Main Menu

Ny fanabeazana sy ny fiarovana ireo varika

 Madagasikara sy ny fananany varika ve? Efa maro ny mahalala fa harem-pirenena ho an’ny Malagasy ny varika. Fa miha lany tamingana ny varika ary maro ny loza mihatra amin’ny fonenany izy ireo. Inona ny vahaolàna? Ny FANABEAZANA no anisan’ny vahaolàna iray lehibe.

Nahoana hoy ianao no zava-dehibe ny fanabeazana eo amin’ny fiarovana ireo varika?

Nisy ny tarehy marika nomen’ireo mpikaroka farany momba ny tahan’ny fahapotehin’ny ala eto Madagasikara. Efa ho ny valo-polo isa jato na 80 % ny ala eto Madagasikara efa potika tanteraka. Ary tamin’ny taona 2017 fotsiny dia maherin’ny iray alina sy dimy hetsy na 510 000 hekitara ny ala potika. Jereo ity rohy ity raha te-hahalala bebe kokoa momba ny tahan’ny fandripahan’ny ala eto Madagasikara ianao.

Fandoroana ala-Loza mihatra eto Madagasikara. Sary © WWF Madagascar

Raha nisy ary tokony ho hisy ny ezaka ataon’ny fanjakana sy ireo fikambanan-dehibe tsy miankina amin’ny fiarovana ny ala sisa na famerenana ireo karazana ala, tokony hisy ihany koa ny fijery lavitra hibanjinana ny ho avy hapetraka ho an’ny taranaka fara-mandimby. Noho izany, ny fanabezana ny taranaka sy ny fampitàna fahalalàna no hany andry iankinan’ny fiarovana ireo harem-pirenena ho an’ny Malagasy.

Iza avy ireo tokony ho beazina?

Tokony ho laharaham-pahamehana ny fanabeazana ny Malagasy tsy vakivolo ary indrindra ny fampivoarana izany hanaraka ny vaninandro. Raha ny tarehy marika avy amin’ny fikambanana iraisam-pirenena mikasika ny fanabeazana no jerena dia 34.92 % ny tahan’ny fampidirana ankizy eny an-tsekoly (loharano nahitana ny tarehy marika : UNESCO Madagasikara).

Ankizy mianatra sy mahazo fanabeazana antoky ny fampandrosoana sy ny fiarovana ireo harem-pirenena © Stéphane Corduant

Ary raha ny fiarovana ireo harena voajanahary amin’ny ankapobeny no resahina dia tokony ho tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pampianarana ho an’ny ankizy eny an-tsekoly ny fanabeazana azy ireo hiaro ny natiora sy ireo harena voajanahary. Anisan’ny vahaolàna naroso ao anatin’ilay fandaharan’asa lehibe ho an’ny fiarovana ny varika izany (lemur action plan).

Ny ankizy eny amin’ny fanabeazana fototra no iantefan’ny fanabeazana voalohany indrindra. Ny ankizy latsaky ny folo taona no volavolaina voalohany hanana toe-tsaina ho tia sy hiaro ny ala sy ireo harem-pirenena. Efa maro ireo ezaka ataon’ireo fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana ny fiaraha-miasa miaraka amin’ireo sekoly amin’ny fanabeazana ny ankizy amin’ny fiarovana ny harena voajanahary. Manao ezaka manokana amin’ny GERP Madagascar (Jereo ireo sary eo ambany).

Ny tanora vao misandratra hiditra eo amin’ny sehatry ny asa atsy ho atsy dia tokony hahazo fanabeazana sy fampahalàna sahazy ho azy ihany koa. Fa izy ireny mantsy no tompon’andraikitra eo amin’ny sehatry ny fanapahan-kevitra amin’ny fiarovana ny natiora.

Inona avy ireo fitaovana sy asa fanabeazana amin’ny fiarovana ny varika?

Ny fampahalalàna sy ny fanentanana no endrika entina manabe ny olona. Ireo sary sy tantara no fitaovana entina manabe ny ankizy eny amin’ny fanabeazana fototra. Ireo sary manaitra hanintona ireo sain’ny ankizy avy hatrany dia fitaovana efa fampiasan’ireo fikambanan-dehibe tsy miankina amin’ny fanjakana na ireo ONGs.

Sary tanana iray maneho hevitra maro- Entina hanabeazana ny ankizy- novokarin’i Davidson Herindrainy

Ny fanentanana eny ifotony na ireo fanentanan-dehibe toy ny fankalazana  ny dihin’ny varika maneran-tany notarihin’ny GERP Madagascar ohatra dia fitaovana iray lehibe anentanana ireo tanora sy ny mponina amin’ny maha-zava dehibe ny fiarovana ny varika.

Ahaona ny ahafahanao manampy ?

Fantaro fa maro ireo fikambanana tsy miankina Malagasy na vahiny na ireo ivo-toerana miasa ho an’ny fiarovana ny ala sy ny varika no manana fandaharan’asa ho an’ny fanabeazana ny ankizy sy ny tanora Malagasy. Raha liana ny hamantatra bebe kokoa ianao. Vakio eto ny lisitr’ireo mpikambana.

Raha liana amin’ny fandraisana anjara an-tsitrapo amin’ny fandaharan’asa ho an’ny fanabeazana sy ny fanentanana ianao, dia aza misalasala mifandray amin’ireny fikambanana ireny na mifandray aminay mivantana ihany koa. Eto raha liana hifandray aminay.

Raha toa maniry hanohana sy hitondra anjara biriky amin’ny fanentanana. Tsidiho ireo tranon-kalan’ireo mpikambana.

Ndeha hanovo fahalalàna ary aloha!

Miainga amin’ny fampizarana sy fanomezana fahalalàna ary fampitàna hafatra ny fanabeazana. Hisy lohahevitra maro hovoizina eto noho izany. Araho tsy tapaka ny tranon-kalan’ny LCN!

Mbola hitohy!