Main Menu

Resadresaka miaraka amin’ireo Mpikaroka : Dr Sylviane Volampeno

Ity bilaogy ity dia dikan-teny Malagasy ny resadresaka nifanaovan’i Dr Kim Reuter tamin’ny Dr Sylviane Volampeno tamin’ny taona 2015. Indro ny bilaogy tamin’izany fotoana izany.  Misy zava-baovao nozarainy ihany koa, izay fivoaran’ny asa tao anatin’izay 4 taona izay! ka araho eto izany!

 Niresaka tamin’i Dr Sylviane Volampeno izahay tamin’ity herinandro ity, amin’ny maha mpikaroka sy mpiaro ny varika azy ! Nianatra tao amin’ny Oniversiten’Antananarivo ao amin’ny Departementa ny fianarana biolojika ireo biby ary avy eo dia nandranto fianarana ahazoana ny mari-pahaizana PhD tany amin’ny Oniversiten’i Kwazulu-Natal any Afrika Atsimo izy. Ny asa fikarohana ataon’i Sylviane dia ny fiarovana ireo Akomba any Sahamalaza Iles Radama izy sady mpampianatra mpikaroka an-tselika ao amin’ny oniversiten’Antananarivo ao amin’ny Departementa ny fianarana biolojika ireo biby. Ary, Tale mpanorina ny ONG Mikajy Natiora i Sylviane izay fikambanana misahana ny lafin’ny fiarovana eto Madagasikara.

Oviana no tena nanomboka ny finiavana nisy tany aminao amin’ny fiasana ho an’ny varika sy ny fiarovana ary inona no tena nahasarika anao hanao izany asa izany ?

Dr Sylviane Volampeno any anaty ala iasany

Fony aho mpianatra tany ambaratonga voalohany na premier cycle tao amin’ny Oniversiten’Antananarivo rehefa nahita voalohany ireo varika tany anaty ala raha sendra nitsangantsangana tao amin’ny Réserve spéciale d’Analamazaotra no nitsiry taty amiko izany finiavana izany. Nandritra io dia io, dia nianatra momba ny varika aho ka namantatra fa tena tsy misy afa-tsy eto amintsika ireo varika ary tena manana anjara toerana lehibe amin’ny fitomboana ny ala sy ny fiarovana azy izy ireo. Ny hatsaran’ireo varika sy toerana manan-danja ananany eo amin’ny tontolo iainana no tena nanosika ahy hianatra sy hiasa ho an’ny fiarovana azy ireo.

Amin’ny maha Malagasy ahy dia mahatsapa tokony handray anjara biriky amin’ny fiarovana io harem-pirenena io aho dia ny varika izany.

Amin’izao fotoana izao, inona avy ireo tetikasa iasanareo eo anivon’ny Mikajy Natiora ?

Hatramin’ny niforonanan’ny fikambanana dia efa maro ny asa natao amin’ny fiarovana ny varika sy ny toeram-ponenany. Ny fampiraisana ny fiikarohana sy ny fandraisana anjara ny olona ifotony dia anisan’ny paik’ady amin’ny fiarovana ny zava-boahary indrindra ny varika sy ny toeram-ponenany.  Mizara telo mazava tsara asa fiarovana ny varika sy ny fonenany izay sahanin’ny fikambanana dia ny asa fikarohana, ny fanentanana maro isan-karazany ary ny fanampiana ireo mponina eny ifotony hampivoatra ireo fari-pivelomany. Ny asa fikarohana efa nosahanin’ny Mikajy Natiora dia tsy miompana amin’ny varika ihany fa amin’ny biby hafa toy ny fitilibengy na Ibis sacré de Madagascar. Ny vokatrin’ny fikarohana natao tao amin’ny atiala ny Anabohazo izay ao amin’ny valan-java-boahary ny Sahamalaza-Iles Radama no nahafantarana fa ny Tsidy (Microcebus sambiranensis) dia hita ary mivelona ato amin’ny faritra Sahamalaza-Iles Radama.

Inona no tena nahatonga anao nanapa-kevitra hanangana ny fikambanana Mikajy Natiora? Ary inona no asa mety mampiavaka ataon’ny fikambanana?

Rehefa avy nianatra momba ireo varika efa an-taonan’ny maro aho dia tsapako ny filàn’ireo varika sy ireo mety vahaolàna ho an’ny fiarovana azy sy ny tontolo iainany. Ary satria moa ny varika dia harem-pirenen’i Madagasikara ka dia te-hampiseho aho fa manana andraikitra lehibe eo amin’ny fiarovana ny varika tsy ho lany tamingana ny Malagasy.

