Main Menu

Iray volan’ny mpikambana LCN : Madagascar Wildlife Conservation (MWC)

 Ny Lemur Conservation Network dia manokana iray volana anehoana ireo asan’ireo mpikambana ato amin’ny LCN ka omena toerana manokana izy ireo, ahafahan’izy ireo manazava amintsika ny fomba ahafahana manampy azy ireo amin’ireo ady ataony ho fiarovana ny varika. Ity volana Febroary ity dia natokana ho an’ny  Madagascar Wildlife Conservation (MWC). Ao anatin’ity bilaogy ity, dia niresaka tamin’i Rtoa Lucile Mialisoa Raveloarimalala izahay, izay mpandrindra mpitarika ny ONG MWC  izay nitantara taminay ireo asa zava-dehibe ataon’ny MWC ary ny fomba ahafahantsika manampy azy. 

Mba zarao aminay ny tantara sy ny mombamomban’ny fikambanana (daty niforanany, inona no tena antony nanangana ny fikambanana, inona no tanjona, sns…)

Madagascar Wildlife Conservation dia fikambanana Malagasy tsy miankina amin’ny fanjakana izay niforona tamin’ny taona 2003 tao Antananarivo nohon’ny finiavan’ireo tanora Malagasy izay nanao fikarohana taty Alaotra mba ampivadiana ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana ny faritra Alaotra. Tamin’ny 03 Martsa 2016, dia nahazo ny fankatoavan’ny prefectoran’Ambatondrazaka (Attestation de dépôt N°17-pref/AZK/ASS.16.).

Ny tanjona  dia ny fiarovana ny harena voajanahary mampiavaka ny faritra, ny fampianarana ara-tontolo iainana arahin’ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra, izany rehetra izany dia avy amin’ny alalan’ny valin’ny fikarohana siantifika.

Ireo mpiasa ao amin’ny Camp Bandro

Aiza no misy ny fikambanana?

Nijoro eto Ambatondrazaka ny fikambanana mba anatokana ny toerana iasana. Miara-miasa amin’ny Durrell izay mpitantana ny Faritra arovana farihiben’Alaotra, raha ny mahakasika ny fampianarana ara-tontolo iainana no lazaina fa raha ny zaha-voahary (Ecotourism) kosa dia ny ao amin’ny “Parc Bandro” Andreba-gara ihany.

Inona ireo karazana varika iasanareo?

Iasan’ny fikambanana daholo ho rehefa harena sarobidin’Alaotra fa noho ny maha-tandinin-doza ny Bandro (Hapalemur alaotrensis) dia tsy maintsy izy no atao laharam-pahamena miaraka amin’ireo zetra izay fonenany mba amonjena azy tsy ho lany tamingana.

Inona avy ireo asa atao izay manampy amin’ny fiarovana ireo varika sy ireo asa hafa?

Arak’izany efa maro ireo fanentanana ara-tontolo iainana izay natao teny amin’ny sekoly fanabeazana fototra tamin’ny alalan’ireo fitaovana isan-karazany, ny fanomezana toerana famakiana boky, ny fanaganana ny toerana ahafanan’ireo mpikaroka sy ireo mpisehatra amin’ny zaha-voahary mijery Bandro: Parc Bandro sy Camp; izany dia iarahana amin’ireo mponina eny ifotony sy ny DWCT (DWCT: Durrell Wildlife Conservation Trust ) aty Alaotra.

Asa Fanentanana ireo mponina eny ifotony- fijerena sary mihetsika momba ny varika

Inona avy ireo zava-bita vao haingana?

Ankehitriny dia mihezaka manentana ny mponina eny ifotony indray ny fikambanana amin’ny alalàn’ny kilalaon-tsaina izay vao niforonina mba ampahafantarana azy ireo ny fifampankinanan’ny “ecosystème” misy aty (zetra, baiboho ary masondrano), izany dia iarahana amin’ny MMBF.

