Nisy varika lehibe tahaka ireo rajako teto Madagasikara fahiny

Mpanoratra bilaogy vahiny androany i HAJANANTENAINA Herindrainy Davidson. Izy dia tanora mpianatra sady mpikaroka momba ny varika avy ao amin’ny sampam-pianarana Siansa, Oniversiten’Antananarivo. Ankoatra ny asa fikarohana izay ataony, dia mandray anjara ihany koa izy amin’ny fanabeazana ara-tontolo iainana izay ataon’ny fikambanana GERP. Anisan’ny nahaliana azy efa hatrany ela ny fandraisana anjara amin’ny fifaninana fanehoana hevitra amin’ny alalan’ny sary. Tiany ny mizara sy maneho ny heviny amin’ny talenta sy fahaizany manokana. Faniriany ny hiroboroboan’ny fanabeazana sy fanentanana ara-tontolo iainana eto Madagasikara izay tsy afa-misaraka amin’ny fiarovana sy fikolokoloana ny zavaboahary. Araho ary ity bilaogy iray nosoratany ity momba ireo varika taloha.

Fantatrao ve fa nisy varika lehibe tahaka ny rajako teto amintsika fahiny?

Amin’izao fotoana izao dia anisan’ny olana sedrain’ny firenena rehetra maneran-tany ny voka-dratsin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Hita izany matetika amin’ny firongatry ny aretina maro samihafa, ny fihenan’ny vokatra avy amin’ny fambolena ary ny fitomboan’ny loza voajanahary. Ny ankamaroan’ny anton’ireo anefa dia fantatra fa vokatry ny fitombon’ny mponina sy ny fomba fiasan’ny olombelona. Araka izany dia maro tamin’ireo zava-boahary nisy ireo no efa tsy tratran’ny taranaka malagasy taty aoriana intsony ny fisiany, anisan’izany ny nisiana karazana varika lehibe nitovy habe amin’ny rajako.

Efa mialoha ny fihavian’ny olombelona teto Madagasikara no nisy ny varika

Araka ny fantatra dia efa ela no teto Madagasikara ireo varika lehibe ireo izay tombanana ho teo amin’ny 26 000 taona teo, araka ny taolana antitra indrindra hita farany. Hatreto, araka ny fikarohana izay natao dia tany amin’ny taona 4000 tany no heverina fa nihavain’ny olombelona voalohany teto Madagascar araka an’i Dewar sy ny mpiaramiasa aminy ao amin’ny boky Proceedings of the National Academy of Sciences laharana faha-10 nivoaka ny taona 2013.

Ny tena nampiavaka ireo varika ireo tamin’izany fotoana izany dia ny habeny. Raha toa mantsy ka ampitahaina amin’ireo mbola velona ny habeny dia avo 20 henin’ny varika lehibe indrindra misy amin’izao fotoana (indry na amboanala, 7 ka hatramin’ny 10 kg) ny lanjan’ny varika lehibe indrindra nisy tamin’izany (Archaeoindri, 200 kg).

Ny fikarohana natao dia milaza fa izy ireo dia nitoetra tao anaty ala matevina ary iny faritra andrefana sy atsimon’i Madagasikara iny no faritra tena nahitana azy ireo betsaka indrindra. Ireo faritra ireo izay fantatra fa maina sy tsy ahitana rotsak’orana matetika intsony amin’izao fotoana izao.

Avy aiza ary tamin’ny fomba ahoana no nahatongavan’izy ireo teto?

Hatreto dia mbola anisan’ny lohahevitra mametra-panontaniana ireo mpikaroka eto an-toerana sy any ivelany ny nihavian’ireo varika teto Madagasikara.

Raha ny tantaran’ny fivoaran’ny biby no jerena dia tao Afrika no nipoiran’ny sokajim-biby mampinono “Primata” voalohany tany amin’ny taona 95,7 hatramin’ny 93,3 tapitrisa talohan’ny ankehitriny tany. Ny mpikaroka momba ny vato sy fosily ary ny fiainana fahiny dia nanambara fa ny taona 84,4 ka hatramin’ny 66,9 tapitrisa tany no nipoiran’ny razamben’ny Varika. Tamin’ireo fotoana ireo anefa dia efa tafasaraka tanteraka tamin’i Afrika sy i India i Madagasikara nanodidina ny taona 90 tapitrisa.

