiroborobo ny fanarahamaso ara ekoljika ny tetikasa fametrahana ny Faritra Arovana izany ary 3) mampahomby ny asa atao amin’ny fizahan-tany.

Anisan’izany ny famerenana ny rehetra ho anatin’ny valan’ny lalàna, ny fahitan’ny rehetra tombotsoa amin’ny fampiharana ny fambolena: “Agro-ecologie” sy “Climato-Intelligent” mba tsy hiankinan’ny mponina be loatra amin’ny ala voa-janahary sy hampitombo ny fidiram-bolany.

Fahazoahana ny “Statut Définitif” de protection ho an’ny FAV Tsinjoarivo

Ny fahazahoana ny Statut Definitif ny FAV Tsinjoarivo Ambalaomby no tanjona lehibe indrindra. Mandra-pahatongavana amin’izay anefa dia ataonay tanjona ny fahavononan’ny mponina an’Ala eo fitantanana io faritra arovana io.

Mandray olona hiasa an-tsitrapo ve ONG Sadabe?

Mpiasa an-tsitrapo Malagasy sy vahiny hatrany amin’ny taona 2000 ka hatramin’izao no an-kamaroan’ireo mpiantsehatra ka nahatongavana amin’izao toerana misy ankehitriny izao. Tena “zone enclavé” i Mahatsinjo raha ny fanasokajian’ny Maro azy ka sarotra ny hahitana mpiantsehatra raha tsy olona manana finiavana sy fitiavana ary mahafantatra ny maha-saro-bidy ny vakoka voa-janahary sy kolotoraly ao an-toerana sy eto Madagasikara toy ny mpilatsaka an-tsitrapo. Ka dia mbola manamafy ny fandraisana olona miasa an-tsitrapo izahay.

  Inona no asa ilànareo famatsiana amin’izao fotoana izao?

Ny asa maika ilanay fanampiana betsaka indrindra amin’izao fotoana izao dia ny fanabeazana sy fampianarana ary fanentanana ny mponina an’Ala mba hiova toe-tsaina ka ho liana sy hampiatra ireo tetikasa atolotra eo amin’ny seha-pihariana isan-karazany.

,