Farany dia vao nahazo ny titre “site pilote” aty ALaotra ny Parc Bandro nohon’ny famatsiam-bolan’ny “Coopération Décentralisée, Ille et Vilaine” iarahana amin’ny Faritra Alaotra-Mangoro sy ny mpisera-dia eny ifotony mba anorenana foto-drafitr’asa mifanaraka amin’ny filàn’ny asa fiarovana sy ny zaha-voahary. Nanomboka tamin’ny fananganana “Bloc sanitaire” na trano fidiovana sy fivoahana mamaly ny filàn’ny mpitsidika tao amin’ny Camp Bandro tamin’ny taona 2016.

Inona avy kosa ireo tanjona sy asa miandry amin’ny ho avy?

Ny fahatokisan’ny Coopération Décentralisée ny MWC ka amin’ity taona ity dia ho tokanana ny site pilote “Parc Bandro” izay misy Chalet, ny plateforme, ary koa ny ireo kojakoja ahafahana manamafy ny fiarovana toy ny takelaka fampitandremana sy ny toerana fiantsonana ary ny lakana.

Tsy mbola nahafapo ny asa fanentanana amin’ny fampianarana ara-tontolo iaiana ka ny anamafisana izany hatrany no ezahina ka heverina atao ahenika ny faritra Alaotra izany hetsika izany sady atao eny amin’ny sekoly sy eny amin’ny fiaraha-monina.

Hiezahana velarina ny tontolon’ny asa zaha-voahary mba ahafahan’ny ankabeazan’ny mponina mahazo asa ka tsy iankina betsaka amin’ny fitrandrahana ny harena voajanahary. Ezahina velarina ny zaha-voahary amin’ny alàlan’ny plateforme Alaotra Ranosoa, arak’izany dia tokony asina ny “visite echange” izany hoe ny mpikambana misy ao anatin’ny plateforme izay ao anatin’ny faritra efatra manodidina an’Alaotra, tokony itsidika ny Parc Bandro izy ireo mba ahafahany mijery sy mianatra ny zava-misy ao ary arahina fiofanana momba ny zaha-voahary izany mba ahafahany mampihatra sy isian’ny fitantanana ho lovain-jafy.

Mandray olona hiasa an-tsitrapo ve MWC?

Hatreto aloa dia mbola tsy nandray olona hiasa antsitra-po afa-tsy ny avy ao amin’ny « Corps de la Paix  na Peace Corps » ny fikambanana nefa kosa azo ieritreretina ny anitarana izany.

Inona no asa ilànareo famatsiana amin’izao fotoana izao?

Ny asa tena ilàn’ny fikambanana famatsiana amin’izao fotoana izao dia :

  • ny fanohizana ny fampianarana ara-tontolo iainana eny amin’ny sekoly fanabeazana fototra raha nisy fahatapahany izany taona maromaro izay nohon’ny tsy fisian’ny famatsiam-bola. Ilaina ny fampiofanana ny mpampianatra amin’ireo fitaovana na kilalaon-tsaina vaovao entina mampianatra, ny fampitaovana an’ireo mpianatra mba ahafahany manao fampiharana toy ny voly zetra, ny famatsihana ny “Classe verte” ary ny fanaovana “suivi-évaluation”.

Tranom-boky ao Andreba-gara

  • ny fanohanana ny toerana fandraisana vahiny ao Andreba-gara “Camp Bandro: gite communautaire” izay efa tapitra ny tetik’asa nefa ny vidiny mbola tsy mahaloa ny sarany nohon’ny fahavitsian’ny mpitsidika.   vola entina manatsara, mikojakoja ny trano sy ny manodidina ary ny karaman’ny mpiasa maharitra eny ifotony sy ny fanatsarana traik’efa hatrany. Marihina fa mponina eny ifotony daholo ny mpiasa manomboka amin’ny mpitantana, ny mpanao zaridaina sady mpiambina, ny mpahandro ary ny mpisera-dia (ireto roa farany dia mpiasa antselika isaky ny misy vahiny vao mahazo vola).

Ahaona no ahafahanao Manampy?

,