Anisan’ny azo heverina ny mety niampitan’izy ireo tamin’ny alalana nosy kely maromaro, mifanakaiky, teo anelanelan’i Afrika sy Madagasikara izay mety niforona nandritra ny fisaratsarahan’ny kaontinanta. Hatreto anefa ny petra-kevitra izay eken’ny mpikaroka maro an’isa momba ny fomba nihavian’ny Varika teto Madagasikara dia ny nahatongavan’izy ireo tamin’ny alalana tsikafon-javamaniry avy any Afrika.

Ny fitantaran’ireo olona mbola nahatratra ny fisian’ireo varika lehibe

Nisy tamin’ny mpikaroka momba ny “Archéologie” no nanamafy ny fisiana olona mbola nahita karazana biby lehibe izay azo heverina ho ireo varika lehibe ireo tamin’ny alalan’ny fanadihadiana nataony.

Araka ny filazan’ireo nahita maso izay nitantara dia nitovy halava tamina zazavavy kely 7 taona avokoa ireo biby lehibe hita ireo.

Tamin’ny taona 1658 izao ohatra dia nisy mpanoratra iray antsoina hoe Etienne De Flacourt, nitatitra ny fisiana biby iray lehibe, antsoina hoe “Tretretretre” na “Tratratratra” tao amin’ny boky iray antsoina hoe “Histoire de la Grande Isle Madagascar“.

Mitovy habe amina zanaka omby roa taona, manana loha boribory, mitovitovy endrika amin’ny olona,  mitovy amin’ny an’ny varika ny firavitry ny tanany sy ny tongony, voloina, fohy rambo ary manana sofina mitovy amin’ny an’ny olona hono io varika lehibe io, hoy ireo nahita azy maso !

Araka ny tatitra nataony ihany dia tany amin’ny faritra nisy farihy antsoina hoe “Lipomami” no nahitana matetika io biby. Araka ny fikarohana nataon’i Tattersal tamin’ny taona 1982 tao amin’ny “The Primates of Madagascar” dia any amin’iny faritra Atsimo Andrefana iny no misy io “Lipomami” io.

Ahoana kosa àry no nahalany tamingana ireo varika lehibe?

Ankehitriny dia maro ny petra-kevitra izay heverina fa nahalany tamingana ireo Varika lehibe voalaza ireo.

Voalohany dia ny fiovaovan’ny toetrandro tany amin’ny taona 3 000 sy 2 000 tany alohan’ny ankehitriny araka ny fikarohana nataon’i Goodman sy Rakotozafy ny taona 1997 tao amin’ny boky antsoina hoe “Natural change and human impact in Madagascar“.

Faharoa manaraka izany, ny tsindry izay vokatry ny asan-draolombelona, toy ny: haza mihoapampana, ny fanimbana ny ala fonenany, ny fampidirana ireo biby fiompy sy biby dia mpihaza avy any ivelany. Marihina fa amin’ny mahalehibe ireo varika ireo dia sady mora karohina amin’ny fihazana no sady malaim-pihetsika ihany koa.

Inona no hafatra apetrak’i Davidson amin’ny mpamaky ?

Tena zava-dehibe ny fahafantarana ny zava-nisy taloha mba hahafahana manitsy sy manatsara ny fomba fiasa mba hananan’ny taranaka fiainana tsara kokoa. Tsy voatery hahazo sehatra lehibe toy ny fitondrana fanjakana na fikambanana ny tsirairay vao afaka manentana amin’ny fikolokoloana ny tontolo iainana fa  miainga amin’ny fihetsika maniry fiovanao an-tokantrano aloha.

Ny fitiavana mizara ny lanjan’ny tontolo iainana sy ny fampahafantarana ireo harena voajanahary misy eto an-toerana amin’ny fianakaviana sy manodidina dia efa zava-dehibe hijintsovana ny taranaka.

Araho tsy tapaka ny tranon-kalan’i LCN fa mbola maro no ho resahintsika mikasika ireo varika!

Ndeha iaraha-hiasa hanentana sy hanabe ny taranaka fara mandimby!

Maniry handray anjara an-tsitrapo amin’ny fanoratana bilaogy ato amin’ny LCN ve ianao? Manorata aty aminay.