Dr Sylviane Volampeno manantanteraka fanadihadiana amin’ireo mponina

Izay no antony namoronako ny fikambanana satria te-handray anjara biriky aho amin’ny fiarovana ny harem-pireneko. Ny fomba entiko eo anivon’ny fikambanana Mikajy Natiora amin’ny fiarovana ny tontolo iainana dia ny fampifandraisana ny fikarohana sy ny fandraisana anjara ny olona ifotony. Ary mino aho fa izany fomba fiasa izany dia ahitàna vokatra mampiavaka ny tany hiandidianay ary mety hampiova zavatra tokoa.

Inona no tena zavatra sarotra amin’ny fanaovana asa ho an’ny varika eto Madagasikara ?

Ny tena sarotra dia ny fanaovana fikarohana mandritra ny andro fahavaratra satria mifanojo amin’ny fandalovan’ny rivo-doza izany. Ary tena iharan’io rehefa miasa any amin’ny toerana lavitra sy sarotra lalana. Mila matanjaka ara-batana sy ara-tsaina izany fa izaho manokana tena tia ny asako  ka hitako hoe feno firisahana sy finiavana ny andavan’andro hiasako.

Inona no zavatra tena nanamarika anao nitranga tao anatin’ny tetikasa mikasika ny varika ?

Mametraka “pare-feux” miaraka amin’ny mpiara-miasa i Dr Sylviane

Ny zavatra nitranga tamin’ny taona 2006 no tena nanamarika ahy. Vao nanomboka ny fianarana doctorat amin’ny varika aho tamin’izay ka nisy doro-tanety tao amin’ilay toerana niasako izay nandoro ny ampahany tamin’ny ala. Na dia niaraka tamin’ireo guides ary aho dia satrotra no nanomo ny afo ka rehefa izany dia lasa aho nihazakazaka namonjy tanàna nangataka vonjy tamin’ireo mponina. Anefa lalana andininy roa ny tanana akaiky indrindra…fa nihazakazaka nandritra ny andininy iray izaho sy ireo guides. Dimy andro taty aoriana, voavonjy ny ala ary maty ny afo.

Inona avy ireo tsindry lehibe iharan’ireo varika any amin’ny faritra iasanao ary inona no tokony atao iadiana amin’izany?

Ny tena tsindry iharan’ny varika any amin’ny faritra iasako dia ny fanimbana ny tontolo iainany noho ny asan’ny olombelona. Na izany aza, mino aho fa raha samy mampandray andraikitra ary mamporisika ny mponina eny ifotony izay monina manodiidina ny ala fonenan’ireo varika azy ireo dia mihena izany tsindry izany. Ohatra amin’izany, afaka manantanteraka asa fanentanana sy fanabeazana ianao ary tetikasa fametrahana asa fivelomana misolo ireo fivelomana manimba ala.

Ao anatin’ny folo taona, inona no vinavina heverinao sy ireo mpira-miasa aminao amin’ny asa fiarovana ny varika ?

Mandray an-tsoratra ny zavatra hita any anaty ala i Dr Sylviane.

Ao anatin’ny folo taona, dia manantena aho fa hahavita anentana ireo mponina rehetra eny ifotony amin’ny fiarovana ireo varika indrindra fa ireo Akomba (Eulemur flavifrons). Manana vinavina hampianatra sy hampiofana ireo tanora mpikaroka Malagasy ihany koa aho mba ahatonga azy ireo ho olona mendrika indrindra hiaro ireo varika.

Ahaona no ahafahan’ireo olona maneran-tany hanampy hanovotra ny varika ka hanampy anao amin’ny asanao?

Na dia asa kely indrindra ataon’ny olona maneran-tany ary dia efa manampy hanavotra ny varika. Ohatra amin’izany, ny fitsidihan’ireo ala java-boahary misy ireo varika ka ny fandraisana anjara amin’ny fanomezana ara-bola na ara-pitaovana na ihany koa ny fampiofanana ireo biolojista Malagasy.

Raha samy miasa ka milofotra amin’ny tetikasa fiarovana ny varika ny mpikaroka biolojista Malagasy tsirairay- miaraka amin’ny governementa sy ireo ONGs- dia inoana fa hampiova zavatra betsaka izany ka hanavotra ireo varika.

Te-hahalala bebe kokoa an’i Dr Sylviane Volampeno ve ianao? ary te-hanampy azy?